Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 54

Iza “Ilay Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina” ary Inona no Ataony?

Iza “Ilay Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina” ary Inona no Ataony?

I Jesosy no Lohan’ny fiangonana kristianina. (Efesianina 5:23) Avy any an-danitra izy no mitarika ny mpanara-dia azy eto an-tany, ary ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” no ampiasainy amin’izany. (Vakio ny Matio 24:45.) Manana fahefana handray fanapahan-kevitra sasany io “mpanompo” io, satria i Jesosy mihitsy no nanendry azy. Mbola tsy maintsy mankatò an’i Kristy anefa izy io sady manompo an’ireo rahalahin’i Kristy. Iza àry ilay mpanompo? Ary inona no ataony mba hikarakarana antsika?

1. Iza “ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina”?

Efa hatramin’izay i Jehovah no nampiasa lehilahy iray na lehilahy vitsivitsy mba hanome toromarika ny vahoakany. (Malakia 2:7; Hebreo 1:1) Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema no nitarika. (Asan’ny Apostoly 15:2) Hoatr’izany koa amin’izao. Anti-panahy vitsivitsy, antsoina hoe Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no manome sakafo ara-panahy sy mitarika ny asa fitoriana. Io antokon’olona io “ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina izay [notendren’i Jesosy].” (Matio 24:45a) Kristianina voahosotry ny fanahy daholo no anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ary manantena hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra izy ireo rehefa mifarana ny fiainany eto an-tany.

2. Inona ny sakafo ara-panahy omen’ny mpanompo mendri-pitokisana?

Nilaza i Jesosy fa ‘hanome sakafo amin’ny fotoana mety’ ho an’ireo Kristianina namany ilay mpanompo mendri-pitokisana. (Matio 24:45b) Manome hery sy manampy antsika ho salama ny sakafo hanintsika. Hoatr’izany koa ny sakafo ara-panahy, izany hoe ny toromarika avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Manome hery antsika ilay izy, dia mahavita tsy mivadika amin’i Jehovah isika sady manao ny asa nampanaovin’i Jesosy antsika. (1 Timoty 4:6) Mahazo sakafo ara-panahy isika amin’ny alalan’ny fivoriana, fivoriambe, boky sy gazety ara-baiboly, ary video. Manampy antsika hahazo tsara ny sitrapon’Andriamanitra sy hinamana aminy foana izy ireny.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika hoe nahoana isika no mila ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, izany hoe ny Filan-kevi-pitantanana.

Manome sakafo ara-panahy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ny Filan-kevi-pitantanana, ary manome toromarika sy fanampiana ho azy ireo

3. Tokony ho voalamina tsara ny vahoakan’i Jehovah

Mandamina ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Filan-kevi-pitantanana, ary ny tari-dalan’i Jesosy no arahiny. Efa nisy hoatr’izany koa tamin’ny andron’ny Kristianina voalohany. Alefaso ilay VIDEO.

Vakio ny 1 Korintianina 14:33, 40, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Raha jerena ireo andininy ireo, inona no mampiseho fa tian’i Jehovah ho voalamina tsara ny Vavolombelony?

4. Mandamina ny asa fitoriana ilay mpanompo mendri-pitokisana

Ny fitoriana no asa lehibe indrindra nataon’ny Kristianina voalohany. Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:14, 25, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Iza no nitarika ny asa fitoriana tamin’ny andron’ny Kristianina voalohany?

  • Ahoana no nataon’i Petera sy Jaona rehefa nanome toromarika azy ireo ny apostoly hafa?

Ny fitoriana no asa lehibe indrindra alamin’ny Filan-kevi-pitantanana. Alefaso ilay VIDEO.

Nasongadin’i Jesosy hoe tena zava-dehibe ny fitoriana. Vakio ny Marka 13:10, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Maninona no tena zava-dehibe amin’ny Filan-kevi-pitantanana ny asa fitoriana?

  • Nahoana isika no mila ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” mba handamina an’io asa maneran-tany io?

5. Manome toromarika ilay mpanompo mendri-pitokisana

Manome toromarika ho an’ny Kristianina maneran-tany ny Filan-kevi-pitantanana. Ahoana no ataony rehefa hanapa-kevitra hoe inona no toromarika homena? Hojerentsika ny nataon’ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny andron’ny Kristianina voalohany. Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:1, 2, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no nampiady hevitra ny Kristianina sasany?

  • Tamin’iza i Paoly sy Barnabasy ary ny rahalahy hafa no nitady fanampiana mba handaminana an’ilay olana?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:12-18, 23-29, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Talohan’ny nandraisany fanapahan-kevitra, ahoana no nataon’ny filan-kevi-pitantanana mba hahazoana ny tari-dalan’Andriamanitra?—Jereo ny andininy 1215, ary 28.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:30, 31 sy ny 16:4, 5, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no nataon’ireo Kristianina voalohany rehefa nahazo toromarika avy amin’ny filan-kevi-pitantanana?

  • Inona no fitahiana nomen’i Jehovah azy ireo noho izy ireo nankatò?

Vakio ny 2 Timoty 3:16 sy ny Jakoba 1:5, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Amin’izao androntsika izao, aiza ny Filan-kevi-pitantanana no mitady tari-dalana rehefa hanapa-kevitra?

MISY MITENY HOE: “Manaraka olona ianao raha ny Filan-kevi-pitantanana no henoinao.”

  • Inona no mandresy lahatra anao hoe i Jesosy no mitarika ny Filan-kevi-pitantanana?

FAMINTINANA

Ny Filan-kevi-pitantanana ilay “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” notendren’i Kristy. Manome toromarika sy sakafo ara-panahy ho an’ny Kristianina maneran-tany izy io.

Famerenana

  • Iza no nanendry an’ilay “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”?

  • Inona no ataon’ny Filan-kevi-pitantanana mba hikarakarana antsika?

  • Mino ve ianao hoe ny Filan-kevi-pitantanana ilay “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Ahoana no ataon’ny Filan-kevi-pitantanana mba hahazoantsika sakafo ara-panahy azo antoka tsara?

Marina Tsara Daholo ny Lahatsoratra Avoakantsika (17:18)

Ahoana no fiheveran’ny Filan-kevi-pitantanana ny asa nampanaovin’i Jesosy azy?

Tombontsoa Mahafinaritra (7:04)

Nahoana ny fivoriana sy ny fivoriambe no manaporofo hoe mitarika ny Filan-kevi-pitantanana i Jehovah?

Mampianatra ny Vahoakany i Jehovah (9:39)