Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 57

Ahoana Raha Manao Fahotana Lehibe Ianao?

Ahoana Raha Manao Fahotana Lehibe Ianao?

Mety hanao fahadisoana ianao indraindray, na dia tia be an’i Jehovah sy miezaka mafy tsy hampalahelo azy aza. Lehibe kokoa anefa ny fahotana sasany raha oharina amin’ny fahotana hafa. (1 Korintianina 6:9, 10) Raha manao fahotana lehibe ianao, dia tadidio hoe mbola tia anao i Jehovah. Vonona hamela ny helokao sy hanampy anao izy.

1. Inona no tsy maintsy ataontsika mba havelan’i Jehovah ny fahotantsika?

Malahelo be ny olona tia an’i Jehovah rehefa mahatsapa hoe nanao fahotana lehibe. Mampahery azy anefa ity fampanantenan’i Jehovah ity: “Na mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia hatao fotsy mangatsakatsaka.” (Isaia 1:18) Hamela tanteraka ny helotsika i Jehovah raha tena mibebaka isika. Ahoana ilay hoe mibebaka? Manenina be isika, ka tsy manao an’ilay zavatra ratsy intsony ary mitalaho amin’i Jehovah mba hamela antsika. Miezaka mafy isika avy eo mba hiala amin’ilay zavatra nahatonga antsika hanota, na eritreri-dratsy ilay izy na fahazaran-dratsy. Miezaka koa isika mba hanaraka ny fitsipik’i Jehovah.​—Vakio ny Isaia 55:6, 7.

2. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny anti-panahy mba hanampiana antsika?

Asain’i Jehovah ‘miantso ny anti-panahin’ny fiangonana’ isika, raha nanao fahotana lehibe. (Vakio ny Jakoba 5:14, 15.) Tia an’i Jehovah ireny lehilahy voatendry ireny sady tia an’ireo ondrin’i Jehovah. Hain-dry zareo hoe ahoana no atao mba hanampiana antsika hifandray tsara amin’i Jehovah indray.​—Galatianina 6:1.

Ahoana no ataon’ny anti-panahy mba hanampiana antsika? Hisy anti-panahy roa na telo hiresaka amintsika. Hampiasa ny Soratra Masina izy ireo mba hampisehoana hoe inona no maha ratsy an’ilay zavatra nataontsika. Hanome torohevitra sy hampahery antsika koa izy ireo, amin’izay isika tsy mamerina an’ilay fahotana intsony. Ary ahoana raha manao fahotana lehibe ny olona iray nefa tsy mibebaka? Hanapa-kevitra ny anti-panahy hoe hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana izy mba tsy hitarika ny hafa hanao ratsy.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika bebe kokoa hoe ahoana no hanampian’i Jehovah antsika raha manao fahotana lehibe isika. Hankasitraka ny fanampiany isika amin’izay.

3. Ho afaka hiarina isika raha miaiky ny fahotantsika

Tokony hiaiky ny fahotantsika amin’i Jehovah isika, satria manao zavatra mampalahelo azy rehefa manota. Vakio ny Salamo 32:1-5, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana no mahasoa antsika ilay hoe miaiky ny fahotantsika amin’i Jehovah fa tsy hoe manafina an’ilay izy?

Tsy ampy anefa ny hoe miaiky ny fahotantsika amin’i Jehovah. Mila mangataka ny fanampian’ny anti-panahy koa isika raha te hilamin-tsaina. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Ahoana no nataon’ny anti-panahy mba hanampiana an’i Canon hiverina amin’i Jehovah?

Tokony hilaza ny marina sy tsy hanafinafina isika rehefa miresaka amin’ny anti-panahy. Te hanampy antsika mantsy izy ireo. Vakio ny Jakoba 5:16, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana no ho mora kokoa amin’ny anti-panahy ny manampy antsika raha milaza ny marina isika?

Mila miaiky ny fahotanao amin’i Jehovah ianao, milaza ny marina amin’ny anti-panahy, ary manaiky ny fanampian’i Jehovah

4. Mamindra fo amin’ny mpanota i Jehovah

Raha tsy mety manaraka ny fitsipik’i Jehovah ny olona iray nanao fahotana lehibe, dia hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana izy. Tsy mifanerasera aminy intsony isika. Vakio ny 1 Korintianina 5:6, 11, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Misy vokany amin’ny koba ny lalivay. Hanao ahoana koa ny fiangonana raha mbola mifanerasera amin’ny mpanota tsy mibebaka?

Mamindra fo amintsika olombelona mpanota sy tsy lavorary i Jehovah. Manahaka azy ny anti-panahy, dia manao zavatra mba hanampiana an’izay nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana intsony. Betsaka no niverina ao amin’ny fiangonana indray. Na dia mafy tamin’izy ireny aza mantsy ilay hoe nesorina, dia nanampy azy ho tonga saina izany hoe tena ratsy ny nataony.—Salamo 141:5.

Nahoana ny fomba itondran’i Jehovah ny mpanota no mampiseho hoe mahay mandanjalanja sy mamindra fo ary be fitiavana izy?

5. Mamela antsika i Jehovah rehefa mibebaka isika

Nanao fanoharana i Jesosy mba hampisehoana hoe inona no tsapan’i Jehovah rehefa misy olona iray mibebaka. Vakio ny Lioka 15:1-7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no ianaranao momba an’i Jehovah avy amin’io fanoharana io?

Vakio ny Ezekiela 33:11, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona ny zava-dehibe mila ataontsika raha te hampiseho isika hoe tena mibebaka?

Hoatran’ny mpiandry ondry mikarakara tsara ny ondriny i Jehovah

MISY MITENY HOE: “Matahotra aho hoe sao dia hesorina raha teneniko amin’ny anti-panahy ilay fahotana nataoko.”

  • Inona no holazainao amin’ny olona mieritreritra hoatr’izany?

FAMINTINANA

Na dia manao fahotana lehibe aza isika, dia hamela antsika i Jehovah raha tena manenina isika sady tapa-kevitra ny tsy hamerina an’ilay izy intsony.

Famerenana

  • Nahoana no mahasoa antsika ilay hoe miaiky ny fahotantsika amin’i Jehovah?

  • Inona no tokony hataontsika raha tiantsika hamela ny helotsika i Jehovah?

  • Nahoana isika no tokony hangataka ny fanampian’ny anti-panahy raha nanao fahotana lehibe?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Ho hitanao amin’ny zavatra niainan’ity lehilahy ity fa marina ilay resahin’ny Isaia 1:18 hoe mamindra fo i Jehovah.

Matokia fa Tena Mamindra Fo i Jehovah (5:02)

Ahoana no ataon’ny anti-panahy rehefa miezaka manampy olona nanao fahotana lehibe ry zareo?

“Tiavo sy Amindrao Fo ny Olona Nanota” (Ny Tilikambo Fiambenana Aogositra 2024)

Ahoana no anehoana fitiavana sy famindram-po amin’ireo mpanota tsy nibebaka?

“Fanampiana An’izay Nesorina Tsy ho Anisan’ny Fiangonana” (Ny Tilikambo Fiambenana Aogositra 2024)

Nahoana ny lehilahy iray niala tamin’ny fahamarinana no nahatsapa hoe notaomin’i Jehovah hiverina? Vakio ilay tantara hoe “Mila Miverina Amin’i Jehovah Aho.”

“Manova Olona ny Baiboly” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2012)