Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 60

Miezaha Handroso Foana

Miezaha Handroso Foana

Be dia be ny zavatra fantatrao momba an’i Jehovah hatramin’izay nianaranao Baiboly izay. Lasa tia be azy ianao noho izany, ka mety ho efa nanokan-tena sy natao batisa na efa mieritreritra ny hanao an’izany tsy ho ela. Mbola mila mandroso foana anefa ianao na dia efa vita batisa aza. Afaka miezaka ho akaiky kokoa an’i Jehovah foana ianao mandrakizay. Ahoana no hanaovana an’izany?

1. Nahoana ianao no tokony hiezaka ho akaiky kokoa an’i Jehovah foana?

Tsy maintsy miezaka mafy isika mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah foana. Nahoana? Amin’izay isika tsy “hiala amin’ilay Andriamanitra velona.” (Hebreo 3:12) Inona no hanampy antsika tsy hivadika fa hanompo an’i Jehovah foana? Tokony hazoto hitory isika sady hitady fomba hafa hanompoana bebe kokoa an’Andriamanitra. (Vakio ny Filipianina 3:16.) Ny manompo an’i Jehovah no mahasambatra indrindra eo amin’ny fiainana!​—Salamo 84:10.

2. Inona koa no mbola mila tohizinao foana?

Na dia vita aza ny fianaranao Baiboly amin’ity boky ity, dia mbola mila mampiseho foana ianao hoe Kristianina. Milaza ny Baiboly fa tokony “hitafy ny toetra vaovao” isika. (Efesianina 4:23, 24) Hahafantatra zavatra vaovao momba an’i Jehovah sy ny toetrany ianao, rehefa manohy mianatra ny Teniny sy manatrika ny fivorian’ny fiangonana. Jereo hoe inona no azonao atao mba hitovy kokoa amin’ny an’i Jehovah ny toetranao. Ovao koa izay hitanao hoe mila ovana mba hampifaliana an’i Jehovah.

3. Inona no hataon’i Jehovah mba hanampiana anao handroso foana?

Milaza ny Baiboly hoe: ‘Hamita ny fampiofanana anareo Andriamanitra. Hanampy anareo ho mafy orina izy, sady hanatanjaka anareo, ary hataony mifototra tsara ianareo.’ (1 Petera 5:10) Miatrika fakam-panahy daholo isika rehetra. Omen’i Jehovah an’izay ilaintsika anefa isika mba hahavita hanohitra azy ireny. (Salamo 139:23, 24) Mampanantena izy hoe hataony manana faniriana hanompo azy foana ianao, sady homeny hery hanaovana an’izany.​—Vakio ny Filipianina 2:13.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe inona no azonao atao raha te handroso foana ianao, ary inona no fitahiana homen’i Jehovah anao.

4. Miresaha foana amin’ilay Namanao akaiky indrindra ary henoy foana izy

Nanampy anao ho lasa naman’i Jehovah ny fianarana Baiboly sy ny vavaka. Mbola ireo ihany no hanampy anao ho akaiky kokoa azy. Amin’ny fomba ahoana?

Vakio ny Salamo 62:8, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no azonao anatsarana ny vavaka ataonao mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao?

Vakio ny Salamo 1:2, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no azonao anatsarana ny famakianao Baiboly mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao?

Inona no azonao atao mba handray soa kokoa ianao rehefa mianatra samirery? Hijery soso-kevitra vitsivitsy isika. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Iza amin’ireo soso-kevitra tao amin’ilay video no azonao ampiharina?

  • Inona no foto-kevitra mba tianao hianarana?

5. Manàna tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah

Handroso foana ianao raha manana tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no soa azon’i Cameron rehefa nanana tanjona teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy?

Tsy ny olona rehetra no afaka mifindra any an-tany hafa mba hitory ny vaovao tsara. Afaka manana tanjona azo tratrarina daholo anefa isika. Vakio ny Ohabolana 21:5, ary eritrereto hoe inona ny tanjona tianao hotratrarina...

  • ao amin’ny fiangonana.

  • eo amin’ny fitoriana sy fampianarana.

Nahoana ilay toro lalana eo amin’io andininy io no afaka manampy anao hanatratra ny tanjonao?

Tanjona azonao eritreretina

  • Hanatsara ny vavaka ataonao.

  • Hamaky ny Baiboly manontolo.

  • Hahafantatra ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana.

  • Hanomboka sy hitarika fampianarana Baiboly.

  • Hanao mpisava lalana mpanampy na mpisava lalana maharitra.

  • Hiezaka ho lasa mpikarakara fiangonana, raha rahalahy ianao.

6. Ankafizo mandrakizay ny fiainana!

Vakio ny Salamo 22:26, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no azonao atao raha te hankafy fiainana foana ianao dieny izao sy mandrakizay?

FAMINTINANA

Miezaha foana ho akaiky kokoa an’i Jehovah sy hanana tanjona eo amin’ny fanompoana azy. Amin’izay dia hankafy fiainana foana ianao mandrakizay!

Famerenana

  • Nahoana ianao no afaka matoky hoe hanampy anao hanompo azy foana i Jehovah?

  • Inona no azonao atao raha te ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao?

  • Nahoana no manampy anao handroso foana ny hoe manana tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona no zava-dehibe kokoa amin’i Jehovah: Manao zavatra miavaka be indray mandeha ho an’azy isika sa hoe tsy mivadika aminy mandritra ny fiainantsika manontolo?

Tahafo i Abrahama ka Aza Mivadika (9:20)

Na ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika aza mety tsy ho falifaly intsony. Inona no hanampy azy ho faly indray?

Ho Faly Indray Ianao Raha Mianatra sy Misaintsaina (5:25)

Inona no azonao atao raha te hanana tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ianao sady te hanatratra azy ireny?

“Manàna Tanjona mba Hiderana ny Mpamorona” (Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2004)

Nahoana isika no tokony hiezaka ho matotra, ary ahoana no hahavitantsika an’izany?

“Miezaha ho Matotra fa ‘Akaiky ny Andro Lehiben’i Jehovah’” (Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2009)