Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famerenana ny Fizarana 2

Famerenana ny Fizarana 2

Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  1. Hataon’Andriamanitra ahoana ny fivavahan-diso?

    Jereo ny Lesona 13.)

  2. Vakio ny Eksodosy 20:4-6.

    • Inona no tsapan’i Jehovah rehefa misy olona milaza fa manompo azy nefa mampiasa sary na sarivongana?

      Jereo ny Lesona 14.)

  3. Iza i Jesosy?

    Jereo ny Lesona 15.)

  4. Inona avy ny toetran’i Jesosy tena tianao?

    Jereo ny Lesona 17.)

  5. Vakio ny Jaona 13:34, 35 sy ny Asan’ny Apostoly 5:42.

    • Iza no tena Kristianina amin’izao androntsika izao? Nahoana ianao no resy lahatra hoe tena Kristianina izy ireo?

      Jereo ny Lesona 18 sy 19.)

  6. Iza no lohan’ny fiangonana, ary ahoana no fomba itarihany azy io?

    Jereo ny Lesona 20.)

  7. Vakio ny Matio 24:14.

    • Inona no porofo hoe tanteraka amin’izao andro izao io faminaniana io?

    • Iza no efa niresahanao ny vaovao tsara?

      Jereo ny Lesona 21 sy 22.)

  8. Tanjona tena tsara ve ny batisa, araka ny hevitrao? Nahoana?

    Jereo ny Lesona 23.)

  9. Inona no tokony hataonao raha te ho voaro amin’i Satana sy ny demonia ianao?

    Jereo ny Lesona 24.)

  10. Fiainana hoatran’ny ahoana no tian’Andriamanitra ho antsika?

    Jereo ny Lesona 25.)

  11. Fa maninona isika no mijaly sy maty?

    Jereo ny Lesona 26.)

  12. Vakio ny Jaona 3:16.

    • Inona no nataon’i Jehovah mba ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana isika?

      Jereo ny Lesona 27.)

  13. Vakio ny Mpitoriteny 9:5.

    • Manao ahoana ny olona rehefa maty?

    • Hataon’i Jesosy ahoana ireo olona an-tapitrisany efa maty?

      Jereo ny Lesona 29 sy 30.)

  14. Nahoana ny Fanjakan’Andriamanitra no tsara kokoa noho ny fitondram-panjakana hafa rehetra?

    Jereo ny Lesona 31 sy 33.)

  15. Mino ve ianao hoe efa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra? Nahoana? Oviana izy io no nanomboka nitondra?

    Jereo ny Lesona 32.)