Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanamarihana

Fanamarihana
  1.  Iza i Babylona Lehibe?

  2.  Rahoviana no Hiseho ny Mesia?

  3.  Fitsaboana Ampiasana Ra

  4.  Fisintahana

  5.  Fety

  6.  Areti-mifindra

  7.  Raharaha Mifandray Amin’ny Vola sy Raharaha Ara-pitsarana

 1. Iza i Babylona Lehibe?

Ny fivavahan-diso rehetra no tiana holazaina amin’ilay hoe “Babylona Lehibe.” (Apokalypsy 17:5) Ahoana no ahafantarantsika an’izany? Diniho ireto:

  • Manana fahefana maneran-tany izy. Milaza ny Baiboly hoe mipetraka eo amin’ny “vahoaka sy firenena” izy, ary “mifehy an’ireo mpanjakan’ny tany.”​—Apokalypsy 17:15, 18.

  • Tsy fandaminana ara-politika na ara-barotra izy. Rehefa rava izy dia mbola ho eo ny “mpanjakan’ny tany” sy ny “mpivarotra.”​—Apokalypsy 18:9, 15.

  • Manala baraka an’Andriamanitra izy. Antsoina hoe mpivaro-tena izy satria miara-miasa akaiky amin’ny fitondram-panjakana mba hahazoana vola na tombontsoa hafa. (Apokalypsy 17:1, 2) Mamitaka ny olona any amin’ny firenena rehetra izy, ary tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’ny olona be dia be.​—Apokalypsy 18:23, 24.

Hiverina any amin’ny lesona 13: hevitra 6

 2. Rahoviana no Hiseho ny Mesia?

Efa nilaza ny Baiboly hoe hisy 69 herinandro alohan’ny hahatongavan’ny Mesia.​—Vakio ny Daniela 9:25.

  • Oviana no nanomboka ilay 69 herinandro? Tamin’ny taona 455 T.K. Tonga tany Jerosalema i Nehemia Governora, tamin’io fotoana io, mba ‘hamerina amin’ny laoniny sy hanorina indray’ an’ilay tanàna.​—Daniela 9:25; Nehemia 2:1, 5-8.

  • Naharitra firy taona ilay 69 herinandro? Amin’ny faminaniana sasany ao amin’ny Baiboly, dia herintaona no tiana holazaina amin’ny hoe iray andro. (Nomery 14:34; Ezekiela 4:6) Fito taona àry ny herinandro tsirairay, ka ny 69 herinandro dia manome 483 taona (69 x 7).

  • Oviana no nifarana ilay 69 herinandro? Raha manisa 483 taona isika, miainga eo amin’ny taona 455 T.K., dia tonga eo amin’ny taona 29 A.K. a Tamin’io taona io mihitsy i Jesosy no natao batisa ka lasa Mesia.​—Lioka 3:1, 2, 21, 22.

Hiverina any amin’ny lesona 15, hevitra 5

 3. Fitsaboana Ampiasana Ra

Tsy manaiky hampidiran-dra ny Kristianina sady tsy manome ny rany ho an’ny olon-kafa. Ny ran’ilay marary ihany anefa no ampiasaina, amin’ny fitsaboana sasany. Misy amin’ireny fitsaboana ireny tsy mety amin’ny Kristianina, anisan’izany ny hoe manome ny rany mba hotehirizina, dia iny avy eo no ampiasaina amin’ny fandidiana.​—Deoteronomia 15:23.

Mety ho azo ekena ihany anefa ny fitsaboana sasany. Anisan’izany ny fakana ra hanaovana fitiliana, ny dializy, ny teknika fanampohana ra na fampihenana ra very, na ny fampiasana milina solona fo sy havokavoka. Anjaran’ny Kristianina tsirairay ny manapa-kevitra hoe ahoana no hampiasana ny rany mandritra ny fandidiana, fitiliana, na fitsaboana iray. Tsy voatery hitovy tanteraka ny fomba fiasan’ny dokotera amin’ireo zavatra ireo. Mila manadihady tsara àry ny Kristianina iray hoe ahoana no hampiasana ny rany, alohan’ny hanekeny fandidiana, fitiliana, na fitsaboana iray. Eritrereto izao:

  • Ahoana raha misy avily hiala amin’ny vatako ny rako ary mety hijanona tsy hikoriana kely vetivety? Mbola eken’ny saiko ve hoe anisan’ny vatako ilay izy ka tsy voatery hararaka “amin’ny tany”?​—Deoteronomia 12:23, 24.

  • Ahoana raha anesorana ny rako mandritra ny fandidiana, dia asiana fanafody, ary avy eo averina ao amin’ny (na eo amin’ny) vatako? Hanenjika ahy ve ny eritreritro, sa azoko ekena ihany izany?

Hiverina any amin’ny lesona 39, hevitra 3

 4. Fisintahana

Tsy mampirisika ny mpivady hisintaka ny Tenin’Andriamanitra. Raha misy olona misintaka amin’ny vadiny, dia lazain’ny Baiboly mazava tsara hoe tsy afaka manambady olon-kafa na izy na ny vadiny. (1 Korintianina 7:10, 11) Mety hisy Kristianina hanapa-kevitra ny hisintaka anefa noho ny antony sasany.

  • Tsy mety mamelona ny ankohonany ilay lehilahy: Mety ho lasa mahantra be àry izy mianakavy, ka tsy hanana an’izay tena ilaina.​—1 Timoty 5:8.

  • Tena mahery setra ny vadiny: Mety hatahorana hampidi-doza ny fahasalamany na ny ainy izany.​—Galatianina 5:19-21.

  • Misakana azy tsy hifandray amin’i Jehovah mihitsy ny vadiny: Mety hanao zavatra foana ny vadiny mba hisakanana azy tsy hanompo an’i Jehovah.​—Asan’ny Apostoly 5:29.

Hiverina any amin’ny lesona 42, hevitra 3

 5. Fety

Tsy mandray anjara amin’ny fety tsy tian’i Jehovah ny Kristianina. Misy zavatra samihafa mitranga anefa amin’ireny fety ireny. Ahoana no hataon’ny Kristianina amin’izay? Mila ampiasainy ny feon’ny fieritreretany efa nozarina hanaraka ny Baiboly. Ireto misy ohatra vitsivitsy:

  • Misy miarahaba anao tratry ny fety. Afaka misaotra azy fotsiny ianao. Afaka manazava anefa ianao raha manontany ilay olona hoe maninona ianao no tsy manao an’ilay fety.

  • Tsy Vavolombelon’i Jehovah ny vadinao, ary tiany hiara-misakafo amin’ny fianakaviana ianareo amin’ny andro fety. Raha mety amin’ny eritreritrao ilay handeha any, dia azonao hazavaina mialoha aminy hoe tsy handray anjara mihitsy ianao raha misy fombafomban’ny mpanompo sampy amin’ilay fiarahana.

  • Omen’ny mpampiasa vola fanampiny ianao amin’ny fotoanan’ny fety. Tokony handa ve ianao? Tsy voatery. Noho ilay fety ve no anomezany an’ilay izy, sa hoe mba te hankasitraka ny asa tsara nataonao fotsiny izy?

  • Misy manome fanomezana ianao amin’ny fotoanan’ny fety. Mety hiteny ilay olona hoe: “Fantatro hoe tsy manao an’ilay fety ianao, fa mba tiako homena anao fotsiny ity.” Mety hoe tsara fanahy fotsiny izy. Mila dinihinao koa anefa hoe sao dia te hitsapa anao izy na hoe tiany handray anjara amin’ilay fety ianao. Anjaranao avy eo ny manapa-kevitra raha handray an’ilay fanomezana ianao na tsia. Na inona na inona fanapahan-kevitra raisintsika, dia tiantsika raha madio ny eritreritsika sady tsy mivadika amin’i Jehovah isika.​—Asan’ny Apostoly 23:1.

Hiverina any amin’ny lesona 44, hevitra 1

 6. Areti-mifindra

Tiantsika ny olona, ka mitandrina be isika mba tsy hamindra aretina. Na efa tena tratran’ilay aretina isika na mbola vao miahiahy hoe voan’ilay izy, dia mitandrina be foana. Manao an’izany isika satria milaza ny Baiboly hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”​—Romanina 13:8-10.

Ahoana no hampiharana an’izany? Raha voan’ny areti-mifindra ny olona iray, dia miezaka izy mba tsy hifampikasokasoka amin’ny hafa, ohatra hoe mandray tanana, mamihina, na manoroka. Tsy tokony ho tezitra koa izy, raha tsy mampiditra azy ao an-trano ny olona satria te hiaro ny fianakaviany. Raha hatao batisa izy, dia tokony holazainy mialoha amin’ny anti-panahy mpandrindra hoe voan’ny areti-mifindra izy. Ho afaka hanao zavatra ny anti-panahy amin’izay mba hiarovana ny olon-kafa hatao batisa. Raha miahiahy ny olona iray hoe voan’ny areti-mifindra, dia tokony hanao fitiliana izy alohan’ny hiarahany amin’ny olona iray tiany ho lasa vadiny. Raha manao an’ireo izy dia ho hita hoe be fitiavana, satria tsy ‘mitady izay hahasoa ny tenany fotsiny, fa izay hahasoa ny hafa koa.’​—Filipianina 2:4.

Hiverina any amin’ny lesona 56, hevitra 2

 7. Raharaha Mifandray Amin’ny Vola sy Raharaha Ara-pitsarana

Misoroka olana be dia be isika raha soratantsika izay fifanarahana ara-bola ataontsika, na dia Kristianina aza ilay mifampiraharaha amintsika. (Jeremia 32:9-12) Na izany aza, dia mbola mety hisy olana madinidinika ihany eo amin’ny samy Kristianina, amin’ny resaka vola na zavatra hafa. Mila alamina haingana ny olana hoatr’izany, ary izy samy izy ihany no handamina azy. Tokony hitandro fihavanana foana koa ry zareo.

Ahoana anefa raha olana lehibe ilay izy, ohatra hoe fisolokiana na fanendrikendrehana? (Vakio ny Matio 18:15-17.) Ireto dingana telo ireto no asain’i Jesosy atao:

  1. Ianareo ihany aloha no tokony hiezaka hifandamina.​—Jereo ny andininy 15.

  2. Raha mbola tsy milamina ilay izy, dia mitondrà olona matotra iray na roa ao amin’ny fiangonana ary miresaha indray aminy.​—Jereo ny andininy 16.

  3. Raha mbola tsy milamina ihany ilay izy, dia izay ianao vao tokony hanatona ny anti-panahy.​—Jereo ny andininy 17.

Tsy tokony hotorintsika eny amin’ny fitsarana ny rahalahy sy anabavintsika, amin’ny ankapobeny. Mety ho lasa ratsy laza mantsy i Jehovah sy ny fiangonana raha izany. (1 Korintianina 6:1-8) Mila alamina eny amin’ny fitsarana ihany anefa ny raharaha sasany. Anisan’izany ny fisaraham-panambadiana, zo hikarakara zanaka na hahazo vola avy amin’ny vady aorian’ny fisaraham-panambadiana, fangatahana onitra avy amin’ny orinasa fiantohana, fampahafantarana hoe bankirompitra, na fanaovana didim-pananana. Tsy mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly ny ataon’ny Kristianina iray, raha mandamina raharaha hoatr’izany eny amin’ny fitsarana izy sady miezaka hitandro fihavanana foana.

Ahoana raha heloka bevava ilay izy, ohatra hoe fanolanana, fametavetana ankizy, herisetra, halatra lehibe, na famonoana olona? Tsy mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly ny ataon’ny Kristianina iray, raha mampahafantatra an’izany amin’ny manam-pahefana izy.

Hiverina any amin’ny lesona 56, hevitra 3

a Avy eo amin’ny 455 T.K. ka hatramin’ny 1 T.K., misy 454 taona. Avy eo amin’ny 1 T.K. ka hatramin’ny 1 A.K., misy herintaona (tsy misy taona 0). Avy eo amin’ny 1 A.K. ka hatramin’ny 29 A.K., misy 28 taona. Raha ampifanampiana ny 454 sy 1 ary 28, dia manome 483 taona.