Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonona ve Aho?

Vonona ve Aho?

Vonona Hitory Miaraka Amin’ny Fiangonana ve Aho?

Mety ho efa vonona ianao raha...

  • Mianatra Baiboly foana, mazoto mivavaka, ary manatrika fivoriana tsy tapaka.

  • Tia an’izay zavatra ianaranao sady mino an’ilay izy, ary te hiresaka an’ilay izy amin’ny hafa.

  • Tia an’i Jehovah ary minamana amin’ny olona tia azy.

  • Efa niala tamin’ny fikambanana misy ifandraisany amin’ny politika na fivavahan-diso.

  • Manaraka ny fitsipik’i Jehovah ary te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Raha tsapanao hoe vonona hitory miaraka amin’ny fiangonana ianao, dia miresaha amin’ilay mpampianatra Baiboly anao. Hataony avy eo izay hihaonanao amin’ny anti-panahy, amin’izay ianareo afaka miresaka ny fepetra mila fenoinao.

Vonona Hatao Batisa ve Aho?

Mety ho efa vonona ianao raha...

  • Efa mpitory tsy vita batisa.

  • Mazoto mandray anjara amin’ny asa fitoriana.

  • Manohana ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” ary manaraka ny tari-dalany. —Matio 24:45-47.

  • Efa nanokan-tena ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka sady te hanompo azy mandrakizay.

Raha tsapanao hoe vonona hatao batisa ianao, dia miresaha amin’ilay mpampianatra Baiboly anao. Hataony avy eo izay hihaonanao amin’ny anti-panahy, amin’izay ianareo afaka miresaka ny fepetra mila fenoinao.