Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manao Asa Soa

Manao Asa Soa

Inona no mampiseho hoe i Jehovah no tia manome indrindra?

Inona no mety hahatonga ny fanomezana ataontsika tsy ho tian’Andriamanitra?

Mt 6:1, 2; 2Ko 9:7; 1Pe 4:9

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 4:3-7; 1Jn 3:11, 12​—Ny antony nahatonga ny fanomezan’i Kaina tsy hankasitrahan’Andriamanitra

    • As 5:1-11​—Nosazin’Andriamanitra i Ananiasy sy Safira satria nandainga rehefa nanao fanomezana, sady ratsy ny antony nahatonga azy ireo hanao an’ilay izy

Inona no hahatonga ny fanomezana ataontsika ho tian’Andriamanitra?

Mt 6:3, 4; Ro 12:8; 2Ko 9:7; He 13:16

Jereo ny As 20:35

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Lk 21:1-4​—Nidera an’ilay vehivavy mpitondratena i Jesosy, satria izay rehetra nananany no nomeny, na dia tena kely aza ilay izy

Ahoana no nandaminana ny fanomezana tamin’ny taonjato voalohany?

As 11:29, 30; Ro 15:25-27; 1Ko 16:1-3; 2Ko 9:5, 7

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • As 4:34, 35​—Tia nanome ny fiangonana kristianina, ary nozarain’ny apostoly tamin’ireo nila fanampiana izany avy eo

    • 2Ko 8:1, 4, 6, 14​—Nalamina ny fandefasana fanampiana tamin’ireo nila an’izany

Inona ny andraikitra lehibe ananan’ny Kristianina amin’ny fianakaviany sy ny mpiara-manompo?

Inona ny adidintsika amin’ny mahantra araka ny lazain’ny Baiboly?

Ahoana no ahafantarantsika hoe ny manampy ny olona hahafantatra an’Andriamanitra no fomba tsara indrindra hanampiana an-dry zareo?

Mt 5:3, 6; Jn 6:26, 27; 1Ko 9:23

Jereo koa ny Oh 2:1-5; 3:13; Mpto 7:12; Mt 11:4, 5; 24:14

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Lk 10:39-42​—Nampian’i Jesosy i Marta hahatakatra hoe ny zavatra manampy antsika ho akaiky an’Andriamanitra no tokony hatao voalohany