Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra

Torohevitra

Mahazo torohevitra

Nahoana isika no tokony hitady torohevitra ao amin’ny Baiboly?

Fa maninona no tsara kokoa ny mihaino torohevitra toy izay manamarin-tena?

Oh 12:15; 29:1

Jereo koa ny Oh 1:23-31; 15:31

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 15:3, 9-23​—Rehefa nanoro hevitra an’i Saoly Mpanjaka i Samoela mpaminany, dia nanamarin-tena i Saoly fa tsy nanaiky an’ilay torohevitra ka nolavin’i Jehovah

    • 2Ta 25:14-16, 27​—Nanota i Amazia Mpanjaka dia tsy nanaiky ny torohevitra nomen’ny mpaminanin’i Jehovah, dia tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony sady tsy narovany

Nahoana isika tokony hanaja ny mpiandraikitra, anisan’izany ny anti-panahy, izay manome torohevitra antsika?

1Te 5:12; 1Ti 5:17; He 13:7, 17

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 3Jn 9, 10​—Tsy faly tamin’i Diotrefa ny apostoly Jaona izay efa zokiolona tamin’izay, satria tsy nanaja an’ireo rahalahy nitarika teo anivon’ny fiangonana izy

Nahoana isika no tokony hihaino an’ireo be taona?

Le 19:32; Oh 16:31

Jereo koa ny Jb 12:12; 32:7; Tit 2:3-5

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 23:16-18​—Nihaino ny torohevitr’i Jonatana, zokiny 30 taona teo ho eo, i Davida Mpanjaka, ka nampahery azy izany

    • 1Mp 12:1-17​—Tsy nanaiky ny torohevitra tsara nomen’ny zokiolona i Rehoboama Mpanjaka. Naleony nihaino ny tovolahy izay nampirisika azy hanao teny henjana, dia loza no vokany

Ahoana no ahitana hoe afaka manome torohevitra mahasoa koa ny vehivavy sy ny tanora manompo an’i Jehovah?

Jb 32:6, 9, 10; Oh 31:1, 10, 26; Mpto 4:13

Jereo koa ny Sl 119:100

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 25:14-35​—Nanoro hevitra an’i Davida Mpanjaka i Abigaila, ka izany no nisakana an’i Davida tsy hamono olona maro tsy nanan-tsiny

    • 2Sa 20:15-22​—Nisy vehivavy hendry nahavonjy ny olona rehetra tao amin’ny tanànan’i Abela, noho ny torohevitra nomeny

    • 2Mp 5:1-14​—Boka ny miaramila matanjaka iray, dia nomen’ny ankizivavikely israelita iray soso-kevitra hoe inona no tokony hataony mba ho sitrana amin’ny habokany

Fa maninona isika no tsy tokony hihaino ny torohevitra omen’ny olona tsy manaja an’i Jehovah na ny Teniny?

Sl 1:1; Oh 4:14

Jereo koa ny Lk 6:39

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Ta 10:13, 14​—Naleon’i Saoly Mpanjaka nanontany mpamoha angatra toy izay nanontany an’i Jehovah, ka maty izy satria nivadika tamin’i Jehovah

    • 2Ta 22:2-5, 9​—Naleon’i Ahazia Mpanjaka nihaino mpanoro hevitra nampirisika azy hanao ratsy, dia izany no nahafaty azy

    • Jb 21:7, 14-16​—Tsy nanaiky hitovy fisainana tamin’ny olona tsy nanaja an’i Jehovah i Joba

Manome torohevitra

Fa maninona no tsara aloha ny mihaino, mamantatra ny zava-misy rehetra, ary tsy mihaino feon-dakolosy tokana, alohan’ny hanomezana torohevitra?

Oh 18:13, 17

Jereo koa ny Oh 25:8

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 1:9-16​—Niteniteny be an’i Hana i Ely Mpisoronabe nefa tsy fantany akory ny zava-misy rehetra, satria nolazainy fa mamo io vehivavy tsy nivadika io

    • Mt 16:21-23​—Tsy nahafantatra ny zava-misy rehetra ny apostoly Petera ka niteny mafy an’i Jesosy, dia nanoro hevitra azy hanao zavatra mifanaraka amin’izay tian’i Satana fa tsy izay tian’i Jehovah

Maninona no tsara raha mivavaka dia mangataka ny tari-dalan’i Jehovah, alohan’ny hanomezana torohevitra?

Sl 32:8; 73:23, 24; Oh 3:5, 6

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ek 3:13-18​—Nanontany an’i Jehovah i Mosesy mpaminany hoe ahoana no havaliny raha manontany azy ny Israelita

    • 1Mp 3:5-12​—Nangataka fahendrena tamin’i Jehovah i Solomona mpanjaka tanora fa tsy niantehitra tamin’ny fahaizany, ka notahin’i Jehovah izy

Nahoana no tokony hataontsika azo antoka hoe avy ao amin’ny Baiboly foana ny torohevitra omentsika?

Sl 119:24, 105; Oh 19:21; 2Ti 3:16, 17

Jereo koa ny De 17:18-20

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 4:1-11​—Rehefa namaly an’i Satana i Jesosy tamin’i Satana naka fanahy azy, dia avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny valin-teniny fa tsy izay saim-pantany fotsiny

    • Jn 12:49, 50​—Nohazavain’i Jesosy hoe izay nampianarin’ny Rainy azy no nampianariny ny olona, ka modely ho antsika izy amin’izany

Nahoana isika no tokony hiezaka ny halemy fanahy sy hanao teny fiderana mihitsy aza, rehefa manome torohevitra?

Ga 6:1; Kl 3:12

Jereo koa ny Is 9:6; 42:1-3; Mt 11:28, 29

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Ta 19:2, 3​—Naniraka mpaminany hanitsy an’i Josafata Mpanjaka i Jehovah, nefa nidera azy koa noho ny zavatra tsara nataony

    • Ap 2:1-4, 8, 9, 12-14, 18-20​—Rehefa hanome torohevitra fiangonana maromaro i Jesosy, dia nidera an-dry zareo aloha

Mety hisy Kristianina hitaraina amintsika hoe nanambaka azy na nanendrikendrika azy ny Kristianina iray hafa. Nahoana isika no tokony hampirisika azy hiresaka mitokana amin’ilay Kristianina nanao zavatra nampalahelo azy?

Inona no holazaintsika amin’ny Kristianina iray malahelo noho izay natao taminy, mba hampirisihana azy hamindra fo sy hanam-paharetana ary hamela heloka?

Mt 18:21, 22; Mr 11:25; Lk 6:36; Ef 4:32; Kl 3:13

Jereo koa ny Mt 6:14; 1Ko 6:1-8; 1Pe 3:8, 9

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 18:23-35​—Nilaza fanoharana mampisaintsaina i Jesosy mba hanazavana hoe nahoana no tena zava-dehibe ny mamela heloka

Fa maninona isika no tokony ho hentitra ka tsy hampandefitra ny fitsipik’i Jehovah rehefa manome torohevitra?

Sl 141:5; Oh 17:10; 2Ko 7:8-11

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 15:23-29​—Tsy natahotra ny hananatra an’i Saoly Mpanjaka i Samoela mpaminany

    • 1Mp 22:19-28​—Tsy nanaiky hanova ny hafatra tokony hampitainy tamin’i Ahaba Mpanjaka i Mikaia mpaminany, na dia norahonana sy nampijalina aza

Tsy tokony hanimba ny fifandraisan’ilay olona amin’i Jehovah ny torohevitra omentsika azy. Ahoana no hanaovana an’izany?

He 12:11-13

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Lk 22:31-34​—Natoky i Jesosy hoe na dia nanao fahadisoana lehibe aza ny apostoly Petera, dia mbola ho afaka hampahery ny hafa izy

    • Flm 21​—Nanome torohevitra mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah ho an’i Filemona ny apostoly Paoly, dia natoky izy hoe hanaiky an’ilay izy i Filemona

Tokony ho tsara fanahy isika rehefa manome torohevitra olona kivy. Ahoana no hanaovana an’izany?

Ahoana no ampisehoantsika amin’ny olona iray nanao fahadisoana hoe tiantsika ny hanampy azy hifandray tsara amin’i Jehovah indray?

Tokony hohajaintsika izay omentsika torohevitra, na lahy na vavy, ary na firy taona izy na firy taona. Ahoana no hanaovantsika an’izany?

Raha imbetsaka ny olona iray no tsy manaiky torohevitra, dia nahoana no tokony ho hentitra kokoa aminy ny anti-panahy?