Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Diso Fanantenana

Diso Fanantenana

Diso fanantenana ianao satria tsy nitana ny teny nataony taminao ilay olona, nandratra ny fonao, na namadika anao mihitsy aza

Sl 55:12-14; Lk 22:21, 48

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 8:1-6​—Nalahelo be i Samoela mpaminany sady diso fanantenana rehefa tsy nanaiky mihitsy ny Israelita raha tsy nahazo mpanjaka

    • 1Sa 20:30-34​—Narary ny fon’i Jonatana sady nahatsiaro ho afa-baraka izy rehefa tezitra be taminy ny rainy, dia i Saoly Mpanjaka

  • Andinin-teny mampahery:

  • Tantara mampahery ao amin’ny Baiboly:

    • Sl 55:12-14, 16-18, 22​—Natoky an’i Jehovah i Davida Mpanjaka dia nahazo fampiononana, rehefa namadika azy i Ahitofela namany akaiky

    • 2Ti 4:16-18​—Nandao ny apostoly Paoly ny namany tamin’izy niatrika zava-tsarotra, nefa nankahery azy i Jehovah sy ny fampanantenany

Diso fanantenana satria manana toetra ratsy sady nanao fahadisoana

Jb 14:4; Ro 3:23; 5:12

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Sl 51:1-5​—Nalahelo be i Davida Mpanjaka fa nanota tamin’i Jehovah

    • Ro 7:19-24​—Kivy be ny apostoly Paoly satria nila niady foana mba tsy hanao ratsy

  • Andinin-teny mampahery:

  • Tantara mampahery ao amin’ny Baiboly:

    • 1Mp 9:2-5​—Marina hoe nanao fahotana lehibe i Davida Mpanjaka, nefa ilay izy tsy nivadika no ahatsiarovan’i Jehovah azy

    • 1Ti 1:12-16​—Nanao fahotana lehibe ny apostoly Paoly taloha, nefa natoky izy hoe hamindra fo aminy Andriamanitra