Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampaherezana

Fampaherezana

Nahoana ny mpanompon’Andriamanitra no tokony hifampahery?

Is 35:3, 4; Kl 3:16; 1Te 5:11; He 3:13

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Ta 32:2-8​—Nampahery ny vahoaka i Hezekia Mpanjaka, rehefa nisy nanafika ry zareo

    • Da 10:2, 8-11, 18, 19​—Nisy anjely nampahery an’i Daniela mpaminany be taona tamin’izy tsy nisy hery intsony

Nahoana no tian’i Jehovah hampahery ny hafa ny anti-panahy?

Is 32:1, 2; 1Pe 5:1-3

Jereo koa ny Mt 11:28-30

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • De 3:28; 31:7, 8​—Nasain’i Jehovah hampahery sy hanatanjaka an’i Josoa i Mosesy mpaminany, satria ho lasa mpitarika ny vahoakan’Israely i Josoa

    • As 11:22-26; 14:22​—Nampahery ny Kristianina tany Antiokia ny apostoly Paoly sy Barnabasy, rehefa nisy fanenjehana

Nahoana no ilaintsika ny midera ny hafa raha tiantsika ny hampahery azy?

Oh 31:28, 29; 1Ko 11:2

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mpts 11:37-40​—Nitsidika an’ilay zanakavavin’i Jefta isan-taona ny tovovavy teo amin’ny Israely mba hidera azy noho izy nahafoy tena

    • Ap 2:1-4​—Na dia nila nanitsy an’ireo Kristianina tany Efesosy aza i Jesosy, dia nidera an-dry zareo ihany izy noho ny zavatra tsara nataon-dry zareo

Ahoana no fomba ampaherezantsika ny mpiara-manompo?

Oh 15:23; Ef 4:29; Fi 1:13, 14; Kl 4:6; 1Te 5:14

Jereo koa ny 2Ko 7:13, 15, 16

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 23:16-18​—Mpinamana be i Jonatana sy Davida, na dia zandriny be aza i Davida. Nitady an’i Davida i Jonatana mba hampahery azy, rehefa fantany hoe niatrika zava-tsarotra i Davida

    • Jn 16:33​—Nampahery ny mpianany i Jesosy rehefa nampahatsiahy azy ireo hoe ho afaka handresy hoatr’azy koa

    • As 28:14-16​—Tamin’ny apostoly Paoly handeha hotsaraina tany Roma, dia nahazo hery izy raha vao nahita an’ireo rahalahy tonga avy lavitra mba hampahery azy

Nahoana no tsy tokony ho be menomenona sy tsy manaja isika?

Fi 2:14-16; Jd 16-19

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • No 11:10-15​—Kivy be i Mosesy mpaminany rehefa be menomenona sy tsy nankatò ny vahoakan’Israely

    • No 13:31, 32; 14:2-6​—Nahakivy ny vahoaka ny tenin’ireo mpitsikilo folo lahy, ka nahatonga an-dry zareo hikomy

Nahoana no mampahery antsika ny mifanerasera amin’ny mpiara-manompo?

Oh 27:17; Ro 1:11, 12; He 10:24, 25; 12:12

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Ta 20:1-19​—Novorin’i Josafata Mpanjaka ny vahoaka mba hivavaka tamin’i Jehovah, rehefa nisy tafika lehibe tonga hiady tamin-dry zareo

    • As 12:1-5, 12-17​—Nivory mba hivavaka ny fiangonana tao Jerosalema, rehefa avy novonoina ho faty ny apostoly Jakoba ary nogadraina ny apostoly Petera

Nahoana no manampy antsika hiaritra fa tsy ho kivy ny misaintsaina ny fanantenantsika, rehefa miatrika zava-tsarotra?

As 5:40, 41; Ro 8:35-39; 1Ko 4:11-13; 2Ko 4:16-18; 1Pe 1:6, 7

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 39:19-23; 40:1-8​—Tsy nivadika mihitsy i Josefa ary vonona hanampy ny hafa foana, na dia nendrikendrehina sy nogadraina tsy ara-drariny aza

    • 2Mp 6:15-17​—Tsy natahotra i Elisa mpaminany rehefa nisy tafika lehibe tonga hisambotra azy, ary nivavaka izy mba tsy hatahotra koa ilay mpanompony

Afaka mampahery antsika ny Baiboly

Inona no toky omen’i Jehovah antsika?

Nahoana no mampahery antsika ny misaintsaina hoe manam-paharetana sy mamindra fo i Jehovah?

Ahoana no anampian’i Jehovah an’izay kely hery?

Sl 46:1; Is 12:2; 40:29-31; Fi 4:13

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 1:10, 11, 17, 18​—Nihaino ny vavaka nataon’i Hana i Jehovah dia nanampy azy ho tony, tamin’izy nalahelo sy niady saina

    • 1Mp 19:1-19​—Nanome sakafo sy rano an’i Elia mpaminany i Jehovah rehefa kivy izy. Nampahery sy nampionona azy koa i Jehovah rehefa nampanantena azy hoe mbola hiova ny toe-javatra

Nahoana no mahatonga antsika ho be herim-po ny fampanantenana ao amin’ny Baiboly?

2Ta 15:7; Sl 27:13, 14; He 6:17-19; 12:2

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Jb 14:1, 2, 7-9, 13-15​—Na dia kivy be aza i Joba, dia nampionona azy ny nahafantatra hoe mbola hatsangan’i Jehovah amin’ny maty izy

    • Da 12:13​—Nampahery an’i Daniela mpaminany, izay efa ho 100 taona tamin’izay, ny nilazan’ny anjely iray taminy fa hahazo valisoa izy amin’ny hoavy

Nahoana no mampahery antsika ny mivavaka amin’i Jehovah sy ny misaintsaina momba azy?

Sl 18:6; 56:4, 11; He 13:6

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 30:1-9​—Nivavaka tamin’i Jehovah i Davida Mpanjaka tamin’izy niatrika olana lehibe, ka nahazo hery

    • Lk 22:39-43​—Nitalaho mafy tamin’i Jehovah i Jesosy tamin’izy efa hiatrika an’ilay fitsapana mafy indrindra taminy, dia nandefa anjely iray hampahery azy i Jehovah

Nahoana no mampahery antsika ny maheno tatitra tsara sy ny mizara an’ilay izy amin’ny hafa?

Oh 15:30; 25:25; Is 52:7

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • As 15:2-4​—Nampahery be an’ireo fiangonana notsidihiny ny apostoly Paoly sy Barnabasy

    • 3Jn 1-4​—Nampahery be an’ny apostoly Jaona efa be taona ny naheno hoe tsy nivadika ireo olona nampianariny ny fahamarinana