Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiaretana

Fiaretana

Mila miaritra ve ny mpanompon’i Jehovah?

Nahoana no efa ampoizintsika hoe hisy olona tsy hiraika na hanohitra mihitsy aza rehefa mitory amin-dry zareo isika?

Mt 10:22; Jn 15:18, 19; 2Ko 6:4, 5

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Pe 2:5; Ge 7:23; Mt 24:37-39​—“Mpitory ny fahamarinana” i Noa. Tsy nihaino azy anefa ny olona, dia izy sy ny fianakaviany ihany no tafavoaka velona tamin’ilay Safodrano

    • 2Ti 3:10-14​—Nilaza tamin’i Timoty ny apostoly Paoly hoe efa niaritra zavatra be dia be nandritra ny fotoana elaela izy, ary nampirisika an’i Timoty mba hiaritra koa

Nahoana no efa ampoizintsika hoe mety hisakana antsika tsy hanompo an’i Jehovah ny fianakaviantsika?

Mt 10:22, 36-38; Lk 21:16-19

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 4:3-11; 1Jn 3:11, 12​—Ratsy fanahy i Kaina dia novonoiny i Abela rahalahiny, izay nanam-pinoana

    • Ge 37:5-8, 18-28​—Natsipin’ny rahalahiny tao anaty lavaka i Josefa dia avy eo namidiny ho andevo, satria notantarain’i Josefa tamin-dry zareo ny nofiny avy tamin’i Jehovah

Nahoana isika no tsy tokony hatahotra ny ho faty rehefa enjehina?

Mt 10:28; 2Ti 4:6, 7

Jereo koa ny Ap 2:10

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Da 3:1-6, 13-18​—Tsy nety niankohoka teo anoloan’ny sampy i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, na dia norahonan’ny mpanjaka hoe hovonoina ho faty aza

    • As 5:27-29, 33, 40-42​—Nitory foana ny apostoly, na dia norahonan’ny olona sasany aza hoe hovonoina ho faty raha mbola nitory

Inona no hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah na dia rehefa mahazo famaizana aza?

Oh 3:11, 12; He 12:5-7

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • No 20:9-12; De 3:23-28; 31:7, 8​—Diso fanantenana i Mosesy mpaminany rehefa nahazo famaizana tamin’i Jehovah. Tsy nivadika hatramin’ny farany anefa izy

    • 2Mp 20:12-18; 2Ta 32:24-26​—Nanota i Hezekia Mpanjaka dia nahitsin’ny mpaminanin’i Jehovah. Nanetry tena anefa izy dia tsy nivadika mihitsy

Nahoana no mety ho sarotra amintsika ny miaritra rehefa misy olona tsy manompo an’i Jehovah intsony?

Je 1:16-19; Ha 1:2-4

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Sl 73:2-24​—Nanjary nisalasala ilay mpanao salamo raha tena mahasoa azy ny manompo an’i Jehovah, rehefa hitany hoe nilamina be ny fiainan’ny ratsy fanahy

    • Jn 6:60-62, 66-68​—Be dia be ny olona tsy nanaraka an’i Jesosy intsony, nefa nanam-pinoana ny apostoly Petera dia tapa-kevitra ny hanaraka an’i Jesosy foana

Inona no hanampy antsika hiaritra?

Mifikitra amin’i Jehovah

Mamaky Baiboly sy misaintsaina an’izay vakintsika

Mivavaka amin’i Jehovah matetika, ary mamboraka aminy izay ao am-po

Ro 12:12; Kl 4:2; 1Pe 4:7

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Da 6:4-11​—Nivavaka foana i Daniela mpaminany, na dia nety hahatandindomin-doza ny ainy aza izany

    • Mt 26:36-46; He 5:7​—Nivavaka mafy i Jesosy sady nampirisika ny hafa hanao hoatr’izany koa, ny alina farany talohan’ny hahafatesany

Miaraka tsy tapaka amin’ny rahalahy sy anabavy mba hanompo an’i Jehovah

Mampifantoka ny saina amin’ny valisoa ampanantenain’i Jehovah

Mampitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo ary ny fahamarinana

Manatanjaka ny finoantsika

Mitadidy hoe faly i Jehovah rehefa mankatò isika

Inona avy ny soa ho azontsika rehefa miaritra sy tsy mivadika isika?

Manome voninahitra an’i Jehovah

Oh 27:11; Jn 15:7, 8; 1Pe 1:6, 7

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Jb 1:6-12; 2:3-5​—Nilaza i Satana hoe arovan’i Jehovah ny olona matoa manompo Azy. Tsy maintsy niaritra i Joba mba hanaporofoana hoe mandainga i Satana

    • Ro 5:19; 1Pe 1:20, 21​—Tsy nivadika mandra-pahafatiny i Jesosy fa tsy hoatran’i Adama, dia afaka namaly an’izao fanontaniana lehibe izao: Vitan’ny olona lavorary ve ny tsy hivadika mihitsy na dia ampijalina faran’izay mafy aza?

Mandrisika ny hafa mba hiaritra

Manampy antsika hahomby amin’ny fanompoana

Lasa ankasitrahan’i Jehovah dia homeny valisoa