Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianakaviana

Fianakaviana

I Jehovah no namorona ny fianakaviana

Ray aman-dreny

Jereo ilay hoe “Ray Aman-dreny

Ray

Jereo ilay hoe “Ray

Reny

Jereo ilay hoe “Reny

Lehilahy sy vehivavy manambady

Jereo ilay hoe “Fanambadiana

Zanakalahy sy zanakavavy

Inona no tian’i Jehovah hataon’ny zanaka?

Nahoana ny zanaka no tokony hankatò ray aman-dreny?

Ef 6:1-3; Kl 3:20

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Sl 78:1-8​—Notantarain’ny Israelita tamin’ny zanany ny zavatra nataon’ny razambeny, dia amin’izay ireo zanany ireo hatoky an’Andriamanitra sady tsy hikomy

    • Lk 2:51, 52​—Lavorary i Jesosy nefa nankatò foana ny ray aman-dreniny tsy lavorary izy tamin’izy mbola tanora

Maninona no mety ho sarotra amin’ny ankizy ny manaja ny ray aman-dreniny?

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny ankizy tsy mankatò ray aman-dreny?

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • De 21:18-21​—Araka ny Lalàn’i Mosesy, dia novonoina ho faty izay zanaka lasa mafy loha sy mpikomy ary mamo lava, nefa tsy laitra tenenina

    • 2Mp 2:23, 24​—Nisy ankizilahy maromaro nanesoeso sy naniratsira an’i Elisa mpaminany izay solontenan’Andriamanitra, dia noviravirain’ny orsa anankiroa

Ahoana no tokony hiheveran’ny ray aman-dreny ny fitaizan-janaka?

Sl 127:3; 128:3

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Le 26:9​—Noheverin’ny Israelita hoe fitahiana avy amin’i Jehovah ny hoe nanan-janaka

    • Jb 42:12, 13​—Notahin’i Jehovah i Joba fa tsy nivadika mihitsy, dia nomeny zanaka folo hafa indray izy mivady

Ahoana no tian’i Jehovah hifampitondran’ny mpiray tam-po?

Sl 34:14; Oh 15:23; 19:11

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 27:41; 33:1-11​—Niezaka be i Jakoba mba hanome voninahitra an’i Esao rahalahiny sy hihavana taminy, dia lasa nifandray tsara taminy i Esao

Inona ny andraikitry ny zanaka efa lehibe amin’ny ray aman-dreniny ary ny dadabeny sy bebeny?

Oh 23:22; 1Ti 5:4

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 11:31, 32​—Rehefa niala tany Ora i Abrahama, dia nentiny niaraka taminy i Tera dadany, ary nokarakarainy mandra-pahafatiny

    • Mt 15:3-6​—Nohazavain’i Jesosy avy tao amin’ny Lalàn’i Mosesy hoe tokony hanome an’izay ilain’ny ray aman-dreniny ny zanaka efa lehibe

Rafozana

Jereo ilay hoe “Rafozana

Dadabe sy Bebe

Jereo ilay hoe “Raibe sy Renibe