Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamela Heloka

Mamela Heloka

Tena vonona hamela heloka ve i Jehovah?

Sl 86:5; Da 9:9; Mi 7:18

Jereo koa ny 2Pe 3:9

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Sl 78:40, 41; 106:36-46​—Imbetsaka ny Israelita no nanao izay nampalahelo an’i Jehovah, nefa namela ny helony foana i Jehovah

    • Lk 15:11-32​—Nasehon’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray hoe vonona hamela heloka i Jehovah, hoatran’ilay raim-pianakaviana namela ny heloky ny zanany izay nanao fahadisoana lehibe nefa avy eo nibebaka

Inona no nataon’i Jehovah mba hahazoantsika famelan-keloka?

Jn 1:29; Ef 1:7; 1Jn 2:1, 2

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • He 9:22-28​—Nohazavain’ny apostoly Paoly hoe ny ran’i Kristy ihany no ahazoantsika famelan-keloka

    • Ap 7:9, 10, 14, 15​—Noresahin’ny apostoly Jaona hoe mamela ny heloky ny “vahoaka be” Andriamanitra noho ny ra nalatsak’i Kristy

Raha tiantsika hamela ny helotsika i Jehovah, inona no tsy maintsy ataontsika rehefa misy manota amintsika?

Mt 6:14, 15; Mr 11:25; Lk 17:3, 4; Jk 2:13

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Jb 42:7-10​—Nasain’i Jehovah nivavaka ho an’izy telo lahy nanaratsiratsy azy aloha i Joba, izay i Jehovah vao nanasitrana sy nitahy azy

    • Mt 18:21-35​—Nilaza fanoharana iray i Jesosy mba hampisehoana fa tena ilaina ny mamela ny heloky ny hafa raha tiantsika ho voavela ny helotsika

Nahoana no ilaina ny miaiky heloka sy mibebaka?

As 3:19; 26:20; 1Jn 1:8-10

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Sl 32:1-5; 51:1, 2, 16, 17​—Torotoro fo sy kivy i Davida Mpanjaka satria nanao fahotana lehibe. Nibebaka tamin’ny fony manontolo anefa izy

    • Jk 5:14-16​—Nilaza i Jakoba hoe tokony hanatona anti-panahy isika raha nanao fahotana lehibe

Inona avy ny fiovana tsy maintsy ataontsika raha tiantsika havelan’i Jehovah ny helotsika?

Oh 28:13; Is 55:7; Ef 4:28

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Mp 21:27-29; 2Ta 18:18-22, 33, 34; 19:1, 2​—Rehefa nomelohina i Ahaba Mpanjaka dia nanetry tena. Tsy nibebaka tamin’ny fony manontolo anefa izy ka tsy navelan’i Jehovah ny helony, ary novonoina ho faty izy tatỳ aoriana

    • 2Ta 33:1-16​—Nanao zavatra tena ratsy be dia be i Manase Mpanjaka. Namela ny helony anefa i Jehovah rehefa tena nibebaka izy. Tena niova izy satria niezaka nanafoana ny fanompoan-tsampy sy nanampy ny vahoaka hanompo an’i Jehovah indray

Ahoana no ahitana hoe tena vonona hamela ny helok’izay mibebaka amin’ny fo manontolo i Jehovah?

Sl 103:10-14; Is 1:18; 38:17; Je 31:34; Mi 7:19

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Sa 12:13; 24:1; 1Mp 9:4, 5​—Nanao fahotana lehibe i Davida Mpanjaka, nefa namela ny helony i Jehovah satria nibebaka izy. Lehilahy tsy nivadika no fahitan’i Jehovah azy tatỳ aoriana

Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe vonona hamela heloka hoatran’i Jehovah koa izy?

Sl 86:5; Lk 23:33, 34

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 26:36, 40, 41​—Resin-tory ny mpianatr’i Jesosy tamin’i Jesosy tena nila an-dry zareo. Tsara fanahy anefa izy dia niaiky hoe reraka be ry zareo

    • Mt 26:69-75; Lk 24:33, 34; As 2:37-41​—Nanda an’i Jesosy intelo i Petera, nefa nibebaka izy dia namela ny helony i Kristy. Niseho tamin’i Petera koa i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ary nanankinan’i Jesosy andraikitra lehibe teo anivon’ny fiangonana izy

Ahoana no ahafantarantsika hoe tsy mamela ny heloky ny olona rehetra i Jehovah?

Mt 12:31; He 10:26, 27; 1Jn 5:16, 17

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 23:29-33​—Nampitandrina ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo i Jesosy hoe raha tsy miova ry zareo dia homelohina ho any amin’ny Gehena, izany hoe haringana mandrakizay

    • Jn 17:12; Mr 14:21​—Nantsoin’i Jesosy hoe “ilay zanaky ny fandringanana” i Jodasy Iskariota, ary nolazainy hoe tsara kokoa ho an’io mpamadika io raha tsy teraka akory

Inona no hanampy ny Kristianina mba ho vonona hamela heloka?