Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa Misy Maty

Rehefa Misy Maty

Inona ny ohatra ao amin’ny Baiboly mampiseho hoe ara-dalàna raha malahelo isika rehefa misy maty?

Inona no mampiseho hoe te hampionona an’ireo nidonam-pahoriana i Jehovah?

Nahoana no mampionona antsika ny mahafantatra ny marina momba ny hoe manao ahoana ny olona rehefa maty?

Mpto 9:5, 10; 1Te 4:13

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Lk 20:37, 38​—Nilaza i Jesosy fa tena azo antoka hoe hatsangana ny maty, ka hoatran’ny hoe mbola velona ry zareo amin’i Jehovah

    • Jn 11:5, 6, 11-14​—Rehefa maty i Lazarosy namany, dia nilaza i Jesosy fa hoatran’ny hoe matory ny olona maty

    • He 2:14, 15​—Nohazavain’ny apostoly Paoly fa tsy tokony hatahotra ny ho faty isika

Nahoana ny olona iray no sarobidy kokoa amin’i Jehovah amin’ny fotoana ahafatesany noho ny tamin’ny fotoana nahaterahany?

Ahoana no ilazan’ny Baiboly ny fahafatesana, ary hataon’Andriamanitra ahoana izy io?

Nahoana isika no matoky hoe hatsangana ny maty?

Is 26:19; Jn 5:28, 29; As 24:15

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Tantarain’ny Baiboly hoe nisy olona sivy natsangana tamin’ny maty, ka ny valo tamin’izy ireo natsangana mba hiaina teto an-tany. Manome fampiononana sy fanantenana ho an’izay nidonam-pahoriana ny fitantarana tsirairay momba an’ireo natsangana tamin’ny maty ireo

      • 1Mp 17:17-24​—Natsangan’i Elia mpaminany ny zanakalahin’ny mpitondratena iray tao Zarefata, tanàna tany Sidona

      • 2Mp 4:32-37​—Nanangana ankizilahy iray avy ao amin’ny tanànan’i Sonema i Elisa mpaminany, dia nomeny ny ray aman-dreniny ilay zaza avy eo

      • 2Mp 13:20, 21​—Raha vao nikasika ny taolan’i Elisa ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray maty vao haingana, dia nitsangana ilay lehilahy

      • Lk 7:11-15​—Rehefa nankany amin’ny tanànan’i Naina i Jesosy, dia nosakanany ny olona handeha handevina ny zanakalahin’ny mpitondratena iray, ary natsangany ilay tovolahy

      • Lk 8:41, 42, 49-56​—Natsangan’i Jesosy ny zanakavavin’i Jairo, mpitantana ny synagoga

      • Jn 11:38-44​—Natsangan’i Jesosy i Lazarosy namany, ka tafaraka tamin’i Marta sy Maria anabaviny indray

      • As 9:36-42​—Natsangan’ny apostoly Petera i Dorkasy, vehivavy kristianina nalaza hoe tia nanampy olona sy tsara fanahy

      • As 20:7-12​—Natsangan’ny apostoly Paoly ilay tovolahy atao hoe Eotyka, izay nianjera avy teny am-baravarankely

    • Natsangana ho fanahy i Jesosy Kristy, ary tsy mety maty intsony. Izany no antoka fa ho tanteraka daholo ny fampanantenan’Andriamanitra

    • I Jesosy no voalohany natsangan’i Jehovah mba ho lasa fanahy any an-danitra sy tsy mety maty intsony, nefa tsy izy no farany satria hatsangana hoatr’azy koa ny Kristianina voahosotra 144000

Ahoana no azontsika anampiana an’ireo malahelo fa maty ny olona iray akaikin’ny fony?