Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fo

Fo

Ahoana no ahafantarantsika fa matetika no misy heviny an’ohatra ny hoe “fo” ao amin’ny Baiboly ka midika hoe ny maha izy ny olona iray, anisan’izany ny eritreriny, ny zavatra kasainy hatao, ny toetrany, ary ny fihetseham-pony?

Sl 49:3; Oh 16:9; Lk 5:22; As 2:26

Jereo koa ny De 15:7; Sl 19:8

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Lk 9:46-48​—Nahitsin’i Jesosy ny apostoliny satria fantany fa naniry ny ho lasa ambony ry zareo tao am-pony tao

Nahoana no zava-dehibe ny miaro ny fo?

1Ta 28:9; Oh 4:23; Je 17:9

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 6:5-7​—Lasa feno herisetra ny tany satria ratsy ny tao am-pon’ny olona, ka nahatonga an’Andriamanitra hampisy ny Safodrano eran-tany

    • 1Mp 11:1-10​—Tsy niaro ny fony i Solomona Mpanjaka, ka nanambady vehivavy hafa firenena be dia be izay nitarika ny fony hiala tamin’i Jehovah

    • Mr 7:18-23​—Nohazavain’i Jesosy hoe avy ao am-po ny fanirian-dratsy rehetra ka mahatonga ny olona hanao zavatra tsy tian’Andriamanitra

Ahoana no iarovantsika ny fontsika?

Sl 19:14; Oh 3:3-6; Lk 21:34; Fi 4:8

Jereo koa ny Ezr 7:8-10; Sl 119:11

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ef 6:14-18; 1Te 5:8​—Rehefa niresaka momba an’ilay fiadiana omen’Andriamanitra ny apostoly Paoly, dia nohazavainy hoe afaka miaro ny fontsika ny fanaovana ny marina sy ny finoana ary ny fitiavana, hoatran’ny fiarovan-tratra miaro ny fo ara-bakiteny

Ahoana no ahafantarantsika hoe misy olana ny fontsika an’ohatra?

Oh 21:2-4; He 3:12

Jereo koa ny Oh 6:12-14

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Ta 25:1, 2, 17-27​—Nanao izay tsara teo imason’i Jehovah i Amazia Mpanjaka, saingy tsy tamin’ny fony manontolo. Lasa nirehareha sy nivadika izy tatỳ aoriana, ka nizaka ny vokany

    • Mt 7:17-20​—Nohazavain’i Jesosy hoe raha ratsy ny fontsika dia hanao zavatra ratsy isika, hoatran’ny hazo ratsy mamoa voa ratsy

Nahoana isika no tokony hiezaka hanana fo tsara, ary ahoana no hanaovana an’izany?

Oh 10:8; 15:28; Lk 6:45

Jereo koa ny Sl 119:97, 104; Ro 12:9-16; 1Ti 1:5

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Mp 20:1-6​—Rehefa narary efa ho faty i Hezekia Mpanjaka, dia nitalaho tamin’i Jehovah mba hamindra fo aminy satria izy nanompo azy tamin’ny fony manontolo

    • Mt 21:28-32​—Nilaza fanoharana i Jesosy mba hampisehoana hoe izay ataon’ny olona iray fa tsy izay ampanantenainy hoe hataony no mampiharihary ny tena ao am-pony

Nahoana no mampahery ny mahafantatra hoe mandinika ny fontsika i Jehovah?

1Ta 28:9; Je 17:10

Jereo koa ny 1Sa 2:3

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 16:1-13​—Lasa fantatr’i Samoela mpaminany hoe tsy izay miseho ivelany no zava-dehibe amin’i Jehovah fa izay ao am-po

    • 2Ta 6:28-31​—Nasehon’ny vavaka nataon’i Solomona Mpanjaka tamin’ny fitokanana ny tempoly fa fantatr’i Jehovah tsara ny ao am-pon’ny olona, dia ataony mifanaraka amin’izay ny fomba itondrany azy