Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanetren-tena

Fanetren-tena

Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny olona manetry tena sy ny olona manambony tena?

Sl 138:6; Oh 15:25; 16:18, 19; 22:4; 1Pe 5:5

Jereo koa ny Oh 29:23; Is 2:11, 12

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Ta 26:3-5, 16-21​—Lasa nirehareha i Ozia Mpanjaka dia nandika ny Lalàn’Andriamanitra. Tezitra be anefa izy rehefa notenenin’ny mpisorona hoe tsy mety ny nataony. Nofaizin’Andriamanitra àry izy dia lasa boka

    • Lk 18:9-14​—Nohazavain’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray hoe ahoana no fiheveran’i Jehovah ny vavaka ataon’ny olona manambony tena sy ny olona manetry tena

Ahoana no ataon’i Jehovah raha manetry tena sy mibebaka amin’ny fo manontolo ny olona iray?

2Ta 7:13, 14; Sl 51:2-4, 17

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Ta 12:5-7​—Nanetry tena i Rehoboama Mpanjaka sy ny andrianan’ny Joda ka nanaiky ny tenin’i Jehovah dia nibebaka. Tsy naringan’i Jehovah àry ry zareo

    • 2Ta 32:24-26​—Mpanjaka tsara i Hezekia nefa lasa nirehareha. Namela ny helony anefa i Jehovah rehefa nanetry tena izy

Nahoana no manampy antsika hifandray tsara kokoa amin’ny hafa ny fanetren-tena?

Ef 4:1, 2; Fi 2:3; Kl 3:12, 13

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 33:3, 4​—Tezitra be tamin’i Jakoba i Esao rahalahiny, nefa nanetry tena be i Jakoba rehefa nihaona taminy tatỳ aoriana. Dia lasa nihavana indray ry zareo

    • Mpts 8:1-3​—Nanetry tena i Gideona Mpitsara ka nilaza tamin’ny lehilahy efraimita hoe ry zareo no nahavita zavatra kokoa noho izy, dia lasa tsy tezitra intsony ry zareo ka tsy niady taminy indray

Ahoana no nanasongadinan’i Jesosy hoe zava-dehibe ny manetry tena?

Mt 18:1-5; 23:11, 12; Mr 10:41-45

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Is 53:7; Fi 2:7, 8​—Araka ny voalazan’ny faminaniana, dia nanetry tena i Jesosy ka nanaiky hidina tetỳ an-tany sy ho faty na dia hampijalijalina sy halana baraka aza

    • Lk 14:7-11​—Nilaza fanoharana momba ny olona omena ny toerana tsara indrindra ao amin’ny fanasambe iray i Jesosy, mba hanasongadinana hoe mahasoa antsika ny manetry tena

    • Jn 13:3-17​—Nanetry tena i Jesosy ka nanasa ny tongotry ny mpianany na dia asan’ny mpanompo aza izany. Nanome modely ho an-dry zareo izy tamin’izany

Nahoana no manampy antsika hanetry tena ny miezaka manahaka ny fiheveran’i Jehovah antsika sy ny olon-kafa?

Nahoana no tsy mahasoa ny hoe mody manetry tena?