Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Mivadika Amin’Andriamanitra

Tsy Mivadika Amin’Andriamanitra

Ahoana no ahitana hoe tsy mivadika amin’Andriamanitra ny olona iray?

Sl 18:23-25; 26:1, 2; 101:2-7; 119:1-3, 80

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Le 22:17-22​—Notakin’i Jehovah hoe biby “tsy misy kilema” no tokony hatao sorona, izany hoe feno sy tsy misy tsininy. Mifandray akaiky amin’ilay teny hebreo nadika hoe “tsy mivadika” ilay hoe “tsy misy kilema.” Midika izany fa tokony ho feno sy tsy hisy tsininy ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah ary tokony hahafoy tena ho azy isika

    • Jb 1:1, 4, 5, 8; 2:3​—Hitantsika tamin’ny fiainan’i Joba hoe tsy maintsy manaja lalina an’i Jehovah ny olona iray, manompo azy irery ihany, ary manalavitra zavatra tsy tiany, raha tsy te hivadika aminy

Nahoana isika no tsy tokony hivadika amin’Andriamanitra?

Inona no mandrisika antsika tsy hivadika amin’Andriamanitra?

Inona no manampy antsika tsy hivadika mihitsy?

Js 24:14, 15; Sl 101:2-4

Jereo koa ny De 5:29; Is 48:17, 18

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Jb 31:1-11, 16-33​—Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy i Joba ary hita izany tamin’ny fiainany andavanandro: Tsy nanaiky ho resin’ny fakam-panahy hijangajanga izy, ary tsara fanahy sy nanaja olona. Tsy nanompo sampy izy fa nanompo an’i Jehovah irery ihany. Ny fifandraisany tamin’i Jehovah no sarobidy kokoa taminy noho ny vola sy harena

    • Da 1:6-21​—Tsy nivadika tamin’Andriamanitra i Daniela sy ireo namany telo lahy ka nankatò ny lalàny, anisan’izany ny lalàna momba ny sakafo azo hanina, na dia tsy nanompo an’i Jehovah aza ny olona nanodidina an-dry zareo

Mbola ho afaka ny tsy hivadika amin’Andriamanitra ve ny olona iray raha manao fahadisoana imbetsaka?

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Mp 9:2-5; Sl 78:70-72​—Nibebaka tamin’ny fahotana nataony i Davida Mpanjaka, dia namela ny helony i Jehovah, ary olona tsy nivadika no fiheveran’i Jehovah azy

    • Is 1:11-18​—Nomelohin’i Jehovah ny vahoakany satria nihatsaravelatsihy sy nanao fahotana lehibe. Nampanantena anefa izy hoe havelany ny helok’izy ireo raha mibebaka sy tsy manao ratsy intsony ry zareo