Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vola sy Harena

Vola sy Harena

Resahin’ny Baiboly ve hoe ratsy ny manam-bola na manan-karena?

Mpto 7:12

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Mp 3:11-14​—Nomen’i Jehovah harena be dia be i Solomona Mpanjaka satria nanetry tena

    • Jb 1:1-3, 8-10​—Nanankarem-be i Joba, nefa ny fifandraisany tamin’i Jehovah no zava-dehibe indrindra taminy

Nahoana no tsy mahatonga antsika ho tena sambatra ny vola sy harena?

Rahoviana no tsy misy ilana azy ny harena?

Inona ny zavatra ratsy be mety hitranga noho ny vola sy harena?

Nahoana no mety hamitaka antsika ny harena?

Oh 11:4, 18, 28; 18:11; Mt 13:22

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • As 8:18-24​—Te hahazo andraikitra teo anivon’ny fiangonana kristianina i Simona dia nanome vola, satria noheveriny fa azo vidim-bola izany. Hadalana mihitsy ny nataony

Inona no mety hafointsika raha tia vola isika?

Mt 6:19-21; Lk 17:31, 32

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mr 10:17-23​—Tia vola sy harena loatra ny tovolahy iray nanankarena ka tsy nifidy ny hanara-dia an’i Jesosy

    • 1Ti 6:17-19​—Nampitandreman’ny apostoly Paoly ny Kristianina nanankarena mba tsy hirehareha, satria tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany

Nahoana ny fitiavan-karena no mahatonga antsika halemy finoana sy tsy hankasitrahan’Andriamanitra?

De 8:10-14; Oh 28:20; 1Jn 2:15-17

Jereo koa ny Sl 52:6, 7; Am 3:12, 15; 6:4-8

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Jb 31:24, 25, 28​—Azon’i Joba tsara hoe ratsy ny mitoky amin’ny harena satria mahatonga azy tsy hitoky amin’Andriamanitra izany

    • Lk 12:15-21​—Nilaza fanoharana momba ny lehilahy mpanankarena iray tsy mba nanankarena teo imason’Andriamanitra i Jesosy, mba hampitandremana antsika hoe tsy tokony ho tia vola sy harena isika

Inona no manampy antsika hahay hianina amin’izay ananantsika?

Inona no sarobidy lavitra noho ny vola sy harena? Nahoana?

Oh 3:11, 13-18; 10:22; Mt 6:19-21

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Hg 1:3-11​—Nohazavain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany fa tsy notahiny ny vahoakany, satria variana niasa mafy hanorina trano sy hanao izay hampetipety ny fiainany fotsiny, fa tsy nanorina ny tempoly

    • Ap 3:14-19​—Notenenin’i Jesosy mafy ny Kristianina tany Laodikia satria ny vola sy harena indray no zava-dehibe kokoa tamin-dry zareo noho ny fanompoana an’Andriamanitra

Nahoana isika no tokony hatoky hoe hanome izay ilaintsika eo amin’ny fiainana i Jehovah?