Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famindram-po

Famindram-po

Inona no tafiditra amin’ny hoe mamindra fo?

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Sl 51:1, 2​—Rehefa niangavy an’i Jehovah hamindra fo taminy i Davida Mpanjaka, dia niangavy azy hamela ny helony sy hanadio azy ho afaka amin’ny fahotany

    • Lk 10:29-37​—Nilaza fanoharana momba ny lehilahy samaritanina iray izay tsara fanahy tamin’ny Jiosy iray i Jesosy, mba hanazavana hoe ahoana izany hoe mamindra fo na miantra izany

Maninona ny olona rehetra no mila anehoana famindram-po daholo?

Ahoana no ahafantarantsika hoe mamindra fo i Jehovah?

Ek 34:6; Ne 9:17; Sl 103:8; 2Ko 1:3

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Jb 42:1, 2, 6-10; Jk 5:11​—Sady namindra fo tamin’i Joba i Jehovah no nampianatra azy hamindra fo

    • Lk 15:11-32​—Nilaza fanoharana momba ny ray nandray tsara ny zanany lahy naditra nefa nibebaka i Jesosy, mba hanazavana hoe mamindra fo i Jehovah

Nahoana i Jehovah no mamindra fo amintsika?

Nahoana no manampy antsika hahazo famelan-keloka ny soron’i Kristy?

Nahoana isika no tokony hangataka amin’i Jehovah mba hamindra fo amintsika, ary nahoana isika no tokony hisaotra azy foana noho izany?

Lk 11:2-4; He 4:16

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Sl 51:1-4​—Nalahelo be i Davida noho izy nanao fahotana lehibe, nefa nanetry tena izy dia niangavy an’i Jehovah mba hamindra fo aminy

    • Lk 18:9-14​—Nohazavain’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray hoe mamindra fo amin’ireo manetry tena sy miaiky ny fahotany i Jehovah

Nahoana no afaka manantena ny hahazo famindram-po na dia ny olona nanao fahotana lehibe aza?

De 4:29-31; Is 55:7

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Ta 33:9-13, 15​—Mpanjaka tena ratsy fanahy i Manase, nefa nibebaka izy dia nitalaho tamin’Andriamanitra mba hamindra fo aminy. Lasa mpanjaka indray izy tatỳ aoriana, ary nasehony tamin’izay nataony hoe tena niova izy

    • Jo 3:4-10​—Nahery setra be sy namono olona be dia be ny Ninivita. Nibebaka anefa ry zareo, dia namindra fo taminy Andriamanitra

Nahoana no zava-dehibe ny miaiky ny fahotantsika amin’i Jehovah sy miova raha tiantsika hamindra fo amintsika izy?

Na mamindra fo amintsika aza i Jehovah, dia mety mbola hofaizina sy hizaka ny vokatry ny nataontsika ihany isika

Nahoana isika no tokony hamindra fo?

Hanao ahoana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah raha tsy mamindra fo isika?

Mt 9:13; 23:23; Jk 2:13

Jereo koa ny Oh 21:13

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 18:23-35​—Nohazavain’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray hoe raha tsy mamindra fo isika, dia tsy hamindra fo amintsika koa i Jehovah

    • Lk 10:29-37​—Nasehon’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray hoe tsy faly amin’izay tsy mamindra fo izy sy Jehovah. Mahafaly azy ireo kosa ny olona manao hoatran’ilay Samaritanina niantra an’ilay Jiosy, izany hoe namindra fo taminy

Ahoana no ataon’i Jehovah amin’izay mamindra fo?