Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Malemy Fanahy

Malemy Fanahy

Ahoana no ahafantarantsika hoe malemy fanahy i Jehovah?

Mt 11:28, 29; Jn 14:9

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Mp 19:12​—Rehefa niady saina sy nitebiteby i Elia mpaminany, dia niresaka taminy tamin’ny “feo malefaka sy iva” i Jehovah

    • Jo 3:10–4:11​—Tezitra i Jona mpaminany rehefa niresaka tamin’i Jehovah. Tsara fanahy taminy anefa i Jehovah rehefa nampianatra azy mba hamindra fo

Ahoana no ampisehoantsika hoe malemy fanahy isika?

Oh 15:1; Ef 4:1-3; Tit 3:2; Jk 3:13, 17; 1Pe 3:15

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • No 11:26-29​—Nasain’i Josoa nosakanan’i Mosesy tsy hanao hoatran’ny mpaminany ny lehilahy anankiroa, nefa nalemy fanahy i Mosesy rehefa namaly azy

    • Mpts 8:1-3​—Nalemy fanahy i Gideona Mpitsara rehefa nisy olona tezitra sy nila ady taminy. Lasa tony àry ry zareo