Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vola

Vola

Nahoana no mampidi-doza ny fitiavam-bola?

Jereo ilay hoe “Vola sy Harena

Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly hoe tsy ratsy akory ny mitady vola mba hamelomana ny fianakaviana?

Mpto 7:12; 10:19; Ef 4:28; 2Te 3:10; 1Ti 5:8, 18

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 31:38-42​—Niasa mafy foana i Jakoba na dia novan’i Labana imbetsaka aza ny karamany. Notahin’i Jehovah àry ny ezaka nataony mba hamelomana ny fianakaviany

    • Lk 19:12, 13, 15-23​—Hitantsika ao amin’ny fanoharana iray nolazain’i Jesosy hoe fanaon’ny olona tamin’ny androny ny mampiasa vola

Inona ny torolalan’ny Baiboly momba ny hoe mindrana sy mampindrana vola?

Nahoana no tsy tsara ny mitrosa be loatra?

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ne 5:2-8​—Ratsy fanahy tamin’ny olona nindram-bola taminy ny Israelita sasany tamin’ny andron’i Nehemia Governora

    • Mt 18:23-25​—Nohazavain’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray fa mety ho voasazy izay tsy mandoa trosa

Inona no tokony hataontsika alohan’ny hanaovana raharaham-barotra amin’ny olona iray, na mpiara-manompo izy na tsia, ary na havana aza?

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 23:14-20​—Nividy tany sy lava-bato i Abrahama mba handevenana an’i Saraha. Teo anatrehan’ny vavolombelona maromaro izy no nandoa ny vidin’ilay izy, mba tsy hisy hilaza any aoriana hoe tsy nandoa vola izy

    • Je 32:9-12​—Rehefa nividy tany tamin’ny zanaky ny rahalahin-drainy i Jeremia, dia nanao taratasy fifanekena, ary nataony anankiroa ilay izy. Naloany teo anatrehan’ny vavolombelona maro ny vola vidin’ilay tany

Nahoana no fahendrena ny manao teti-bola?

Raha misy Kristianina tsy mifanaraka amin’ny resaka vola, dia nahoana izany no tsy tokony havela hampisy olana eo anivon’ny fiangonana?

Raha tiantsika ny ho sambatra sy ho afa-po, dia ahoana no tsara hampiasantsika ny volantsika?