Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Reny

Reny

Inona avy ny andraikitry ny renim-pianakaviana?

Oh 31:17, 21, 26, 27; Tit 2:4

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 21:8-12​—Rehefa hitan’i Saraha fa nampahory an’i Isaka zanany lahikely i Ismaela, dia niangavy an’i Abrahama izy mba hiaro an’i Isaka

    • 1Mp 1:11-21​—Rehefa fantatr’i Batseba fa nitetika ny ho lasa mpanjaka i Adonia, dia niangavy an’i Davida Mpanjaka i Batseba mba hanao an’i Solomona ho mpanjaka sy hiaro azy

Nahoana isika no tokony hankatò sy hanome voninahitra ny renintsika?

Ek 20:12; De 5:16; 27:16; Oh 1:8; 6:20-22; 23:22

Jereo koa ny 1Ti 5:9, 10

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Pe 3:5, 6​—Nohazavain’ny apostoly Petera fa hoatran’ny hoe reny ho an’ny vehivavy maro i Saraha satria nanam-pinoana

    • Oh 31:1, 15, 21, 28​—Resahin’ireo andininy ireo ny torohevitra tsara nomen’ny renin’i Lemoela Mpanjaka azy, momba ny fanambadiana sy ny andraikitra lehibe ananan’ny vehivavy manambady sy renim-pianakaviana

    • 2Ti 1:5; 3:15​—Notarihin’ny fanahy masina ny apostoly Paoly mba hidera an’i Eonika renin’i Timoty noho izy nampianatra an’io zanany lahy io ny Soratra Masina, na dia tsy nanompo an’i Jehovah aza ny vadiny