Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankatò

Mankatò

Nahoana no zava-dehibe ny mankatò?

Ek 19:5; De 10:12, 13; Mpto 12:13; Jk 1:22

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 15:17-23​—Niteny mafy an’i Saoly Mpanjaka i Samoela mpaminany noho izy tsy nankatò an’i Jehovah. Nasongadin’i Samoela avy eo hoe zava-dehibe ny mankatò

    • He 5:7-10​—Efa nankatò ny Rainy foana i Jesosy taloha. Mbola nianatra nankatò ny Rainy koa anefa izy tetỳ an-tany rehefa nisy nampijaly azy

Inona no tokony hataon’ny Kristianina iray raha asain’ny mpitondra fanjakana manao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra izy?

As 5:29

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Da 3:13-18​—Tsy nety niankohoka tamin’ilay sarivongana natsangan’i Nebokadnezara Mpanjaka ireo Hebreo telo lahy, na dia nety ho novonoina ho faty aza izy ireo

    • Mt 22:15-22​—Nilaza i Jesosy hoe mankatò ny manam-pahefana ny mpianany, raha mbola tsy asain-dry zareo manao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra

    • As 4:18-31​—Na dia noraran’ny manam-pahefana tsy hitory intsony aza ny apostoly, dia be herim-po izy ireo ka nitory foana

Inona no tokony hataontsika raha te hankatò ny didin’i Jehovah foana isika?

De 6:1-5; Sl 112:1; 1Jn 5:2, 3

Jereo koa ny Sl 119:11, 112; Ro 6:17

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ezr 7:7-10​—Nanomana ny fony i Ezra mpisorona mba hankatò sy hampianatra ny Lalàn’Andriamanitra, amin’izay izy ho modely ho an’ny hafa

    • Jn 14:31​—Nampahafantarin’i Jesosy hoe nahoana no izay nasain’ny Rainy nataony mihitsy no nataony

Inona no tokony handrisika antsika hankatò an’i Jehovah sy Jesosy?

Asehontsika hoe manam-pinoana isika rehefa mankatò. Nahoana?

Ro 1:5; 10:16, 17; Jk 2:20-23

Jereo koa ny De 9:23

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 6:9-22; He 11:7​—Nasehon’i Noa hoe nanam-pinoana izy rehefa nanamboatra sambofiara araka izay nandidian’i Jehovah azy. “Izany mihitsy no nataony”

    • He 11:8, 9, 17​—Nasehon’i Abrahama hoe nanam-pinoana izy, rehefa nankatò an’i Jehovah tamin’izy nasaina niala tao Ora sy rehefa nasaina nanao sorona ny zanany

Inona no ampanantenain’i Jehovah an’ireo mankatò azy?

Je 7:23; Mt 7:21; 1Jn 3:22

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Le 26:3-6​—Mampanantena i Jehovah hoe hitahy sy hikarakara an’izay mankatò azy

    • No 13:30, 31; 14:22-24​—Nankatò foana i Kaleba, dia notahin’i Jehovah

Inona no ho vokany raha tsy mankatò isika?

Ro 5:19; 2Te 1:8, 9

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 2:16, 17; 3:17-19​—Tsy nankatò an’i Jehovah Andriamanitra i Adama sy Eva, ka nesorina tao amin’ny Paradisa ary lasa tsy lavorary. Tsy afaka ny hiaina mandrakizay koa ry zareo

    • De 18:18, 19; As 3:12, 18, 22, 23​—Nilaza mialoha i Jehovah hoe hisy Mpaminany lehibe noho i Mosesy, ary hosazina izay tsy mety mankatò azy

    • Jd 6, 7​—Tezitra be i Jehovah rehefa tsy nankatò azy ny anjely sasany sy ny mponina tao Sodoma sy Gomora

Nahoana isika no tokony hankatò an’i Jesosy Kristy?

Ge 49:10; Mt 28:18

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Jn 12:46-48; 14:24​—Nohazavain’i Jesosy hoe homelohina izay tsy mankatò ny teniny

Nahoana ny Kristianina no mankatò ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana?

Nahoana ny vehivavy kristianina no tokony hanaiky ny vadiny?

Nahoana ny ankizy no mila mankatò ny ray aman-dreniny?

Oh 23:22; Ef 6:1; Kl 3:20

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 37:3, 4, 8, 11-13, 18​—Nankatò ny rainy i Josefa tamin’izy mbola tanora, ka lasa nandeha nijery an’ireo rahalahiny na fantany aza hoe nankahala azy izy ireo

    • Lk 2:51​—Tsy lavorary i Josefa sy Maria, ray aman-drenin’i Jesosy. Nankatò azy ireo foana anefa i Jesosy na dia lavorary aza

Nahoana isika no tokony hankatò ny mpampiasa antsika na dia rehefa tsy misy mahita aza?

Nahoana ny Kristianina no mankatò ny fanjakana?