Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Antitra; Be Taona

Antitra; Be Taona

Manao ahoana isika rehefa mihantitra?

Sl 71:9; 90:10

Jereo koa ilay hoe “Fampiononana: Tsy Mahavita Zavatra Firy Intsony Satria Marary na Efa Be Taona

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mpto 12:1-8​—Nampiasa sarin-teny i Solomona Mpanjaka mba hanazavana hoe manao ahoana ny olona rehefa mihantitra, ohatra hoe lasa tsy mahita tsara intsony (“maizina izay jeren’ny vehivavy mitazana eo am-baravarankely”) sy hoe lasa tsy maheno tsara intsony (“lasa iva kely ny feon’ny vehivavy mpihira”)

Afaka ny ho faly foana ve ny be taona na dia miatrika olana aza sady tsy mahavita be hoatran’ny taloha intsony?

2Ko 4:16-18; Jk 1:2-4

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 12:2, 23​—Fantatr’i Samoela mpaminany, efa be taona, fa zava-dehibe ny mivavaka foana ho an’ny vahoakan’i Jehovah

    • 2Sa 19:31-39​—Nankasitraka an’i Barzilay i Davida Mpanjaka satria nanohana an’i Davida izy na dia efa antitra aza. Niaiky anefa i Barzilay hoe voafetra ny zavatra azony atao ka tsy ho afaka hanompo ny mpanjaka any Jerosalema izy

    • Sl 71:9, 18​—Natahotra i Davida Mpanjaka sao tsy ilain’i Jehovah intsony izy satria efa antitra. Niangavy an’i Jehovah àry izy mba tsy hanary azy fa hanome hery azy, amin’izay izy ho afaka hampianatra ny taranaka any aoriana momba an’i Jehovah

    • Lk 2:36-38​—Notahin’i Jehovah i Ana mpaminanivavy izay efa be taona sady mpitondratena, satria nahafoy tena sy tsy nivadika

Ahoana no anomezan’i Jehovah toky ny be taona hoe sarobidy aminy ry zareo?

Sl 92:12-14; Oh 16:31; 20:29; Is 46:4; Tit 2:2-5

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 12:1-4​—Nomen’i Jehovah fanendrena nanova be ny fiainany i Abrahama, tamin’izy 75 taona

    • Da 10:11, 19; 12:13​—Nisy anjely nitsidika an’i Daniela mpaminany tamin’izy 90 taona, ka nanome toky azy hoe sarobidy amin’i Jehovah izy ary hahazo valisoa noho izy tsy nivadika

    • Lk 1:5-13​—Notahin’i Jehovah i Zakaria sy Elizabeta, izay efa samy antitra, ka nataony afaka niteraka lahikely ary natao hoe Jaona ny anarany

    • Lk 2:25-35​—Efa antitra i Simeona tamin’izy nomen’i Jehovah tombontsoa hahita an’ilay zazakely ho lasa Mesia. Nilaza faminaniana iray momba ny Mesia izy tamin’izay

    • As 7:23, 30-36​—Efa 80 taona i Mosesy mpaminany tamin’izy notendren’i Jehovah ho mpitarika ny Israely vahoakany

Ahoana no tokony hitondrantsika ny mpanompon’i Jehovah be taona?

Le 19:32; 1Ti 5:1

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 45:9-11; 47:12​—Nampaka an’i Jakoba rainy efa be taona i Josefa sady nikarakara azy mandra-pahafatiny

    • Rt 1:14-17; 2:2, 17, 18, 23​—Nanohana an’i Naomy, izay efa be taona, i Rota ka nasehony izany tamin’izay nolazainy sy izay nataony

    • Jn 19:26, 27​—Tamin’i Jesosy efa ho faty teo amin’ny hazo fijaliana, dia nankininy tamin’ny apostoly Jaona ny fikarakarana ny reniny efa be taona

Inona avy, ohatra, no azon’ny Kristianina atao mba hanampiana ny be taona eo anivon’ny fiangonana?