Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpiandraikitra

Mpiandraikitra

Inona avy ny fepetra takina amin’ny anti-panahy ka tokony ho fenony araka ny antonony?

Tokony ho modely amin’inona koa ny anti-panahy?

Inona avy ny fepetra takina amin’ny mpikarakara fiangonana ka tokony ho fenony araka ny antonony?

Nahoana isika no afaka milaza fa tendren’ny fanahy masina ny mpiandraikitra?

As 20:28

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • As 13:2-5; 14:23​—Mpiandraikitra mpitety faritany i Paoly sy Barnabasy, ary nanendry anti-panahy teo anivon’ny fiangonana maromaro. Manao hoatr’izany koa ny mpiandraikitra ny faritra amin’izao. Rehefa hanendry rahalahy ho lasa mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana izy ireo, dia mivavaka mba hahazo ny fanahy masina, ary arahiny akaiky izay lazain’ny Baiboly momba ny fepetra takina amin’ilay rahalahy, satria avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra izany

    • Tit 1:1, 5​—Nasaina nitsidika fiangonana samihafa i Titosy mba hanendry anti-panahy

An’iza ny fiangonana, ary inona ny vidiny naloa mba hividianana azy io?

Nahoana ny Baiboly no milaza hoe mpanompo ny anti-panahy?

Nahoana ny mpiandraikitra no mila manetry tena foana?

Ef 1:1; 2:5-8; 1Te 2:6-8; 1Pe 5:1-3, 5, 6

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • As 20:17, 31-38​—Nampahatsiahivin’ny apostoly Paoly ny anti-panahy tany Efesosy ny zavatra nataony ho an-dry zareo, dia nankasitrahan’izy ireo ny fitiavana nasehony

Ahoana no ataon’ny mpiandraikitra kristianina rehefa mahazo tari-dalana avy amin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”?

Ahoana no fomba tsara indrindra ampianaran’ny anti-panahy ny olon-kafa?

1Ti 4:12; 1Pe 5:2, 3

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ne 5:14-16​—Nanaja lalina an’i Jehovah i Nehemia Governora, dia tsy nanampatra fahefana tamin’ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy nitaky an’izay tokony homena ny governora akory izy

    • Jn 13:12-15​—Rehefa nampianatra ny mpianany momba ny fanetren-tena i Jesosy, dia izy mihitsy no nanome modely momba an’izany

Ahoana no azon’ny mpiandry kristianina ampisehoana hoe miahy ny olona tsirairay eo anivon’ny fiangonana izy?

Ahoana no anampian’ny anti-panahy an’ireo marary ara-panahy?

Inona ny andraikitry ny anti-panahy rehefa mampianatra?

Nahoana no tsy maintsy ataon’ny anti-panahy azo antoka hoe madio fitondran-tena foana ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana?

Tokony hampiofana an’iza ny anti-panahy?

2Ti 2:1, 2

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 10:5-20​—Nampiofanin’i Jesosy ny apostoliny 12 talohan’ny nanirahany azy ireo hitory

    • Lk 10:1-11​—Nomen’i Jesosy toromarika mazava tsara ny mpianany 70 talohan’ny nanirahany azy ireo hitory

Inona no hanampy ny anti-panahy hanao an’ireo andraikiny?

1Pe 5:1, 7

Jereo koa ny Oh 3:5, 6

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Mp 3:9-12​—Nivavaka tamin’i Jehovah i Solomona Mpanjaka mba homeny fahaiza-mandinika sy fahendrena hoenti-mitsara ny vahoakan’i Jehovah

    • 2Ta 19:4-7​—Nanendry mpitsara nanerana ny tanànan’ny Joda i Josafata Mpanjaka. Nampahatsiahy azy ireo izy hoe hanampy azy ireo hiantsoroka an’io andraikitra lehibe io i Jehovah

Ahoana no tokony hataon’ny fiangonana amin’ny mpiandraikitra tsy mivadika?

1Te 5:12, 13; 1Ti 5:17; He 13:7, 17

Jereo koa ny Ef 4:8, 11, 12

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • As 20:37​—Tsy nisalasala ny anti-panahy tany Efesosy nampiseho hoe niraiki-po tamin’ny apostoly Paoly izy ireo

    • As 28:14-16​—Tamin’ny apostoly Paoly nankany Roma, dia nanao dia 65 kilaometatra teo ho eo ireo mpiara-manompo tany mba hitsena azy teny amin’ny Tsenan’i Apio. Nampahery be an’i Paoly izany