Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ray Aman-dreny

Ray Aman-dreny

Inona ny antony sasany namoronan’i Jehovah ny fanambadiana?

Ahoana no tokony hiheveran’ny ray aman-dreny ny zanany?

Sl 127:3-5; 128:3

Jereo koa ilay hoe “Ankizy; Tanora

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 33:4, 5​—Tamin’i Jakoba dia fanomezana avy amin’i Jehovah ny zanany

    • Ek 1:15, 16, 22; 2:1-4; 6:20​—Nanao vivery ny ainy i Amrama sy Jokebeda ray aman-drenin’i Mosesy, mba hiarovana azy

Inona ny adidin’ny ray aman-dreny amin’ny zanany?

De 6:6, 7; 11:18, 19; Oh 22:6; 2Ko 12:14; 1Ti 5:8

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 1:1-4​—Nentin’i Elkana namonjy fety tany Silo ny fianakaviany, dia amin’izay afaka nanompo an’i Jehovah niaraka taminy daholo ny zanany

    • Lk 2:39, 41​—Fanaon’i Josefa sy Maria ny nankany Jerosalema niaraka tamin’ny zanany mba hankalaza ny fetin’ny Paska

Nahoana no tsara raha ampiofanina hankatò an’i Jehovah ny ankizy?

Oh 1:8, 9; 22:6

Jereo koa ny 2Ti 3:14, 15

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 2:18-21, 26; 3:19​—Nomen’ny ray aman-dreniny ho an’i Jehovah i Samoela mba hanompo tao amin’ny tranolay masina. Nitsidika azy tsy tapaka anefa izy mivady sady nanome izay nilainy. Lasa tia an’i Jehovah sy tsy nivadika taminy i Samoela rehefa lehibe

    • Lk 2:51, 52​—Nankatò ny ray aman-dreniny i Jesosy na dia tsy lavorary aza izy ireo

Aiza no ahitan’ny ray aman-dreny tari-dalana hitaizany ny zanany?

De 6:4-9; Ef 6:4; 2Ti 3:14-17

Jereo koa ny Sl 127:1; Oh 16:3

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mpts 13:2-8​—Rehefa nilazan’ny anjely iray i Manoa hoe homen’i Jehovah lahikely izy mivady, dia nangataka tari-dalana taminy izy ny amin’ny fomba hitaizana an’ilay zaza

    • Sl 78:3-8​—Tian’i Jehovah hampitain’ny ray aman-dreny amin’ny zanany ny zavatra ianarany ao amin’ny Baiboly

Na dia notezain’ny ray aman-dreny tia an’i Jehovah aza ny ankizy iray, nahoana no mety hisafidy hiala amin’i Jehovah ihany izy?

Ezk 18:1-13, 20

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 6:1-5; Jd 6​—Efa niaraka tamin’i Jehovah ela be tany an-danitra ny anjely, nefa betsaka tamin-dry zareo no nifidy ny hikomy taminy

    • 1Sa 8:1-3​—Mpaminany tsy nivadika sy nanao ny marina i Samoela, nefa lasa nandray kolikoly sy nanao ny tsy marina ny zanany lahy

Rahoviana ny ray aman-dreny no tokony hanomboka hampianatra ny zanany momba an’Andriamanitra?

2Ti 3:15

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • De 29:10-12, 29; 31:12; Ezr 10:1​—Rehefa nivory mba hianatra momba an’i Jehovah ny Israelita, dia nentiny koa ny zanany

    • Lk 2:41-52​—Fanaon’i Josefa sy Maria ny nitondra ny zanany, anisan’izany i Jesosy, mba hankalaza ny Paska tao amin’ny tempoly tany Jerosalema

Ny ohatr’iza no tsara hotahafin’ny ray aman-dreny raha te hiaro ny zanany izy ireo?

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ek 19:4; De 32:11, 12​—Nolazain’i Jehovah hoe hoatran’ny voromahery mitondra sy miaro ary mikarakara ny zanany kely izy

    • Is 49:15​—Mampanantena i Jehovah hoe hikarakara sy hiaro ny mpanompony izy, mihoatra noho ny ataon’ny reny mangoraka ny zanany mbola minono

    • Mt 2:1-16​—Nitady hamono an’i Jesosy zazakely i Satana, ka nisy mpanandro mpanompo sampy notarihiny nankany amin’i Heroda mpanjaka ratsy fanahy. Narovan’i Jehovah anefa ilay zanany, dia nasainy nentin’i Josefa hifindra nankany Ejipta izy sy ny vady aman-janany

    • Mt 23:37​—Nampitaha ny tenany tamin’ny reniakoho i Jesosy amin’ilay izy te hanampy ny Jiosy, satria ny reniakoho manangona ny zanany ao ambany elany sy miaro azy ireo

Nahoana ny ray aman-dreny no tokony hampianatra ny zanany momba ny firaisana?

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Le 15:2, 3, 16, 18, 19; De 31:10-13​—Niresaka mazava tsara momba ny fiheveran’i Jehovah ny firaisana ny Lalàn’i Mosesy, dia nasain’i Jehovah nihaino koa ny ankizy rehefa novakina ilay Lalàna

    • Sl 139:13-16​—Nidera an’i Jehovah i Davida noho ny fomba mahagaga nanaovan’i Jehovah ny vatan’olombelona, anisan’izany ny taovam-pananahana

    • Oh 2:10-15​—Afaka miaro antsika amin’ny olona ratsy saina sy vetaveta ny fahalalana sy ny fahendrena avy amin’i Jehovah

Nahoana no tokony ho be fitiavana foana ny ray aman-dreny na dia rehefa mananatra sy manafay aza?

Oh 13:24; 29:17; Je 30:11; Ef 6:4

Jereo koa ny Sl 25:8; 145:9; Kl 3:21

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Sl 32:1-5​—Nofaizin’i Jehovah i Davida satria nanota. Nampahery azy anefa ny nahafantatra hoe mamela ny helok’ireo tena mibebaka i Jehovah

    • Jo 4:1-11​—Tezitra tamin’i Jehovah i Jona sady tsy nanaja azy. Tsara fanahy sy nanam-paharetana taminy anefa i Jehovah, dia lasa fantatr’i Jona hoe tena mamindra fo i Jehovah

Nahoana no azo lazaina hoe tia ny zanany ny ray aman-dreny matoa mananatra sy manafay azy?