Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanenjehana

Fanenjehana

Nahoana no efa ampoizin’ny Kristianina hoe henjehina izy ireo?

Nahoana isika no tokony hangataka ny fanampian’i Jehovah rehefa enjehina?

Sl 55:22; 2Ko 12:9, 10; 2Ti 4:16-18; He 13:6

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Mp 19:1-18​—Namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah i Elia mpaminany rehefa nenjehina, dia nampiononiny sy nampahereziny

    • As 7:9-15​—Nenjehin’ny rahalahiny i Josefa. Tsy nivadika taminy mihitsy anefa i Jehovah, dia nanavotra azy ary nampiasa azy mba hanavotra ny fianakaviany

Inona avy ny karazana fanenjehana?

Esoina na haratsina

2Ta 36:16; Mt 5:11; As 19:9; 1Pe 4:4

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Mp 18:17-35​—Nanambanimbany an’i Jehovah ny Rabsake, mpitondra tenin’ny mpanjakan’i Asyria, sady nanesoeso ny mponin’i Jerosalema

    • Lk 22:63-65; 23:35-37​—Nanambanimbany sy nanesoeso an’i Jesosy ny mpanenjika azy tamin’izy nambenana sy tamin’izy teo amin’ny hazo fijaliana

Toherin’ny fianakaviana

Samborina sy entina eo anatrehan’ny manam-pahefana

Ampijalina

Rotahan’ny olona

Vonoina ho faty

Inona no tokony hataon’ny Kristianina rehefa enjehina?

Mt 5:44; As 16:25; 1Ko 4:12, 13; 1Pe 2:23

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • As 7:57–8:1​—Na dia efa ho faty aza i Stefana rehefa avy norotahan’ny olona, dia nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hamela ny helok’ireo nanenjika azy, anisan’izany i Saoly avy any Tarsosy

    • As 16:22-34​—Na dia nokapohina imbetsaka sy nogejaina tamin’ny gadra hazo aza ny apostoly Paoly, dia tsara fanahy be tamin’ilay mpiambina izy ka lasa Kristianina ilay lehilahy sy ny fianakaviany

Inona no nitranga tamin’ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany?

Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa enjehina?

Nahoana no manampy antsika hiaritra fanenjehana ny fanantenantsika momba ny hoavy?

Nahoana isika no tsy menatra, na matahotra, na kivy rehefa enjehina? Nahoana koa isika no tsy manaiky hiala amin’i Jehovah?

Sl 56:1-4; As 4:18-20; 2Ti 1:8, 12

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Ta 32:1-22​—Rehefa nitondra miaramila be dia be i Sankeriba Mpanjaka mba hanafika an’i Jerosalema, dia niantehitra tamin’i Jehovah i Hezekia Mpanjaka sady nampahery ny vahoakany. Novalian-tsoa àry izy

    • He 12:1-3​—Nitady hanala-baraka i Jesosy ny mpanenjika, nefa tsy nampaninona azy ny ho afa-baraka sady tsy navelany hahakivy azy izany

Inona ny zavatra tsara mety hitranga rehefa enjehina isika?

Faly i Jehovah ary mahazo voninahitra ny anarany rehefa miaritra isika

1Pe 2:19, 20; 4:12-16

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Jb 1:6-22; 2:1-10​—Tsy fantatr’i Joba hoe avy amin’i Satana ny fisedrana mafy nanjo azy. Tsy nanaiky hivadika tamin’i Jehovah mihitsy anefa izy, ka nanome voninahitra an’i Jehovah izany sady nanaporofo hoe mpandainga i Satana

    • Da 1:6, 7; 3:8-30​—Naleon’i Hanania sy Misaela ary Azaria (Sadraka sy Mesaka ary Abednego) maty toy izay tsy hankatò an’i Jehovah. Vokatr’izany dia niaiky i Nebokadnezara Mpanjaka hoe i Jehovah no Andriamanitra Avo Indrindra

Mety hahatonga ny olon-kafa hahafantatra an’i Jehovah ny fanenjehana antsika

Lk 21:12, 13; As 8:1, 4

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • As 11:19-21​—Niparitaka ny Kristianina rehefa nenjehina, ka nitory ny vaovao tsara tany amin’izay nalehany

    • Fi 1:12, 13​—Faly ny apostoly Paoly fa vao mainka betsaka ny olona naheno ny vaovao noho izy nigadra

Mampahery ny mpiray finoana isika rehefa miaritra fanenjehana

Ahoana no ahafantarantsika hoe matetika ny mpitondra fivavahana sy ny mpanao politika no tena mahatonga antsika henjehina?

Je 26:11; Mr 3:6; Jn 11:47, 48, 53; As 25:1-3

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • As 19:24-29​—Natahotra ny mpanamboatra sampy tany Efesosy sao tsy hisy hividy intsony ny sampiny noho ny fitoriana nataon’ny Kristianina. Nenjehin-dry zareo àry ny Kristianina

    • Ga 1:13, 14​—Nafana fo tafahoatra i Paoly (Saoly) tamin’izy nanaraka ny Fivavahana Jiosy, talohan’izy lasa Kristianina. Izany no nahatonga azy hanenjika ny fiangonan’Andriamanitra

Iza no tena rangory fototry ny afo amin’ny fanenjehana ny mpanompon’i Jehovah?