Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoriana ny Vaovao Tsara

Fitoriana ny Vaovao Tsara

Nahoana ny tena Kristianina no mitory ampahibemaso?

Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe zava-dehibe taminy ny asa fitoriana?

Lk 8:1; Jn 18:37

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Lk 4:42-44​—Nilaza i Jesosy hoe ny hitory no anton-diany teto an-tany

    • Jn 4:31-34​—Nilaza i Jesosy fa aminy dia hoatran’ny sakafo ny asa fitoriana

Ny lehilahy manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana ihany ve no tokony hitory?

Sl 68:11; 148:12, 13; As 2:17, 18

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Mp 5:1-4, 13, 14, 17​—Niresaka momba an’i Elisa mpaminany tamin’ny vadin’i Namana ny zazavavikely israelita iray

    • Mt 21:15, 16​—Tsy faly ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna rehefa nisy ankizilahy nidera an’i Jesosy. Notenenin’i Jesosy anefa ry zareo hoe nety ny nataon’ireo ankizy ireo

Ahoana no ataon’ny mpiandraikitra kristianina mba hanampiana ny hafa eo anivon’ny fiangonana hazoto hitory sy hampianatra?

Ahoana no anampian’i Jehovah sy Jesosy antsika mba hahavita ny asa fitoriana?

2Ko 4:7; Fi 4:13; 2Ti 4:17

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • As 16:12, 22-24; 1Te 2:1, 2​—Nampian’Andriamanitra ny apostoly Paoly sy ny namany, dia sahy nitory foana na dia nampijalina aza

    • 2Ko 12:7-9​—Nanana ‘tsilo tao amin’ny nofo’ ny apostoly Paoly, mety hoe tsy fahasalamana. Nomen’i Jehovah hery anefa izy dia afaka nitory foana

Iza no manome fahefana antsika hitory, ary ahoana no ahavitantsika an’izany?

1Ko 1:26-28; 2Ko 3:5; 4:13

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Jn 7:15​—Gaga ny Jiosy nahita hoe nahay ny Soratra Masina i Jesosy na dia tsy nianatra tany amin’ny sekoly nampianaran’ny Raby aza

    • As 4:13​—Olon-tsotra tsy nahita fianarana no fahitan’ny olona ny apostolin’i Jesosy, nefa tsy natahotra ry zareo sady nazoto nitory

Ahoana no ahafantarantsika fa tian’i Jehovah hampiofana ny hafa hitory sy hampianatra isika?

Mr 1:17; Lk 8:1; Ef 4:11, 12

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Is 50:4, 5​—Nampiofanin’i Jehovah Andriamanitra ny Mesia talohan’ny nahatongavany teto an-tany

    • Mt 10:5-7​—Tamin’i Jesosy teto an-tany, dia nanam-paharetana izy nampiofana ny mpianany mba hazoto hitory

Ahoana no tokony hiheverantsika an’ilay andraikitra nankinina amintsika hoe hitory ny vaovao tsara?

Inona no tsapantsika rehefa mitory ny vaovao tsara?

Inona avy ny zavatra resahintsika amin’ny olona itoriantsika?

Nahoana ny Kristianina no mampahafantatra hoe misy ny fampianaran-diso?

2Ko 10:4, 5

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mr 12:18-27​—Nampiasa ny Soratra Masina i Jesosy mba hanaporofoana tamin’ny Sadoseo hoe diso ry zareo, noho izy ireo tsy nino ny fitsanganan’ny maty

    • As 17:16, 17, 29, 30​—Nohazavain’ny apostoly Paoly tamin’ny Atenianina hoe ratsy ny manompo sampy

Ahoana ny fomba anaovantsika ny asa fitoriana?

Nahoana isika no mitory eny amin’izay ahitana olona?

Nahoana isika no mila manam-paharetana sy maneho fikirizana rehefa mitory?

Inona ny vokatra tsara azo avy amin’ny asa fitoriana?

Nahoana isika no tokony ho vonona hitory raha vao mahita hirika hanaovana an’izany?

1Ko 9:23; 1Ti 2:4; 1Pe 3:15

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Jn 4:6, 7, 13, 14​—Nitory tamin’ny vehivavy samaritanina iray teo akaikin’ny lavadrano i Jesosy, na dia reraka aza

    • Fi 1:12-14​—Na dia nigadra aza ny apostoly Paoly, dia nanararaotra nitory sy nampahery ny hafa izy rehefa nisy hirika hanaovana an’izany

Tokony hanantena ve isika hoe hihaino antsika daholo ny olona itoriantsika?

Jn 10:25, 26; 15:18-20; As 28:23-28

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Je 7:23-26​—Noresahin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jeremia hoe imbetsaka ny vahoakany no tsy nety nihaino ny mpaminaniny

    • Mt 13:10-16​—Nohazavain’i Jesosy fa be dia be ny olona tsy hiraharaha ny hafatra torintsika, hoatran’ny tamin’ny andron’i Isaia ihany

Nahoana isika no tsy gaga raha be atao loatra ny ankamaroan’ny olona dia tsy mety mihaino antsika?

Ahoana no ahafantarantsika fa misy olona ho liana ihany amin’ny voalohany, nefa tsy vonona hihaino intsony any aoriana?

Inona ny ohatra mampiseho hoe tsy tokony ho gaga isika raha misy manohitra ny asa fitoriana?

Inona no tokony hataontsika rehefa misy mandrara antsika tsy hitory?

Nahoana isika no matoky hoe hisy olona hanaiky ny vaovao tsara?

Inona no takin’Andriamanitra amintsika noho isika mahafantatra ny vaovao tsara?

Nahoana isika no tokony hitory amin’ny olona rehetra na inona na inona fivavahany, na fiaviany, na volon-kodiny?

Misy andro tsy tokony hitoriana ve, ohatra hoe amin’ny andro sabata?

Inona no mampiseho hoe tokony hitory amin’ny olona rehetra isika, na dia efa manana Baiboly sy manana ny fivavahany aza ilay olona?