Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fibebahana

Fibebahana

Nahoana ny olona rehetra no tokony hibebaka sy hangataka famelan-keloka amin’i Jehovah?

Ro 3:23; 5:12; 1Jn 1:8

Jereo koa ny As 26:20

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Lk 18:9-14​—Nilaza fanoharana i Jesosy mba hanasongadinana hoe tokony hiaiky ny fahotantsika amin’Andriamanitra isika ary hangataka fanampiana aminy

    • Ro 7:15-25​—Tena nanam-pinoana ny apostoly Paoly, nefa kivy izy satria mbola nila niady mafy tamin’ny fanirian-dratsiny

Inona no tsapan’i Jehovah rehefa misy mpanota mibebaka?

Ezk 33:11; Ro 2:4; 2Pe 3:9

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Lk 15:1-10​—Nilaza fanoharana i Jesosy mba hampisehoana hoe faly i Jehovah sy ny anjely rehefa misy mpanota iray mibebaka

    • Lk 19:1-10​—Nanambaka olona i Zakaiosy, lehiben’ny mpamory hetra. Nibebaka sy niova anefa izy dia namela ny helony i Jesosy

Ahoana no ampisehoantsika hoe tena mibebaka isika?

Nahoana no manampy ny olona iray tena mibebaka ny mahalala tsara ny fahamarinana?

Ro 12:2; Kl 3:9, 10; 2Ti 2:25

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • As 17:29-31​—Nohazavain’ny apostoly Paoly tamin’ny Atenianina hoe noho ny tsy fahalalana no nahatonga azy ireo hanompo sampy, ka nampirisihin’i Paoly hibebaka izy ireo

    • 1Ti 1:12-15​—Nanao zavatra tena ratsy be i Paoly, talohan’ny nahalalany ny marina momba an’i Jesosy Kristy. Noho ny tsy fahalalana no nahatonga azy hanao an’izany

Nahoana no zava-dehibe ny mibebaka?

Nahoana isika no afaka matoky hoe hamela ny helotsika i Jehovah raha mibebaka isika, na dia manota imbetsaka aza?

Ahoana no ataon’i Jehovah amin’ireo miaiky heloka sy miova?

Sl 32:5; Oh 28:13; 1Jn 1:9

Jereo koa ilay hoe “Famindram-po

Ahoana no ahafantarantsika fa ny hoe mibebaka dia tsy midika fotsiny hoe miala tsiny na malahelo amin’izay ratsy natao?

2Ta 7:14; Oh 28:13; Ezk 18:30, 31; 33:14-16; Mt 3:8; As 3:19; 26:20

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Ta 33:1-6, 10-16​—Nanao zavatra tena ratsy be dia be nandritra ny fotoana ela be i Manase Mpanjaka. Nasehony anefa hoe tena nibebaka izy rehefa nanetry tena, nivavaka foana, ary niova

    • Sl 32:1-6; 51:1-4, 17​—Nasehon’i Davida Mpanjaka hoe nibebaka izy rehefa niaiky heloka tamin’i Jehovah sy nangataka taminy mba hamela ny helony, ary nilaza hoe nanenina mafy izy fa nanota tamin’i Jehovah

Raha mibebaka ny olona iray nanota tamintsika, nahoana isika no tokony hamela azy?