Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahotana

Fahotana

Inona no atao hoe ota, ary nahoana ny olona rehetra no mpanota?

Ahoana no anomezan’ny Baiboly toky antsika hoe afaka mandresy ny faniriantsika hanao ratsy isika?

Ro 6:12-14

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Sa 11:2-5, 14, 15, 26, 27; 12:1-13​—Nanao fahotana lehibe i Davida Mpanjaka ka nofaizina, dia nibebaka

    • Ro 7:15-24​—Tena nanam-pinoana sy nahafoy tena ho an’Andriamanitra ny apostoly Paoly. Na izany aza, dia nila niezaka mafy izy mba handresy ny faniriany hanao ratsy

Nahoana ny olona maro no manota?

Nahoana no tena ratsy ny manao fanahy iniana manota?

Inona no mety hampiasain’i Satana mba hakana fanahy ny mpanompon’Andriamanitra?

Oh 1:10, 11, 15; Mt 5:28; Jk 1:14, 15

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 3:1-6​—Nampiasa bibilava i Satana mba hakana fanahy an’i Eva, dia amin’izay i Eva ho lasa tia tena sy tsy mety afa-po ka tsy hatoky an’i Jehovah intsony

    • Oh 7:6-10, 21-23​—Notantarain’i Solomona Mpanjaka hoe tsy nahatohitra fakam-panahy ny tovolahy iray tsy ampy saina rehefa notaomin’ny vehivavy iray naloto fitondran-tena

Ahoana no ataontsika mba hahatohitra fakam-panahy avy amin’i Satana?

Ef 4:27; 6:10-18; Jk 4:7, 8

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Oh 5:1-14​—Hoatran’ny ray miteny amin’ny zanany i Solomona Mpanjaka, rehefa nanome torohevitra tsara avy amin’i Jehovah hoe nahoana no ilaina ny manohitra fakam-panahy haloto fitondran-tena ary ahoana no hanaovana an’izany

    • Mt 4:1-11​—Nampiasa ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy mba hanoherana fakam-panahy avy amin’i Satana, ka modely tsara ho antsika

Tokony hitandrina ny Kristianina mba tsy hanao fahotana lehibe. Inona avy, ohatra, izany?

Jereo ilay hoe “Fanao Ratsy

Miaiky fahotana

Nahoana isika no tsy tokony hiezaka hanafina ny fahotana vitantsika?

Amin’iza isika no tokony hiaiky ny fahotantsika?

Iza ilay “mpanampy” miangavy ho antsika eo anatrehan’i Jehovah?

Ahoana no ampisehoan’ny olona iray hoe mibebaka noho ny fahotany izy?

As 26:20; Jk 4:8-10

Jereo koa ilay hoe “Fibebahana

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ek 22:1-12​—Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, dia nasaina nanome onitra tamin’ny olona nangalarany ny mpangalatra

    • Lk 19:8, 9​—Nasehon’i Zakaiosy lehiben’ny mpamory hetra hoe nibebaka izy rehefa niova sy nanonitra an’izay nalainy tamin’ny olona nambakainy

Nahoana isika no matoky hoe hamela ny helotsika i Jehovah?

Jereo ilay hoe “Mamela Heloka

Iza no nomen’i Jehovah andraikitra hanampy sy hiaro ny fiangonana rehefa misy olona manao fahotana lehibe?

Raha manao fahotana lehibe ny olona iray, inona no mety ho vokany amin’ny fianakaviany na ny fiangonana?

He 12:15, 16

Jereo koa ny De 29:18

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Js 7:1-13, 20-26​—Nahatonga loza teo amin’ny vahoakan’Israely i Akana rehefa nanao fahotana lehibe sy nitady hanafina an’izany

    • Jo 1:1-16​—Tsy nanaraka ny tenin’i Jehovah i Jona mpaminany, ka saika maty daholo ny olona rehetra niaraka taminy tao anatin’ilay sambo

    • 1Ko 5:1-7​—Nolazain’ny apostoly Paoly hoe fahotana lehibe hanimba ny fiangonana tao Korinto ny nataon’ny olona iray teo anivon’ilay fiangonana

Tsy tokony havelantsika hisakana antsika tsy hangataka fanampiana amin’ny anti-panahy mihitsy ny tahotra ny hahazo famaizana. Nahoana?

Nahoana no tsara kokoa ny manaiky hoe efa navelan’Andriamanitra ny fahotantsika, toy izay halahelo foana noho ilay fahotana vitantsika?

Jereo ilay hoe “Mamela Heloka

Raha fantatsika hoe nanao fahotana lehibe ny olona iray, nahoana isika no tokony hampirisika azy hiresaka an’ilay izy amin’ny anti-panahy?

Le 5:1

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • De 13:6-9; 21:18-20​—Notakin’ny Lalàn’i Mosesy hoe tokony horesahina amin’ny anti-panahy ny fahotana lehibe nataon’ny olona iray, na dia mpianakavy na namana akaiky aza ilay olona