Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpitovo

Mpitovo

Nahoana no azo lazaina hoe fanomezana ny hoe mpitovo?

Nahoana no tsy mety ny manery ny mpitovo hanambady?

1Ko 7:28, 32-35; 1Te 4:11

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ro 14:10-12​—Nohazavain’ny apostoly Paoly hoe nahoana isika no tsy tokony hitsaratsara ny Kristianina namantsika

    • 1Ko 9:3-5​—Nanan-jo hanambady ny apostoly Paoly. Naleony anefa nijanona ho mpitovo, amin’izay izy afaka nanompo bebe kokoa an’i Jehovah

Tsy maintsy manambady ve ny mpitovo vao afaka ny ho sambatra?

1Ko 7:8

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mpts 11:30-40​—Tsy nanambady mihitsy ny zanakavavin’i Jefta, ary nahafa-po azy ny fiainany

    • As 20:35​—Tsy nanambady mihitsy i Jesosy, nefa hita tamin’ny teniny hoe sambatra izy satria tia nanampy ny hafa

    • 1Te 1:2-9; 2:12​—Mpitovo ny apostoly Paoly, ary notantarainy hoe nahafaly azy ny fanompoany satria afaka nanampy olona be dia be hahalala an’i Jehovah izy

Nahoana ny mpitovo no tsy maintsy madio fitondran-tena, hoatran’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra ihany?

1Ko 6:18; Ga 5:19-21; Ef 5:3, 4

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Oh 7:7-23​—Nohazavain’i Solomona Mpanjaka hoe nahita loza ny tovolahy iray rehefa voafitaky ny vehivavy iray naloto fitondran-tena

    • To 4:12; 8:8-10​—Noderaina ilay ankizivavy solemita satria nadio fitondran-tena

Nahoana no mety ho fahendrena ho an’ny mpitovo iray ny manambady?

1Ko 7:9, 36

Jereo koa ny 1Te 4:4, 5