Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahendrena

Fahendrena

Inona no tokony hataontsika raha te hahazo ny tena fahendrena?

Aiza no ahitana ny tena fahendrena?

Nahoana no mety ny mangataka fahendrena amin’Andriamanitra?

Kl 1:9; Jk 1:5

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Ta 1:8-12​—Nangataka fahendrena i Solomona Mpanjaka tamin’izy tanora, mba hahaizany hitondra ny vahoakan’Israely. Dia faly i Jehovah nanome azy an’izany

    • Oh 2:1-5​—Oharina amin’ny harena miafina ny fahendrena sy ny fahiratan-tsaina ary ny fahaiza-mandinika. Tokony hiezaka hahazo an’ireo foana isika dia hampian’i Jehovah

Amin’ny alalan’iza no anomezan’i Jehovah antsika fahendrena, ary inona koa no ampiasainy?

Is 11:2; 1Ko 1:24, 30; 2:13; Ef 1:17; Kl 2:2, 3

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Oh 8:1-3, 22-31​—Oharina amin’ny olona ny fahendrena, ary mety tsara ilazana ny Zanak’Andriamanitra, ilay lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra

    • Mt 13:51-54​—Tsy azon’ny ankamaroan’ny mpihaino an’i Jesosy hoe nahoana izy no nanam-pahendrena be, nefa izy fantatry ry zareo hatramin’ny mbola kely

Ahoana no ampisehoantsika hoe manana ny fahendrena avy amin’Andriamanitra isika?

Nahoana no manampy sy miaro antsika ny fahendrena?

Nahoana no sarobidy ny fahendrena avy amin’Andriamanitra?

Oh 3:13, 14; 8:11

Jereo koa ny Jb 28:18

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Jb 28:12, 15-19​—Nijaly be i Joba nefa mbola tena nankasitraka ny fahendrena avy amin’Andriamanitra

    • Sl 19:7-9​—Nilaza i Davida Mpanjaka hoe ho hendry na izay mbola tsy dia nandia fiainana aza raha mihaino ny lalàn’i Jehovah sy ny fampahatsiahivany

Nahoana no tsy mahasoa antsika ny mihaino ny fahendren’ny olona tsy miraharaha an’Andriamanitra?