Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asa

Asa

Nahoana no mahafaly ny miasa mafy?

Inona avy ny soa azontsika raha miezaka ny hahay tsara ny asantsika isika?

Oh 22:29

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 16:16-23​—Nalaza ho mpitendry zavamaneno mahay i Davida tamin’izy mbola tanora. Nampitony ny mpanjakan’ny Israely ny mozika notendreny

    • 2Ta 2:13, 14​—Mpanao asa tanana mahay i Hiram-aby ka nampiasain’i Solomona tamin’ny tetikasa fanorenana goavana iray

Mpiasa hoatran’ny ahoana no tokony hahafantarana ny mpanompon’i Jehovah?

Ef 4:28; Kl 3:23

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 24:10-21​—Tia nanampy sady niasa mafy i Rebeka, ka nanao mihoatra noho izay nangatahin’ilay mpanompon’i Abrahama taminy

    • Fi 2:19-23​—Notendren’ny apostoly Paoly hiantsoroka andraikitra lehibe i Timoty tamin’izy mbola tanora satria nanetry tena sady vonona hiasa mafy

Nahoana isika no tsy tokony ho kamo?

Oh 13:4; 18:9; 21:25, 26; Mpto 10:18

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Oh 6:6-11​—Niresaka momba ny vitsika i Solomona Mpanjaka mba hampianarana hoe tokony hiasa mafy isika fa tsy ho kamokamo

Nahoana isika no tokony hiasa mafy mba hahazoana an’izay ilaintsika?

Nahoana isika no tokony hiasa mafy mba hikarakarana an’izay ilain’ny olona tokony ho adidintsika?

1Ti 5:8

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Rt 1:16, 17; 2:2, 3, 6, 7, 17, 18​—Nazoto niasa i Rota mba hikarakarana an’i Naomy rafozambaviny. Mbola tanora anefa i Rota sady maty vady

    • Mt 15:4-9​—Nataon’ny olona sasany ho fialan-tsiny tsy hikarakarana ray aman-dreny ny fanompoana an’Andriamanitra. Nomelohin’i Jesosy ireny olona ireny

Nahoana isika no tokony ho vonona hizara amin’ny hafa izay azontsika avy amin’ny asa mafy nataontsika?

Ahoana no tokony hiheverantsika ny fitadiavam-bola?

Ahoana no ahafantarantsika hoe vonona hanampy antsika hahavita tsara ny asantsika i Jehovah, sady te hanampy antsika hikarakara izay ilaintsika?

Mt 6:25, 30-32; Lk 11:2, 3; 2Ko 9:10

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 31:3-13​—Tsy rariny ny nataon’i Labana tamin’i Jakoba. Hitan’i Jehovah anefa hoe niasa mafy i Jakoba dia notahiny

    • Ge 39:1-6, 20-23​—Notahin’i Jehovah ny asan’i Josefa, na tamin’izy andevo tao an-tranon’i Potifara na tamin’izy nigadra

Nahoana ny asantsika no tsy tokony ho zava-dehibe kokoa noho ny fanompoana an’Andriamanitra?

Sl 39:5-7; Mt 6:33; Jn 6:27

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Lk 12:15-21​—Nohazavain’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray hoe hadalana ny mieritreritra hoe zava-dehibe kokoa noho ny mifandray amin’Andriamanitra ny asa

    • 1Ti 6:17-19​—Nampitandreman’ny apostoly Paoly ny Kristianina nanankarena hoe tsy tokony hirehareha ry zareo fa tokony “hanan-karena amin’ny asa tsara”

Inona avy ny torolalana manampy antsika hahay hifidy asa?

Miasa ho an’i Jehovah

Inona ny asa lehibe indrindra ataon’ny Kristianina?

Nahoana isika no te hanao izay tsara indrindra vitantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?

Nahoana isika no tsy tokony hanantena hoe hitovy daholo ny vitan’ny mpanompon’i Jehovah rehetra?

Ga 6:3-5

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 25:14, 15​—Nasehon’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray fa tsy manantena izy hoe hitovy daholo ny asa vitan’ny mpanara-dia azy

    • Lk 21:2-4​—Tsara fanahy i Jesosy ka niaiky hoe tena sarobidy ny fanomezana kely nataon’ilay vehivavy mpitondratena mahantra

Avy amin’iza ny hery hahavitantsika ny asa asaina ataontsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?

2Ko 4:7; Ef 3:20, 21; Fi 4:13

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Ti 4:17​—Niaiky ny apostoly Paoly hoe nahazo ny hery nilainy izy tamin’ny fotoana tena nilany an’izany

Nahoana no mahafaly ny miasa mafy ho an’i Jehovah?