Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ry rahalahy sy anabavy malala,

Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny olona no mandrisika antsika hanatanteraka an’ilay lazain’ny Baiboly hoe: “Mandehana ... ampianaro ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia ahy. Ataovy batisa ... izy ireo.” (Mat. 28:19, 20; Mar. 12:28-31) Ho afaka hanampy an’izay manana “toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay” isika raha manana an’izany fitiavana izany.​—Asa. 13:48.

Niezaka nitadidy fomba fitory sy nametraka zavatra hovakina isika taloha. Tokony hiezaka hanatsara ny fahaizantsika miresaka anefa isika. Te hampiseho fitiavana isika dia miresaka foto-kevitra mahaliana ny olona. Midika izany fa mila mahay mampifanara-javatra isika sady mandinika tsara an’izay zavatra ilainy sy mampanahy azy. Natao hanampiana antsika ity bokikely ity. Amin’ny fomba ahoana?

Misy lesona 12 ato manasongadina ny toetra ilaintsika mba hampisehoana fitiavana sy hanampiana ny olona hanara-dia an’i Jesosy. Miorina amin’ny tantara ao amin’ny Baiboly ny lesona tsirairay, ary ahitana ny toetra nasehon’i Jesosy teny amin’ny fanompoana na ny an’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Ny hampiseho fitiavana amin’ny olona iresahantsika no tanjontsika fa tsy ny hanao tsianjery fomba fitory fotsiny. Na dia ilaintsika daholo aza ireo toetra 12 ireo eny amin’ny fanompoana, dia hodinihintsika hoe misy amin’izy ireo ilaintsika hasongadina rehefa hanomboka resadresaka, na hanao fiverenana mitsidika, na hampianatra Baiboly.

Rehefa mandinika ny lesona tsirairay ianao, dia eritrereto tsara hoe ahoana no hampisehoanao an’ilay toetra rehefa miresaka amin’ny olona ao amin’ny faritaninareo. Ezaho ampitomboina ny fitiavanao an’i Jehovah sy ny olona. Izany fitiavana izany fa tsy teknika voafaritra tsara anankiray, no hanampy anao hanatratra ny tanjonao hampianatra ny olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy.

Tombontsoa lehibe ho anay ny miara-miasa aminao. (Zef. 3:9) Hotahin’i Jehovah foana anie ny ezaka ataonao mba ho tia olona sy hampianatra azy ireo!

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah