MIRESADRESAHA ALOHA

LESONA 1

Zavatra Mahaliana Resahina

Zavatra Mahaliana Resahina

Torolalana: “Ny fitiavana ... tsy mitady izay hahasoa ny tenany.”​—1 Kor. 13:4, 5.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Jaona 4:6-9. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1.    Inona no tsikaritr’i Jesosy talohan’ny niresahany tamin’ilay vehivavy?

  2.   Izao no nolazain’i Jesosy: “Mba omeo rano aho hosotroiko.” Nahoana izany no nety tsara mba hanombohana resadresaka?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

2. Raha zavatra mahaliana an’ilay olona no anombohanao ny resaka, dia tsy hihafahafa aminao izy.

Tahafo i Jesosy

3. Mahaiza mandanjalanja. Aza misisika hiresaka an’ilay hevitra efa nomaninao, fa atombohy amin’izay zavatra eritreretin’ny olona amin’izao ny resadresakareo. Saintsaino izao:

  1.    ‘Inona no resahin’ny vaovao?’

  2.   ‘Inona no resadresahin’ny mpiray tanàna, mpiara-miasa na mpiara-mianatra amiko?’

4. Mahaiza mandinika. Saintsaino izao:

  1.   a. ‘Inona izao no ataon’ilay olona? Inona no mety ho ao an-tsainy?’

  2.  b. ‘Inona ny zavatra inoany na ny kolontsainy raha jerena ny fitafiany, ny paozipaoziny, na ny tranony?’

  3.  d. ‘Izao ve no fotoana mety hiresahana aminy?’

5. Henoy izy.

  1.    Aza be resaka.

  2.   Ampirisiho hilaza ny heviny ilay olona. Mametraha fanontaniana raha ilaina izany.