MIRESADRESAHA ALOHA

LESONA 2

Avelao Hiresaka Ilay Olona

Avelao Hiresaka Ilay Olona

Torolalana: “Tsara erỳ ny teny lazaina amin’ny fotoana mety!”​—Ohab. 15:23.

Inona no nataon’i Filipo?

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Asan’ny Apostoly 8:30, 31. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1.    Ahoana no nanombohan’i Filipo an’ilay resadresaka?

  2.   Nahoana no nety tsara izany mba hanombohan-dresaka sy hampianarana zavatra mbola tsy hain’ilay lehilahy?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Filipo?

2. Hahazo aina kokoa sy ho vonona hihaino ny hafatra hoentinao ilay olona raha avelanao hiresaka.

Tahafo i Filipo

3. Mahaiza mandinika. Diniho ny endrik’ilay olona sy ny fihetsiny mba hahitanao raha vonona hiresaka izy. Mety ho afaka hilaza hevitra avy ao amin’ny Baiboly ianao avy eo raha manontany azy hoe: “Fantatrao ve hoe...?” Aza terena hiresaka anefa izy raha tsy te hiresaka.

4. Manàna faharetana. Tsy voatery hiresaka hevitra avy ao amin’ny Baiboly avy hatrany ianao, fa andraso amin’ny fotoana mety tsara vao manao an’izany. Indraindray mety hoe amin’ny fotoana hiresahanareo amin’ny manaraka ianao vao hahavita an’izany.

5. Mahaiza mampifanara-javatra. Mety tsy hampoizinao ny zavatra resahin’ilay olona. Noho izany, dia hevitra mifanaraka amin’izay ilainy resahina, na dia efa nisy foto-kevitra masaka be tao an-tsainao aza.