Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIRESADRESAHA ALOHA

LESONA 3

Miezaha ho Tsara Fanahy

Miezaha ho Tsara Fanahy

Torolalana: “Ny fitiavana ... tsara fanahy.”​—1 Kor. 13:4.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Jaona 9:1-7. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1.    Tonga dia nitory tamin’ilay lehilahy jamba ve i Jesosy sa nanasitrana azy aloha?​—Jereo ny Jaona 9:35-38.

  2.   Nahoana no nanampy an’ilay lehilahy hanaiky ny vaovao tsara ny zavatra nataon’i Jesosy taminy?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

2. Ho vonona hihaino ny hafatra entintsika ilay olona raha tsapany hoe miahy azy isika.

Tahafo i Jesosy

3. Miezaha hipetraka eo amin’ny toerany, dia alaivo sary an-tsaina hoe ahoana no mety ho tsapany.

  1.    Saintsaino izao: ‘Inona no mety hampiady saina azy? Inona no mety ho tiany hataoko mba hanampiana azy?’ Lasa mandeha ho azy ilay hoe tsara fanahy raha manao an’izany ianao.

  2.   Henoy izy mba hampisehoana hoe tsy manamaivana an’izay zava-dehibe aminy ianao. Raha mamboraka ny ao am-pony izy na milaza aminao ny olana atrehiny, dia aza ovana ny resaka.

4. Miezaha ho tsara fanahy sy hanaja rehefa miteny. Ho hita amin’ny fomba firesakao hoe mangoraka an’ilay olona sy tena te hanampy azy ianao. Fidio tsara ny teny holazainao sao dia manafintohina ary tandremo ny toe-peonao.

5. Ampio izy. Jereo sao dia misy azonao anampiana azy. Ho mora kokoa amin’ilay olona ny hiresaka raha tsara fanahy aminy ianao.