MIRESADRESAHA ALOHA

LESONA 5

Mahaiza Mandanjalanja

Mahaiza Mandanjalanja

Torolalana: “Ataovy mahafinaritra ... foana ny teny lazainareo.”​—Kol. 4:6.

Ahoana no nataon’i Paoly?

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Asan’ny Apostoly 17:22, 23. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1.    Inona no tsapan’i Paoly rehefa hitany hoe mpanompo sampy ny olona tao Atena?​—Jereo ny Asan’ny Apostoly 17:16.

  2.   Nahay nandanjalanja i Paoly, ka tsy nanameloka ny zavatra inoan’ny Atenianina fa nampiasa an’izany kosa mba hiresahana ny vaovao tsara tamin’izy ireo. Ahoana no nanaovany an’izany?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Paoly?

2. Ho vonona hihaino antsika ny olona raha fidintsika tsara ny teny lazaintsika sy ny fotoana ary ny fomba hitenenantsika azy.

Tahafo i Paoly

3. Fidio tsara izay teny holazainao. Tsy hoatran’ny mahazatra, ohatra, ny fomba iresahanao momba ny Baiboly na ny momba an’i Jesosy raha tsy Kristianina ilay olona miresaka aminao.

4. Aza maimaika hanitsy izay lazainy. Avelao izy hilaza ny heviny. Aza miady hevitra raha mifanohitra amin’ny Baiboly ny teniny. (Jak. 1:19) Henoy tsara izy dia ho fantatrao hoe inona no inoany ary nahoana izy no mino an’izany.​—Ohab. 20:5.

5. Miezaha hitady marimaritra iraisana na zavatra azonao iderana azy. Mety ho tena resy lahatra amin’izay zavatra inoany izy. Tohizo amin’izay zavatra iombonanareo anefa ny resaka. Ampio tsikelikely izy avy eo hahatakatra hoe inona no ampianarin’ny Baiboly.