MIRESADRESAHA ALOHA

LESONA 6

Manàna Fahasahiana

Manàna Fahasahiana

Torolalana: “Nampian’ilay Andriamanitsika ho sahy hitory ny vaovao tsara taminareo [aho].”​—1 Tes. 2:2.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Lioka 19:1-7. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1.    Maninona no mety tsy ho azoazon’ny olona sasany i Zakaiosy?

  2.   Nahoana anefa i Jesosy no mbola nitory taminy?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

2. Tokony ho sahy hitory momba an’ilay Fanjakana amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka isika.

Tahafo i Jesosy

3. Miantehera amin’i Jehovah. Nampian’ny fanahy masina i Jesosy mba ho sahy hitory ary afaka manampy anao koa izy io. (Mat. 10:19, 20; Lioka 4:18) Mangataha fahasahiana amin’i Jehovah raha matahotra ny hitory amin’ny olona sasany ianao.​—Asa. 4:29.

4. Aza mitsaratsara olona. Mety hisalasala hitory amin’ny olona sasany isika noho ny paoziny, na ny fari-piainany, na ny fomba fiainany, na noho ny zavatra inoany. Tadidio anefa izao:

  1.    Tsy afaka mamantatra ny any am-pon’ny olona hoatran’i Jehovah sy Jesosy isika.

  2.   Tsy tokony hieritreritra isika hoe tsy azon’i Jehovah amindrana fo intsony ny olona iray.

5. Miezaha ho malina sy hanaja na dia manana fahasahiana aza ianao. (Mat. 10:16) Aza miady hevitra. Raha hitanao hoe tsy te hihaino ny vaovao tsara ilay olona na tsapanao hoe tandindomin-doza ny ainao, dia farano amim-panajana ilay resaka.​—Ohab. 17:14.