Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

REHEFA MIVERINA MITSIDIKA

LESONA 8

Manàna Faharetana

Manàna Faharetana

Torolalana: “Ny fitiavana manam-paharetana.”​—1 Kor. 13:4.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Jaona 7:3-5 sy ny 1 Korintianina 15:3, 4, 7. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1.    Nanao ahoana ny fihetsiky ny rahalahin’i Jesosy rehefa nahita azy nitory?

  2.   Ahoana no ahitana hoe tsy kivy i Jesosy fa nanampy foana an’i Jakoba rahalahiny?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

2. Mila manam-paharetana isika satria ela kokoa ny olona sasany vao manaiky ny vaovao tsara.

Tahafo i Jesosy

3. Mitadiava fomba hafa hanampiana azy. Aza terena hianatra Baiboly izy raha mbola tsy vonona. Ampisehoy video na lahatsoratra izy amin’ny fotoana mety. Ampiasao izy ireny mba hanampiana azy hahita hoe ahoana no atao rehefa mianatra Baiboly, ary inona ny soa horaisiny avy amin’izany.

4. Aza ampitahaina amin’olon-kafa izy. Tsy mitovy mantsy ny olona. Raha misalasala hianatra Baiboly ny fianakavianao na ny olona tsidihinao, na misy zavatra ampianarin’ny Baiboly tsy ekeny, dia fantaro ny mety ho antony. Mifikitra be amin’ny zavatra inoany ve izy? Sa ve enjehin’ny havany na ny mpiara-monina aminy izy? Omeo fotoana izy mba handinihany an’izay noresahinao sy hahitany hoe azo inoana izay lazain’ny Baiboly.

5. Mivavaha ho an’ilay olona tsidihinao. Angataho i Jehovah mba hanampy anao tsy hanary toky sy hahay handanjalanja. Mivavaha koa mba hahay hanavaka raha tsy liana ny olona iray, ka tsy tokony hotsidihina intsony.​—1 Kor. 9:26.