Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

REHEFA MIVERINA MITSIDIKA

LESONA 9

Miezaha Hangoraka

Miezaha Hangoraka

Torolalana: “Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.”​—Rom. 12:15.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Marka 6:30-34. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1.    Fa maninona i Jesosy sy ny apostoliny no ‘nandeha tany amin’ny toerana mitokana’?

  2.   Inona no nandrisika an’i Jesosy hampianatra ny vahoaka?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

2. Tsy mitory amin’ny olona fotsiny isika fa te hanampy azy koa.

Tahafo i Jesosy

3. Mihainoa tsara. Avelao hiresaka ilay olona. Aza maika hanapaka ny teniny, fa avelao izy hilaza ny fihetseham-pony, na izay mampanahy azy, na izay zavatra tsy eken’ny sainy. Raha mihaino tsara azy ianao dia mampiseho aminy hoe zava-dehibe aminao ny heviny.

4. Eritrereto izay hahasoa azy. Saintsaino ireto rehefa mandinika ny resaka efa nifanaovanareo ianao:

  1.    ‘Nahoana izy no mila maheno ny fahamarinana?’

  2.   ‘Hihatsara ve ny fiainany raha mianatra Baiboly izy, ary hanao ahoana ny hoaviny?’

5. Izay fanazavana ilainy sy hanampy azy no resaho. Aza mangataka andro fa atoroy azy hoe ho voavaly ny fanontaniany raha mianatra Baiboly izy sady hahita torohevitra be dia be hanampy azy.