Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

REHEFA MAMPIANATRA

LESONA 10

Aoka Ianao ho Tapa-kevitra Hanampy

Aoka Ianao ho Tapa-kevitra Hanampy

Torolalana: “Tapa-kevitra [izahay] hoe tsy ny vaovao tsaran’Andriamanitra ihany no homenay anareo, fa na ny ainay koa aza. Tena maminay mantsy ianareo.”​—1 Tes. 2:8.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Jaona 3:1, 2. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1.    Nahoana no nety kokoa tamin’i Nikodemosy ny nandeha tany amin’i Jesosy tamin’ny andro alina?​—Jereo ny Jaona 12:42, 43.

  2.   Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tapa-kevitra ny hanampy ny olona hanara-dia azy izy?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

2. Tapa-kevitra ny hanampy ny olona hanara-dia an’i Jesosy isika satria tia azy ireo.

Tahafo i Jesosy

3. Ataovy amin’ny fotoana sy toerana mety amin’ilay mpianatrao ny fianarana. Mety hisy andro na ora mety kokoa aminy ao anatin’ny herinandro. Any am-piasanany ve, sa any an-tranony, sa any amin’ny toerana be olona izy no hahazo aina kokoa rehefa mianatra? Raha azo atao dia ovao arakaraka izay ilain’ny mpianatrao ny fandaharam-potoananao.

4. Aza tapatapahina ny fianarany. Raha tsy ho eo ianao, dia aza foanana ny fianarany. Eritrereto kosa izao:

  1.   a. Afaka mampianatra azy amin’ny fotoana hafa ve ianao amin’iny herinandro iny ihany?

  2.  b. Afaka mampianatra azy amin’ny alalan’ny telefaonina na vidéoconférence ve ianao?

  3.  d. Afaka mangataka mpitory iray hisolo anao ve ianao?

5. Mivavaha mba hanana toe-tsaina tsara. Angataho i Jehovah mba hanampy anao tsy ho kivy amin’ny mpianatrao, na dia tsy afaka mianatra matetika aza izy na elaela izy vao mampihatra. (Fil. 2:13) Azo antoka hoe manana toetra tsara be dia be ny mpianatrao, dia angataho i Jehovah mba hanampy anao hifantoka amin’izany.