REHEFA MAMPIANATRA

LESONA 11

Ataovy Mora Azo ny Fampianaranao

Ataovy Mora Azo ny Fampianaranao

Torolalana: “Raha tsy mora azo ny teny lazainareo, dia ahoana no hahafantaran’ny olona an’izay lazainareo?”​—1 Kor. 14:9.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Matio 6:25-27. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1.    Ahoana no nanasongadinan’i Jesosy hoe mikarakara antsika i Jehovah?

  2.   Na dia nahafantatra zavatra be dia be momba ny vorona aza i Jesosy, dia nataony tsotra ny fampianarany. Inona ny tsipiriany tena nifantohany? Nahoana izany no nandaitra?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

2. Ho mora tadidin’ny olona sy hanohina ny fony ny fampianarantsika raha tsotra.

Tahafo i Jesosy

3. Aza be resaka. Mifantoha amin’ny hevitra ao amin’ny fitaovana fampianarana ampiasainareo fa aza resahina aminy daholo izay rehetra fantatrao momba an’ilay foto-kevitra. Isaky ny avy mametraka fanontaniana ianao dia omeo fotoana kely izy mba hieritreretana ny valiny. Raha diso ny valin-teniny na tsy fantany izay havaly, dia mametraha fanontaniana fanampiny mba hampisaintsainana azy. Mifindrà amin’ny hevitra manaraka raha vao azony ny hevi-dehibe.

4. Ampio izy hahita ny ifandraisan’ny zava-baovao ianarany amin’izay efa fantany. Manaova, ohatra, famerenana fohy momba ny hoe manao ahoana ny maty alohan’ny handinihanareo ny lesona momba ny fitsanganana amin’ny maty.

5. Fidio tsara ny fanoharana ampiasainao. Eritrereto izao alohan’ny hampiasanao fanoharana:

  1.   a. ‘Tsotra ve ilay fanoharana?’

  2.  b. ‘Ho mora azon’ny mpianatro ve ilay izy?’

  3.  d. ‘Hanampy azy hitadidy ny hevi-dehibe ve ilay izy, sa ilay fanoharana fotsiny no ho tadidiny?’