REHEFA MAMPIANATRA

LESONA 12

Manàna Herim-po

Manàna Herim-po

Torolalana: “Mahatonga ny fo ho falifaly ny menaka sy ny emboka manitra, dia hoatr’izany koa ny namana mahafinaritra, izay manoro hevitra amim-pahatsorana.”​—Ohab. 27:9.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Marka 10:17-22. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1.    Inona no toetra tsara hitan’i Jesosy tao amin’ilay tovolahy mpanankarena?

  2.   Nila fitiavana sy herim-po i Jesosy mba hanomezana torohevitra an’ilay lehilahy. Nahoana?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

2. Raha te hanampy an’ilay mpianatra handroso isika dia mila miresaka aminy amim-pitiavana sy amim-pahatsorana.

Tahafo i Jesosy

3. Ampio ilay mpianatra mba hanana tanjona sy hanatratra an’izany.

  1.   a. Ampiasao ilay efajoro hoe “Tanjona” ao amin’ny lesona tsirairay ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!

  2.  b. Ampio izy hahita hoe inona no tokony hataony mba hanatratrarana tanjona madinidinika sy tanjona lavitra ezaka.

  3.  d. Ankasitraho foana izy amin’izay ezaka ataony.

4. Fantaro hoe inona no misakana azy tsy handroso, dia ampio izy.

  1.    Saintsaino izao:

    • ‘Raha tsy vonona ho amin’ny batisa ny mpianatro, dia inona no misakana azy?’

    • ‘Inona no azoko anampiana azy?’

  2.   Mivavaha mba hanana herim-po sy ho be fitiavana ary tsy hiolakolaka rehefa manazava amin’ilay mpianatra hoe inona no tokony hataony.

5. Ajanòny ny fianarana raha tsy mandroso izy.

  1.    Diniho ireto mba hahitanao raha mandroso ny mpianatrao:

    • ‘Ampihariny ve ny zavatra ianarany?’

    • ‘Manatrika fivoriana sy miresaka amin’ny hafa momba ny fahamarinana ve izy?’

    • ‘Te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah ve izy rehefa avy nianatra elaela?’

  2.   Raha tsy vonona ny handroso izy dia:

    • Asaivo mandinika izy hoe inona no misakana azy.

    • Miezaha ho tsara fanahy rehefa manazava aminy hoe maninona no ajanonao ny fianarany.

    • Ampahafantaro azy hoe inona no tokony hiezahany, mba ho afaka hianatra indray izy rehefa vonona.