Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA FANAMPINY A

Ireo Fahamarinana Tiantsika Hampianarina

Ireo Fahamarinana Tiantsika Hampianarina

Nilaza i Jesosy fa tonga dia ho fantatry ny olona tso-po ny fahamarinana rehefa maheno an’izany izy ireo. (Jaona 10:4, 27) Izany no mahatonga antsika hiresaka foto-kevitra tsotra rehefa mitory. Izao lazaina rehefa hiresaka foto-kevitra iray ianao: “Fantatrao ve hoe...?” na “Efa henonao ve hoe...?” Mampiasà andinin-teny mifandray amin’ilay foto-kevitra avy eo, mba hampianarana ny fahamarinana. Na dia tsotra aza ny foto-kevitra resahinao amin’ny olona anankiray, dia efa mamboly ny voan’ny fahamarinana ao am-pony ianao. Azon’Andriamanitra ampitomboina izany avy eo.​—1 Kor. 3:6, 7.

 NY HOAVY

  1. 1. Hisy fiovana hitranga tsy ho ela raha dinihina ny zava-misy eran-tany sy ny toetran’ny olona.​—Mat. 24:3, 7, 8; Lioka 21:10, 11; 2 Tim. 3:1-5.

  2. 2. Tsy ho potika mihitsy ny tany.​—Sal. 104:5; Mpito. 1:4.

  3. 3. Hiverina amin’ny laoniny ny tontolo iainana dia ho lasa paradisa ny tany.​—Isaia 35:1, 2; Apok. 11:18.

  4. 4. Ho salama tsara daholo ny olona.​—Isaia 33:24; 35:5, 6.

  5. 5. Ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany ianao.​—Sal. 37:29; Mat. 5:5.

 FIANAKAVIANA

  1. 6. Tokony ho “tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy tsirairay.”​—Efes. 5:33; Kol. 3:19.

  2. 7. Tokony hanaja lalina ny vadiny ny vehivavy manambady.​—Efes. 5:33; Kol. 3:18.

  3. 8. Tsy tokony hivadika amin’ny vadiny ny olona manambady. ​—Mal. 2:16; Mat. 19:4-6, 9; Heb. 13:4.

  4. 9. Hahita soa ny ankizy raha manaja sy mankatò ray aman-dreny.​—Ohab. 1:8, 9; Efes. 6:1-3.

NASA, ESA and the Hubble Heritage Team (STScI/AURA)-ESA/Hubble Collaboration. Licensed under CC BY 4.0. Source.

 ANDRIAMANITRA

  1. 10. Manana anarana Andriamanitra.​—Sal. 83:18; Jer. 10:10.

  2. 11. Misy hafatra lehibe tian’Andriamanitra hampitaina amintsika.​—2 Tim. 3:16, 17; 2 Pet. 1:20, 21.

  3. 12. Tsy manavakavaka Andriamanitra.​—Deot. 10:17; Asa. 10:34, 35.

  4. 13. Te hanampy antsika Andriamanitra.​—Sal. 46:1; 145:18, 19.

 VAVAKA

  1. 14. Tian’Andriamanitra hivavaka aminy isika.​—Sal. 62:8; 65:2; 1 Pet. 5:7.

  2. 15. Atoron’ny Baiboly antsika hoe hoatran’ny ahoana no atao rehefa mivavaka.​—Mat. 6:7-13; Lioka 11:1-4.

  3. 16. Tokony hivavaka matetika isika.​—Mat. 7:7, 8; 1 Tes. 5:17.

 JESOSY

  1. 17. Nahay nampianatra be i Jesosy ary mbola mandaitra hatramin’izao ny torohevitra nomeny.​—Mat. 6:14, 15, 34; 7:12.

  2. 18. Efa nolazain’i Jesosy mialoha ny zavatra hitranga amin’izao andro iainantsika izao.​—Mat. 24:3, 7, 8, 14; Lioka 21:10, 11.

  3. 19. Zanak’Andriamanitra i Jesosy.​—Mat. 16:16; Jaona 3:16; 1 Jaona 4:15.

  4. 20. Tsy Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy.​—Jaona 14:28; 1 Kor. 11:3.

Based on NASA/Visible Earth imagery

 FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

  1. 21. Fitondram-panjakana tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra ary any an-danitra no misy azy.​—Dan. 2:44; 7:13, 14; Mat. 6:9, 10; Apok. 11:15.

  2. 22. Hisolo ny fitondram-panjakan’olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Sal. 2:7-9; Dan. 2:44.

  3. 23. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hitondra vahaolana amin’ny zava-manahirana ny olombelona.​—Sal. 37:10, 11; 46:9; Isaia 65:21-23.

 FIJALIANA

  1. 24. Tsy Andriamanitra no mahatonga antsika hijaly.​—Deot. 32:4; Jak. 1:13.

  2. 25. I Satana no mifehy an’izao tontolo izao.​—Lioka 4:5, 6; 1 Jaona 5:19.

  3. 26. Hitan’Andriamanitra ny fijalianao ary te hanampy anao izy. ​—Sal. 34:17-19; Isaia 41:10, 13.

  4. 27. Tsy ho ela dia hamarana ny fijaliana Andriamanitra.​—Isaia 65:17; Apok. 21:3, 4.

 FAHAFATESANA

  1. 28. Tsy mahalala na inona na inona ny maty; tsy mijaly izy ireo.​—Mpito. 9:5; Jaona 11:11-14.

  2. 29. Tsy afaka manampy na manisy ratsy antsika ny maty.​—Sal. 146:4; Mpito. 9:6, 10.

  3. 30. Na dia maty aza ny olona tsy foinao dia mbola hitsangana.​—Joba 14:13-15; Jaona 5:28, 29; Asa. 24:15.

  4. 31. “Tsy hisy intsony ny fahafatesana.”​—Apok. 21:3, 4; Isaia 25:8.

 FIVAVAHANA

  1. 32. Tsy ny fivavahana rehetra no ankasitrahan’Andriamanitra.​—Jer. 7:11; Mat. 7:13, 14, 21-23.

  2. 33. Mankahala ny fihatsarambelatsihy Andriamanitra.​—Isaia 29:13; Mika 3:11; Mar. 7:6-8.

  3. 34. Ny tena fitiavana no ahafantarana ny fivavahana marina.​—Mika 4:3; Jaona 13:34, 35.