Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA FANAMPINY D

Fampianarana Baiboly Amin’ny Boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!

Fampianarana Baiboly Amin’ny Boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!

Nivavaka mafy sy nandinika tsara an’izay fanazavana hampidirina ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! ireo rahalahy rehefa nanomana azy io. Raha tianao handaitra ny fampiasanao an’io boky io rehefa mampianatra Baiboly, dia ampiasao ireto soso-kevitra ireto:

Alohan’ilay fianarana

  1. 1. Omano tsara ilay fianarana. Eritrereto tsara ny zavatra ilain’ilay mpianatra, sy ny toe-javatra misy azy, ary izay zavatra inoany rehefa manomana ianao. Diniho hoe inona ny hevitra mety tsy ho azony na mety ho sarotra aminy ny hampihatra azy. Diniho koa hoe mety hisy fanazavana ilainy ve ao amin’ilay hoe “Jereo koa Ireto.” Ampiasao izany mandritra an’ilay fianarana raha ilaina.

Mandritra an’ilay fianarana

  1. 2. Atombohy sy farano amin’ny vavaka ny fianarana raha manaiky ilay mpianatra.

  2. 3. Aza be resaka. Mifantoha amin’ny hevitra ao amin’ilay fianarana ary avelao izy hilaza ny heviny.

  3. 4. Rehefa hanomboka fizarana vaovao ianareo dia vakio ilay hevitra hodinihina ary resaho kely ny lohatenin’ny lesona sasantsasany.

  4. 5. Rehefa mahavita fizarana iray ianareo dia ampiasao ilay famerenana ny fizarana mba hanampy ny mpianatrao hitadidy ny fahamarinana nianarany.

  5. 6. Rehefa mianatra ny lesona tsirairay ianareo dia izao atao:

    1. a. Vakio ny tapany voalohany amin’ilay lesona.

    2. b. Vakio ny andinin-teny rehetra misy hoe “Vakio.”

    3. d. Vakio izay andinin-teny voatonona hitanao hoe tokony hovakiana.

    4. e. Alefaso daholo ny video misy hoe “Alefaso” (raha anananao ilay izy).

    5. f. Apetraho amin’ilay mpianatra ny fanontaniana tsirairay.

    6. g. Sariho amin’ireo sary eo amin’ilay hoe “Andao Hohalalinintsika” ny sain’ilay mpianatra ary asaivo manazava an’izany izy.

    7. h. Ampiasao ilay efajoro hoe “Tanjona” mba hanampy ny mpianatrao hahita ny fandrosoana nataony. Azonao ampirisihina izy mba hanatratra an’ilay tanjona efa voasoratra eo, na hametraka tanjona hafa, na ampirisiho izy hanatratra azy rehetra.

    8. i. Anontanio ny mpianatrao raha nisy lahatsoratra na video nahaliana azy tao amin’ilay hoe “Jereo koa Ireto” tamin’izy nanomana.

    9. j. Ezaho vitaina indray mandeha ny lesona tsirairay.

Aorian’ilay fianarana

  1. 7. Eritrereto foana ilay mpianatrao. Mivavaha amin’i Jehovah mba hitahy ny fandrosoany ary hanome anao fahendrena hanampiana azy.