Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mikaela

Mikaela

MIKAELA

(Mikaèla) [Iza no Tahaka An’Andriamanitra?].

1. Ilay anjely masina hany voatonona anarana ao amin’ny Baiboly, ankoatra an’i Gabriela. Izy io ihany no antsoina hoe “arkanjely.” (Jd 9) Ao amin’ny Daniela toko faha-10 no ahitana voalohany an’ilay hoe “Mikaela.” “Iray amin’ireo andriana lehibe indrindra” izy, ary tonga nanampy anjely iray niadian’ny “andrianan’ny fanjakan’i Persa.” Izy koa ilay ‘andrianan’ny firenen’i Daniela’, na ‘ilay andriana lehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenen’i Daniela.’ (Da 10:13, 20, 21; 12:1) Izy àry ilay anjely nitarika ny Israelita tany an-tany efitra. (Ek 23:20, 21, 23; 32:34; 33:2) Manamarina izany ny Joda 9 manao hoe: ‘I Mikaela arkanjely nifamaly tamin’ny Devoly sy nifanditra taminy ny amin’ny fatin’i Mosesy.’

Milaza ny Baiboly fa i Mikaela no anaran’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra tamin’izy tany an-danitra (talohan’ny nahatongavany teto an-tany), sy taorian’ny niverenany tany. I Mikaela irery no antsoina hoe “arkanjely”, izay midika hoe “filohan’ny anjely” na “anjely lehibe indrindra.” Amin’ny endriny milaza tokana foana io teny io ao amin’ny Baiboly. Toa midika izany fa iray ihany no notendren’Andriamanitra ho filoha na lehiben’ny anjely. Azo inoana fa i Jesosy Kristy Tompo tafatsangana tamin’ny maty ilay arkanjely, satria milaza ny 1 Tesalonianina 4:16 fa manana feon’arkanjely izy. Voalaza ao fa hidina avy any an-danitra izy, ka “hanome baiko mafy.” Mety ny ilazana hoe amin’ny “feon’arkanjely” no hanomezany an’ilay baiko, satria efa Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo izy izao ka manana fahefana lehibe. (Mt 28:18; Ap 17:14) Raha anjely hafa ilay “arkanjely” fa tsy i Jesosy Kristy, dia tsy mety ny ilazana hoe amin’ny “feon’arkanjely” no anomezany an’ilay baiko. Ambany kokoa noho ny an’ilay Zanak’Andriamanitra mantsy ny fahefan’izany anjely izany.

Misy porofo hafa koa ahitana fa ilay Zanak’Andriamanitra no Mikaela. Nilaza faminaniana ho tanteraka “amin’ny fotoanan’ny farany” (Da 11:40) i Daniela, rehefa avy niresaka momba an’i Mikaela. (Da 10:13) Hoy izy: “Mandritra izany fotoana izany, dia hitsangana i Mikaela, ilay andriana lehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny [firenen’i Daniela]. Ary hisy fotoam-pahoriana mbola tsy nisy toa azy, hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany fotoana izany.” (Da 12:1) Matetika no midika hoe manao zavatra, toy ny ataon’ny mpanjaka iray mandray fahefana na mandresy fahavalo ny hoe ‘mitsangana’, ao amin’ny faminanian’i Daniela. (Da 11:2-4, 7, 16b, 20, 21) I Jesosy Kristy àry no Mikaela, satria izy no Mpanjaka notendren’i Jehovah handringana ny firenena rehetra ao Hara-magedona.—Ap 11:15; 16:14-16.

Resahin’ny Apokalypsy (12:7, 10, 12) fa nisy ady nataon’i Mikaela rehefa niorina ny Fanjakan’Andriamanitra, ka nisy korontana teto an-tany. “Ary nisy ady nipoaka tany an-danitra: I Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona. Ary niady koa ilay dragona sy ny anjeliny. Ary nahare feo mafy tany an-danitra aho, nanao hoe: ‘Ankehitriny dia tonga ny famonjen’Andriamanitsika sy ny heriny ary ny fanjakany sy ny fahefan’ny Kristiny, satria natsipy ilay mpiampanga ny rahalahintsika ... Noho izany, dia mifalia ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy! Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina.’” Resahiny koa fa hitarika ny tafika any an-danitra i Jesosy Kristy, mba hiady amin’ireo firenena eto an-tany. (Ap 19:11-16) Ho azom-pahoriana ireo firenena amin’izay. Azo inoana fa ao anatin’ilay “fotoam-pahoriana” noresahin’i Daniela izany no hitranga, amin’ny fotoana hitsanganan’i Mikaela. (Da 12:1) Hiady amin’ireo firenena ilay Zanak’Andriamanitra, ka tsy maintsy ho izy sy ny anjeliny no niady tamin’ilay dragona matanjaka be (Satana Devoly) sy ny anjeliny.

Nantsoina hoe “ny Teny” (Jn 1:1) sy hoe Mikaela i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy. Mbola niantso ny tenany hoe Jesosy ihany “ny Teny” taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty (As 9:5), mba hampisehoana fa izy tokoa ilay Zanak’Andriamanitra tetỳ an-tany. Mbola antsoina amin’ny anarany hoe Mikaela sy amin’ny anaram-boninahiny (na anarany) hoe “Ny Tenin’Andriamanitra” (Ap 19:13) koa anefa izy. Ny hoe Mikaela dia midika hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?” Asehon’izany fa tsy manan-tsahala i Jehovah Andriamanitra, ary i Mikaela arkanjeliny no tena manamarina ny zony hitondra.

2. Rain’i Setora mpiadidy tao amin’ny fokon’i Asera. Anisan’ireo 12 lahy nirahina hijery taratra an’i Kanana i Setora.—No 13:2, 13.

3. Razamben’i Asafa avy amin’ny fianakavian’i Gersoma, zanak’i Levy.—1Ta 6:39, 40, 43.

4. Anisan’ny lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny fokon’i Isakara, avy amin’ny fianakavian’i Tola.—1Ta 7:1-3.

5. Mpiadidy tao amin’ny fokon’i Manase nivadika tamin’i Saoly, ka nanaraka an’i Davida tany Ziklaga.—1Ta 12:20.

6. Rain’i Omry, ary lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny fokon’i Isakara tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.—1Ta 27:18.

7. Iray amin’ireo zanak’i Josafata mpanjakan’ny Joda. Samy nomen-drainy fanomezana lafo vidy sy tanàna voaro mafy izy sy ny rahalahiny. Lasa mpanjaka anefa i Jorama, ka novonoiny daholo ny zandriny lahy enina, anisan’izany i Mikaela.—2Ta 21:1-4.

8. Gadita taranak’i Boza. Razamben’ilay No. 9 izy, ary nisy taranaka dimy nanelanelana azy ireo, fara fahakeliny.—1Ta 5:11, 13, 14.

9. Gadita ary lahimatoa tamin’ireo fito lahy zanak’i Abihaila. Taranak’ilay No. 8 izy, ary lohan’ny fianakaviamben’i Gileada. Voasoratra tao amin’ny tetirazana izy tamin’ny andron’i Jeroboama II mpanjakan’ny Israely sy Jotama mpanjakan’ny Joda.—1Ta 5:11-17.

10. Benjamita, taranak’i Saharaima sy Hosima vadiny avy tamin’i Elpala sy Beria.—1Ta 8:1, 8, 11-13, 16.

11. Rain’ilay Zebadia niara-niakatra tamin’i Ezra avy tany Babylona ho any Jerosalema, tamin’ny 468 T.K.—Ezr 8:1, 8.