Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitopolo Herinandro

Fitopolo Herinandro

Fe-potoana resahin’ny faminaniana ao amin’ny Daniela 9:24-27 hoe hanamboarana an’i Jerosalema, hisehoan’ny Mesia ary hamonoana azy ho faty. Horavana ny tanàna sy ny toerana masina, aorian’izay.

Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosy “zanak’i Ahasoerosy, taranaky ny Medianina” i Daniela mpaminany no nandinika ny faminanian’i Jeremia. Fantany àry fa akaiky ny fotoana hanafahana ny Jiosy tany Babylona sy hiverenan’izy ireo tany Jerosalema. Nivavaka mafy i Daniela, mifanaraka amin’ny teny nampilazain’i Jehovah an’i Jeremia hoe: “‘Dia hiantso ahy ianareo ka ho avy hivavaka amiko, ary hihaino anareo aho. Hitady ahy tokoa ianareo ka hahita ahy, satria hitady ahy amin’ny fonareo manontolo ianareo. Ary hataoko izay hahitanareo ahy’, hoy i Jehovah. ... ‘Dia haveriko any amin’ilay toerana nialanareo ianareo, na dia nalefako sesitany aza.’”​—Je 29:10-14; Da 9:1-4.

Mbola tsy tapitra ny vavaka nataon’i Daniela, dia efa nirahin’i Jehovah hilaza faminaniana taminy ny anjely Gabriela. Saika ny mpivaofy teny ara-baiboly rehetra no miaiky fa faminaniana momba ny Mesia izy io, na dia samy hafa aza ny fahazoan’izy ireo azy. Hoy i Gabriela:

“Fitopolo herinandro no atokana ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina mba hamaranana ny fandikan-dalàna, sy hampitsaharana ny ota, sy handrakofana ny fahotana, sy hampisy ny fahamarinana hatramin’ny fotoana tsy voafetra, sy hanisiana tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana, ary hanosorana ny Masina Indrindra. Ary aoka ho fantatrao sy ho azonao tsara fa manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ny didy hanarenana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy, mandra-pahatongan’ny Mesia Mpitarika, dia hisy fito herinandro sy roa amby enimpolo herinandro. Haorina indray i Jerosalema ka hamboarina, sady hasiana tany malalaka sy hadivory. Ao anatin’ny fotoam-pahoriana anefa no hanaovana izany. Aorian’ireo roa amby enimpolo herinandro, dia hovonoina ny Mesia, ka tsy hanana na inona na inona intsony. Ary ny tanàna sy ny toerana masina dia horavan’ny tafiky ny mpitarika iray ho avy. Ary horavan’ny tondra-drano manafotra ilay toerana masina. Ary hisy ady mandra-pahatongan’ny farany. Araka ny didy navoaka, dia hisy faharavana. Ary hataony manan-kery ho an’ny maro, mandritra ny herinandro, ny fifanekena. Hampitsahatra ny sorona sy ny fanatitra atao fanomezana izy, rehefa misasaka io herinandro io. Ary amin’ny elatry ny zava-maharikoriko no hahatongavan’ny mpandrava. Hihatra amin’ilay efa rava koa ny didim-pitsarana, mandra-pahatongan’ny fandringanana tanteraka.”​—Da 9:24-27.

Faminaniana momba ny Mesia. Tena manampy antsika hahafantatra ny Mesia sy ny fotoana nanombohan’ny 70 herinandro sy ny faharetany io faminaniana io. Raha herinandro nisy fito andro ara-bakiteny ilay izy, dia tsy tanteraka ilay faminaniana (nefa tsy azo inoana izany; Is 55:10, 11; He 6:18), na efa tonga tamin’ny andron’ny Fanjakana Persianina ny Mesia, 2 400 taona mahery lasa izay, nefa tsy fantatra hoe iza. Tsy ho nisy tanteraka koa ireo faminaniana maro be hafa momba ny Mesia, raha tsy fantatra hoe iza izy. Tsy maintsy ho naharitra ela kokoa àry ireo 70 herinandro, fa tsy 70 herinandro ara-bakiteny na herintaona sy efa-bolana mahery kely monja. Milaza ny ankamaroan’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly fa herinandron-taona ireo “herinandro” ireo. Misy Baiboly mandika azy io hoe “fito taona impitopolo” (DIEM). Misy hoe “fitopolo herinandron-taona” koa ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Tanakh, Baiboly navoakan’ny Fikambanana Jiosy Mpamoaka Boky tamin’ny 1985.​—Jereo Da 9:24, Kat., FFBF.

Oviana no tena nanomboka ireo “fitopolo herinandro”?

Nanomboka ireo 70 herinandro rehefa nahazo alalana hanorina indray ny manda sy ny tanànan’i Jerosalema i Nehemia, tamin’ny volana Nisana taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy mpanjakan’i Persa. (Ne 2:1, 5, 7, 8) Toa kalandrie hoatran’ny fampiasan’ny Jiosy ankehitriny no nampiasain’i Nehemia. Nanomboka tamin’ny volana Tisry (Septambra-Oktobra) izy io ary nifarana ny volana Elola (Aogositra-Septambra) izay volana faha-12. Tsy fantatra raha i Nehemia fotsiny no te hampiasa kalandrie toy izany, na efa fampiasa tany Persa ihany izany indraindray.

Mety hisy tsy hanaiky hoe kalandrie toy izany no nampiasain’i Nehemia. Nilaza mantsy, hono, izy fa efa tany amin’ny tanànany avy ny Israely tamin’ny volana fahafito (7:73), araka ny kalandrie nanomboka tamin’ny Nisana ka hatramin’ny Nisana. Ny tao amin’ny ‘boky nisy ny tetirazan’ireo nivoaka voalohany avy tany an-tsesitany’ (niaraka tamin’i Zerobabela tamin’ny 537 T.K.) anefa no naverin’i Nehemia. (Ne 7:5) Nilaza koa izy fa nankalazain’ny Israelita tamin’ny volana fahafito ny Fetin’ny Trano Rantsankazo tamin’ny androny. (Ne 8:9, 13-18) Hitan’izy ireo ‘voasoratra tao amin’ny lalàna’ mantsy ny didin’i Jehovah ao amin’ny Levitikosy 23:39-43 hoe tokony hankalazaina amin’ny “volana fahafito” (araka ny kalandrie ara-pivavahana nanomboka tamin’ny Nisana ka hatramin’ny Nisana) ny Fetin’ny Trano Rantsankazo.

Ilay kalandrie tsy ara-pivavahana nanomboka tamin’ny Tisry ka hatramin’ny Elola anefa no toa nampiasain’i Nehemia indraindray, rehefa ampitahaina ny Nehemia 1:1-3 sy 2:1-8. Resahin’ny Nehemia 1:1-3 fa nahare vaovao ratsy momba an’i Jerosalema izy tamin’ny volana Kisleo (volana fahatelo amin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana, fa fahasivy amin’ny kalandrie ara-pivavahana), ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy. Resahin’ny Nehemia 2:1-8 kosa fa niera tamin’ny mpanjaka izy ka navelany handeha hanorina indray an’i Jerosalema tamin’ny volana Nisana (volana fahafito amin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana, fa voalohany amin’ny kalandrie ara-pivavahana) ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy ihany. Tsy ilay kalandrie nanomboka tamin’ny volana Nisana àry no nampiasain’i Nehemia teo.

Oviana anefa ny taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy? Maty tamin’ny faramparan’ny 475 T.K. i Ksersesy rainy. Tamin’ny 475 T.K. àry ny taona nahazoan’i Artaksersesy fahefana, ary tamin’ny 474 T.K. no taona voalohany nanjakany, araka ny porofoin’ny tantara. Tamin’ny 455 T.K. àry ny taona faha-20 nanjakany.​—Jereo PERSA, PERSIANINA (Ny fitondran’i Ksersesy sy Artaksersesy).

“Fotoana hivoahan’ny didy.” Hisy 69 herinandron-taona “manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ny didy hanarenana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy, mandra-pahatongan’ny Mesia Mpitarika.” (Da 9:25) Porofoin’ny tantara sy ny Baiboly fa tany amin’ny faramparan’ny taona 29 A.K. i Jesosy no nataon’i Jaona batisa, ka lasa Voahosotra na Mesia Mpitarika. (Jereo JESOSY KRISTY [Daty nahaterahany, faharetan’ny fanompoany].) Avy eo amin’io taona io isika no manisa miverina ka mahita fa nanomboka tamin’ny 455 T.K. ireo 69 herinandron-taona. Tamin’io taona io tokoa no ‘nivoahan’ny didy hanarenana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy.’

Niangavy toy izao an’i Artaksersesy i Nehemia tamin’ny volana Nisana (Martsa-Aprily), ny taona faha-20 nanjakany (455 T.K.): “Raha mahazo sitraka eo anatrehanao ny mpanomponao, dia mba alefaso ho any Joda aho, any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako, mba hanorina azy io indray.” (Ne 2:1, 5) Navelan’ny mpanjaka nandeha i Nehemia ka nanao an’ilay dia lavitra avy tao Sosana nankany Jerosalema. Nandinika an’ireo manda izy ny alin’ny fahefatry ny volana Aba (Jolay-Aogositra). Nilaza tamin’ny Jiosy izy avy eo hoe: “Andao isika hanorina indray ny mandan’i Jerosalema, mba hifarana hatreo ny fandatsana antsika.” (Ne 2:11-18) I Nehemia àry no nanatanteraka an’ilay ‘didy navoakan’i’ Artaksersesy momba ny hanorenana indray an’i Jerosalema, tamin’ny 455 T.K. Nanomboka tamin’io taona io ny fanisana an’ireo 70 herinandro.

Vita tao anatin’ny 52 andro monja ireo manda, tamin’ny faha-25-n’ny volana Elola (Aogositra-Septambra). (Ne 6:15) Namboarina koa ny tanànan’i Jerosalema avy eo. “Fotoam-pahoriana” ho an’i Nehemia sy Ezra ary ny olon-kafa nandimby azy ny fito “herinandro” (49 taona) voalohany, satria nisy Jiosy sy Samaritanina ary olon-kafa nanakantsakana ny asany. (Da 9:25) Tsy nanao tsara ny asany koa ny mpisorona, araka ny voalazan’ny bokin’i Malakia izay nosoratana taorian’ny 443 T.K. Mety ho taorian’izay i Nehemia no niverina tany Jerosalema rehefa avy nitsidika an’i Artaksersesy. (Ampit. Ne 5:14; 13:6, 7.) Tsy resahin’ny Baiboly hoe nijanona hafiriana tany Jerosalema izy mba hanamboatra azy io, taorian’ny 455 T.K. Vita tao anatin’ny 49 taona (fito herinandron-taona) anefa izay nilaina namboarina, ary mbola teo i Jerosalema sy ny tempoliny rehefa tonga ny Mesia.​—Jereo MALAKIA, BOKIN’I (Fotoana nanoratana azy).

Tonga ny Mesia rehefa afaka ‘sivy amby enimpolo herinandro.’ Mbola hisy “roa amby enimpolo herinandro” (Da 9:25) aorian’ny “fito herinandro.” Tafiditra ao anatin’ny 70 herinandro koa ireo 62 herinandro ireo. Hisy 7 “herinandro” miampy 62 “herinandro” àry, izany hoe 69 “herinandro” na 483 taona, “manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ny didy” hanamboarana an’i Jerosalema, mandra-pahatongan’ny “Mesia Mpitarika.” Nivoaka ilay didy tamin’ny 455 T.K., ary tonga tamin’ny 29 A.K. ny Mesia. Natao batisa tokoa i Jesosy tamin’ny faramparan’io taona io, nohosorana fanahy masina ka lasa “Mesia Mpitarika”, ary nanomboka ny fanompoany.​—Lk 3:1, 2, 21, 22.

Nolazain’ny faminanian’i Daniela mialoha be àry ny taona hahatongavan’ny Mesia. Tsy tena fantatra raha nandinika an’io faminaniana io ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany mba hahalalana ny fotoana hiavian’ny Mesia. Hoy anefa ny Baiboly: “Efa niandriandry ny olona ary samy nihevitra tao am-pony momba an’i Jaona hoe: ‘Izy angamba no Kristy?’” (Lk 3:15) Tsy fantatr’izy ireo anefa ny andro sy herinandro ary volana tena hahatongavan’ny Mesia. Nanontany tena àry izy ireo raha i Jaona no Kristy, na dia tamin’ny voalohandohan’ny taona 29 aza izy no nanomboka ny fanompoany, izany hoe enim-bolana teo ho eo talohan’ny nanaovany batisa an’i Jesosy.

‘Novonoina’ rehefa nisasaka ny herinandro. Hoy koa i Gabriela: “Aorian’ireo roa amby enimpolo herinandro, dia hovonoina ny Mesia, ka tsy hanana na inona na inona intsony.” (Da 9:26) Novonoina ho faty teo amin’ny hazo fijaliana i Kristy, telo taona sy tapany teo ho eo taorian’ny ‘fito sy roa amby enimpolo herinandro’, ka nafoiny ny zava-drehetra ary nomeny ho vidim-panavotana ny ainy. (Is 53:8) Nandritra ny tapany voalohany tamin’ny “herinandro” i Jesosy no nanompo. Nilaza fanoharana mantsy izy tamin’ny faramparan’ny taona 32 hoe toy ny aviavy (ampit. Mt 17:15-20; 21:18, 19, 43) tsy namoa mihitsy nandritra ny “telo taona” ny firenena jiosy. Hoy ny mpikarakara tanimboaloboka tamin’ny tompon’ny tanimboaloboka nambolena an’ilay aviavy: “Tompo ô, avelao eo ihany izy amin’ity taona ity, mandra-pangadiko ny manodidina azy, sy mandra-panisiko zezika azy. Koa raha hamoa izy, dia tsara! Fa raha tsy hamoa kosa izy, dia hokapainao ihany.” (Lk 13:6-9) Te hilaza angamba i Jesosy hoe telo taona teo ho eo no nitoriany tamin’ilay firenena tsy nety nibebaka, ary mbola hotohiziny amin’ny taona manaraka ny fanompoany.

Fifanekena nanan-kery ‘nandritra ny herinandro.’ Hoy ny Daniela 9:27: “Ary hataony manan-kery ho an’ny maro, mandritra ny herinandro [na fito taona], ny fifanekena. Hampitsahatra ny sorona sy ny fanatitra atao fanomezana izy, rehefa misasaka io herinandro io.” Tsy ny fifaneken’ny Lalàna io fifanekena io satria ‘nesorin’Andriamanitra [ny Lalàna] rehefa nofantsihany tamin’ny hazo fijaliana’ (Kl 2:14), tamin’i Kristy natao sorona, telo taona sy tapany taorian’ny nanombohan’ny “herinandro” faha-70. “Nividy sy nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna i Kristy ... Amin’izay mantsy ilay fitahiana an’i Abrahama dia ho tonga amin’ny hafa firenena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.” (Ga 3:13, 14) Mbola nahazo fitahiana noho ilay fifanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama ny taranany, tamin’ny alalan’i Kristy. Rehefa nitory ny filazantsara tamin’i Kornelio miaramila italianina i Petera vao nahazo fitahiana koa ny hafa firenena. (As 3:25, 26; 10:1-48) Niova ho Kristianina i Kornelio sy ny ankohonany, taorian’ny niovan’i Saoly avy any Tarsosy ho Kristianina, tamin’ny taona 34 tany ho any (nandry feizay sy nihanatanjaka ny fiangonana taorian’izay). (As 9:1-16, 31) Tamin’i Kornelio lasa Kristianina tamin’ny faramparan’ny taona 36 tany ho any àry no nifarana ny “herinandro” faha-70, izany hoe 490 taona taorian’ny 455 T.K.

‘Natsahatra’ ny sorona sy ny fanatitra. Midika ara-bakiteny hoe “mahatonga hiala sasatra sy tsy hiasa fa hanao sabata” ny hoe ‘mampitsahatra’ ao amin’ny Daniela 9:27. Tsy ny sorom-panavotan’i Jesosy na ny sorona ataon’ny Kristianina ireo ‘sorona sy fanatitra hatsahatra’, fa ireo sorona sy fanatitra notakin’ny Lalàn’i Mosesy ka natolotry ny Jiosy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema.

‘Nisasaka ny herinandro’ rehefa nisasaka ny fito taona, na rehefa afaka telo taona sy tapany. Nanomboka tamin’ny faramparan’ny taona 29 ny “herinandro” faha-70, tamin’i Jesosy natao batisa sy voahosotra ho Kristy. Tamin’ny voalohandohan’ny taona 33 na tamin’ny Paska (14 Nisana) tamin’io taona io àry ny antsasak’ilay herinandro (telo taona sy tapany). Toa ny 1 Aprily 33 izy io, araka ny kalandrie gregorianina. (Jereo SAKAFO HARIVAN’NY TOMPO [Fotoana nisantarana an’ilay izy].) Nilaza ny apostoly Paoly fa tonga mba ‘hanao ny sitrapon’Andriamanitra’ i Jesosy, dia ny ‘hanaisotra ilay voalohany [ireo sorona sy fanatitra notakin’ny Lalàna] mba hanamafisany orina an’ilay faharoa’, rehefa natolony ho sorona ny vatany.​—He 10:1-10.

Mbola nanao sorona tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ny mpisorona jiosy, mandra-paharava azy io tamin’ny taona 70. Tsy neken’Andriamanitra intsony anefa ireny sorona noho ny ota ireny. Hoy i Jesosy tamin’ny mponin’i Jerosalema, taloha kelin’ny nahafatesany: “Hilaozana ny tranonareo ka havela ho anareo.” (Mt 23:38) Hoy i Paoly: “Nanolotra sorona noho ny ota” i Kristy, “dia sorona iray monja ho mandrakizay. ... Nataony lavorary mandrakizay ireo nohamasinina, ary fanatitra iray monja natao sorona no nanaovany izany.” “Rehefa voavela ireo fahotana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.” (He 10:12-14, 18) Noresahiny koa ilay faminanian’i Jeremia hoe hisy fifanekena vaovao. Efa lany andro sy nihantitra mantsy ilay fifanekena taloha (fifaneken’ny Lalàna) ka ‘nadiva ho levona.’​—He 8:7-13.

Nofaranana ny fandikan-dalàna sy ny ota. ‘Namarana ny fandikan-dalàna sy nampitsahatra ny ota ary nandrakotra ny fahotana’ ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty ary ny niakarany tany an-danitra. (Da 9:24) Nahariharin’ny Lalàna fa mpanota ny Jiosy. Nomelohin’ny Lalàna àry izy ireo ary voaozona noho izy ireo nivadika tamin’ny fifanekena. Teo amin’izay nahariharin’ny Lalàna fa nisy ota “be dia be” anefa, dia vao mainka be dia be ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fiantrany tamin’ny alalan’ny Mesia. (Ro 5:20) Ny soron’ny Mesia àry no amaranana ny fandikan-dalàna sy ny ota nataon’izay mpanota mibebaka, ka tsy hiharan’ny sazy izy.

Nampisy fahamarinana mandrakizay. Afaka nihavana tamin’Andriamanitra ireo mpino nibebaka, noho ny nahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana. Norakofana ny fahotan’izy ireo ary afaka ‘nanambara azy ho marina’ Andriamanitra. Haharitra mandrakizay izany fahamarinana izany, ary izany no hiantoka ny fiainana mandrakizay ho an’ireo ambara fa marina.​—Ro 3:21-25.

Nohosorana ny Masina Indrindra. Nohosorana fanahy masina i Jesosy tamin’izy natao batisa, ary nidina toy ny voromailala teo amboniny ny fanahy masina tamin’izay. Tsy izay anefa ny fanosorana ny “Masina Indrindra.” Tsy olona mantsy izy io fa ny toerana masina misy an’i Jehovah Andriamanitra. (Da 9:24; Ek 26:33, 34; 1Mp 6:16; 7:50) Ilay “tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa ary tsy nataon-tanana” àry ilay “Masina Indrindra” noresahin’i Daniela. Niditra tao amin’io tranolay io i Jesosy Kristy Mpisoronabe ary nitondra ny “ran’ny tenany.” (He 9:11, 12) Rehefa avy nanolotra ny ainy ho sorona sy niseho teo anatrehan’ny Rainy tany an-danitra i Jesosy, dia ny lanitra no lasa mifanitsy amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly. Ny fonenan’Andriamanitra any an-danitra àry no nohosorana na natokana ho “Masina Indrindra” ao amin’ilay tempoly ara-panahy lehibe, izay nanomboka nisy tamin’ny taona 29, rehefa nohosorana fanahy masina i Jesosy.​—Mt 3:16; Lk 4:18-21; As 10:37, 38; He 9:24.

‘Nasiana tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana.’ ‘Nanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana’ ny zava-drehetra nataon’ny Mesia, anisan’izany ny sorona nataony, ny nitsanganany tamin’ny maty, ny nisehoany teo anatrehan’ny Rainy tany an-danitra, ary ny zava-nitranga hafa nandritra ny herinandro faha-70. Noporofoin’ireny rehetra ireny mantsy fa marina ny fahitana sy faminaniana, sady avy amin’Andriamanitra fa tsy avy amin’olona. Nasiana tombo-kase ny fahitana satria tanteraka tamin’ny Mesia ihany. Tanteraka koa izy io rehefa nanao fahagagana tamin’ny alalany Andriamanitra. (Ap 19:10) Ny Mesia irery koa no afaka nanazava ny hevitr’ireo fahitana, sy nanatanteraka azy ireo.​—Da 9:24.

Noravana ny tanàna sy ny toerana masina. Tanteraka ny tapany farany amin’ny Daniela 9:26, 27, taorian’ny 70 “herinandro.” Nanda an’i Kristy mantsy ny Jiosy nandritra ny “herinandro” faha-70. Resahin’ny tantara fa i Titus zanak’i Vespasien mpanjakan’i Roma no nitarika ny tafika romanina hanafika an’i Jerosalema. Toy ny tondra-drano nanafotra ny fidiran’ilay tafika tao amin’ilay tanàna sy tao amin’ny tempoly. Noravany i Jerosalema sy ny tempoliny. Io tafika mpanompo sampy nitsangana tao amin’ny toerana masina io ilay “zava-maharikoriko.” (Mt 24:15) Tsy nisy nahomby izay ezaka hisakanana ny faharavan’i Jerosalema, satria efa namoaka didy Andriamanitra hoe “hisy faharavana.” “Hihatra amin’ilay efa rava koa ny didim-pitsarana, mandra-pahatongan’ny fandringanana tanteraka.”

Fomba fihevitry ny Jiosy. Natao teo anelanelan’ny taona 500 sy 1000 ny soratra nataon’ny Masoreta, ary nampiasa teboka solon’ny zanatsoratra izy ireo. Tsy nanaiky an’i Jesosy Kristy ho Mesia anefa ny Masoreta, ka nasian’izy ireo ʼathnah na “mari-piatoana” aorian’ny hoe “fito herinandro”, izay lasa tafasaraka amin’ny hoe “roa amby enimpolo herinandro.” (Da 9:25) Toy ny hoe naharitra 62 herinandro na 434 taona àry ny nanamboarana an’i Jerosalema fahiny. Hoy koa ny Baiboly iray: “Izao no aoka ho fantatrao sy ho azonao: manomboka amin’ny fotoana nivoahan’ny hafatra mampanamboatra indray an’i Jerosalema, ka hatramin’ny fotoana isehoan’ilay mpitarika voahosotra, dia hisy fito taona impito. Avy eo, mandritra ny fito taona in-62 dia amboarina indray ny tanàna sy ny hady, nefa ho androm-pahoriana izany.” (DIEM) Mitovitovy amin’izany koa ny voalazan’ny Baiboly nadikan’ny Fikambanana Jiosy Mpamoaka Boky any Amerika hoe “hisy fito herinandro; ary mandritra ny roa amby enimpolo herinandro izy io no haorina indray.” Teny nampian’ireo mpandika teny anefa ny hoe “mandritra” ao amin’ireo Baiboly ireo, mba hanohanany ny heviny.

Hoy ny Profesora E. Pusey momba ny mari-piatoana nataon’ny Masoreta, tao amin’ny famelabelarana nataony tao amin’ny Oniversiten’i Oxford: “Nataon’ny Jiosy teo ambanin’ny שִׁבְעָה [fito] ny mari-piatoana lehibe ao amin’ilay andininy, satria tiany hosarahina ireo tarehimarika roa, dia ny 7 sy ny 62. Tsy mety ny nataony למען המינים (hoy i Rashi [Raby jiosy nalaza tamin’ny taonjato faha-11 sy 12] tamin’izy tsy nanaiky ny fanazavana ara-bakiteny nanamarina ny hevitry ny Kristianina), nefa niniany natao ‘noho ny amin’ireo mpivadi-pinoana’ na ny Kristianina. Lasa toy izao mantsy ny hevitry ny tapany faharoa, rehefa nosarahina ilay fehezanteny: ‘Ary mandritra ny roa amby enimpolo herinandro no hanamboarana indray ny lalana sy ny manda’ izany hoe mandritra ny 434 taona no hanorenana indray an’i Jerosalema. Tsy mitombina anefa izany.”​—Daniela Mpaminany, 1885, p. 190, f.a.p.

Hoy ny Daniela 9:26 (DIEM): “Rehefa tapitra ny fito taona in-62, dia hisy lehilahy voahosotra iray hovonoina ho faty nefa tsy hisy hiaro azy.” Milaza ny Jiosy mpivaofy teny fa fe-potoana nitondran’ny Makabeo ireo 62 herinandro, ary i Agripa II, mpanjaka velona tamin’ny fotoana nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70 A.K., ilay “voahosotra.” Misy indray milaza fa i Oniasa izy io, ilay mpisoronabe nesorin’i Antiokosa Epifana tamin’ny toerany tamin’ny 175 T.K. Lasa tsy tena zava-dehibe intsony anefa ilay faminaniana raha i Agripa na i Oniasa ilay voahosotra. Tsy azo lazaina ho marina intsony koa ilay izy raha mifanalavitra be toy izany ny fotoana novinavinaina fa nahataperan’ny 62 herinandro.​—Jereo Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino (fanazavana ny Da 9:25, 26), nataon’i A. Cohen, Londres, 1951.

Milaza mantsy ireo manam-pahaizana jiosy ireo fa tsy 7 ampitomboina 7 na 49 taona ireo “fito herinandro”, fa 70 taona. Ny 62 herinandro anefa lazainy fa 62 taona ampitomboina 7, izay fotoana nanaovana sesitany ny Jiosy tany Babylona, hono. I Kyrosy na i Zerobabela na i Jesoa Mpisoronabe, hono, ilay “voahosotra” resahin’ny Daniela 9:25, fa hafa kosa ilay resahin’ny Daniela 9:26.

Tsy mampiasa mari-piatoana toy ny nataon’ny Masoreta ny ankamaroan’ny Baiboly malagasy, ao amin’ny Daniela 9:25. Misy manisy faingo aorian’ny hoe “fito herinandro.” Ny firafitry ny fehezanteny ao amin’ny Baiboly sasany koa mampiseho fa aorian’ny 7 ireo 62 herinandro, ka anisan’ny 70 herinandro. Tsy milaza àry izy ireny hoe naharitra 62 herinandro ny nanamboarana an’i Jerosalema. (Ampit. Da 9:25, Kat., Prot., JM, FFBF, TV.) Hoy ny fanazavan’i James Strong: “Sarahin’ny Baiboly sasany ny fito herinandro sy ny roa amby enimpolo herinandro, ka lazainy fa ilay voalohany no terminus ad quem [fotoana farany tsy maintsy] hahatongavan’ilay Andriana Voahosotra, ary ilay faharoa no fotoana nanorenana indray [an’ilay tanàna]. Ny hany anton’izany dia ilay Atnak na mari-piatoana nataon’ny Masoreta teo anelanelan’ireo herinandro ireo. ... Lasa mihantona ny tapany faharoa amin’ilay fehezanteny satria tsy misy mpampiankin-teny. Tsara kokoa sy tsotra kokoa àry ny manao hoatran’ny nataon’ny Dikan-teny Nohavaozina, izay manaraka ny nataon’ny dikan-teny rehetra taloha kokoa.”​—Fanazavana ny Soratra Masina nataon’i Lange (Da 9:25, f.a.p., p. 198), nadika sy nataon’i P. Schaff, 1976.

Mbola misy fanazavana maro hafa koa momba ny hevitr’ilay faminaniana, ka misy milaza fa tanteraka tamin’ny Mesia ilay izy, ary misy milaza fa tanteraka tamin’ny olon-kafa. Novan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo tranainy indrindra ananantsika ankehitriny anefa ilay faminaniana, ka lasa tsy nitovy tamin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany. Nohazavain’ny Profesora Pusey (Daniela Mpaminany, p. 328, 329) fa novan’ny mpandika teny ny fotoana, ary nisy teny nampiany na novany na nafindrany toerana, mba hiheverana fa mahakasika ny tolona nataon’ny Makabeo ilay faminaniana. Ny dikan-tenin’i Théodotion, manam-pahaizana jiosy velona tamin’ny taonjato faharoa, indray anefa no narahin’ny ankamaroan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ankehitriny, ka lasa mitovy amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany ilay faminaniana.

Misy mampifamadika an’ireo fotoana ao amin’ilay faminaniana. Misy indray milaza fa iray ihany ireo fotoana ireo. Misy kosa milaza hoe tsy tanteraka ilay faminaniana. Misafotofoto anefa ny fanazavan’ireny olona ireny, ka hita fa tsy mitombina. Milaza àry ny sasany hoe tsy marina na tsy avy amin’Andriamanitra ilay faminaniana. Vao mainka anefa izany mampipoitra olana hafa. Hoy i E. Pusey: “Saro-bahana ireny olana ireny amin’ny tsy mpino. Tsy maintsy nitady vahaolana àry izy ireo. Izay vahaolana tiany ihany anefa no nofidiny, ary tena mora taminy izany satria ny tenin’Andriamanitra ihany no tsy ninoany.”​—P. 206.