Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahita Zava-kendrena teo Amin’ny Fiainana Izy

Nahita Zava-kendrena teo Amin’ny Fiainana Izy

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Nahita Zava-kendrena teo Amin’ny Fiainana Izy

NILAZA i Jesosy fa nahafantatra ny ondriny izy. (Jaona 10:14). Raha manana fo tsara ny olona iray ary manam-pitiavana ny fiadanana sy ny fahamarinana, dia ho voasintona ho amin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy izany olona izany. Hahita zava-kendrena eo amin’ny fiainana ny olona toy izany, toy ilay vehivavy iray tany Belzika. Izao no tantarany:

“Fony nandondòna teo am-baravarako ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ketraka mafy aho ary nihevitra ny hamarana ny fiainako. Tiako izay nolazain’ireo Vavolombelona mikasika ny ala olana ho an’ireo zava-manahirana eo amin’ity tontolo marary ity, saingy tsy tiako ilay hevitra hoe tafiditra amin’izany Andriamanitra. Nitsahatra tsy nandeha tany am-piangonana aho valo taona talohan’izay noho ny fankahalako ny fihatsarambelatsihy hitako tao. Teo amin’ireo Vavolombelona anefa, dia fantatro tao amin’izay nolazain’izy ireo ny fanenon’ny fahamarinana, ary nanjary takatro fa, rehefa dinihina, dia mafy ny miaina tsy misy an’Andriamanitra.

“Nampalahelo fa, taorian’ny fitsidihana vitsivitsy, dia tapaka ny fifandraisana tamin’ny Vavolombelona. Nahatsiaro tena ho fadiranovana aho. Nifoka sigara fonosana roa isan’andro aho, ary nanomboka nampiasa zava-mahadomelina mihitsy. Noho ny faniriako hiresaka tamin’ny raibeko efa maty, dia niroboka tao amin’ny spiritisma aho. Toy inona moa ny tahotro rehefa irery tamin’ny alina aho ka niharan’ny fanafihan’ny demonia ho vokatr’izany! Naharitra am-bolana maro izany. Isan-kariva aho dia raiki-tahotra tamin’ny fieritreretana hoe irery.

“Avy eo, indray andro dia nitsangantsangana aho, nandeha tamin’ny lalana tsy nitovy tamin’ilay falehako, ary tonga teo amin’ny toeram-panorenana lehibe iray. Gaga aho nahita vahoaka maro be teo. Rehefa nanatona akaiky kokoa aho, dia nahita fa Vavolombelon’i Jehovah teo am-panorenana Efitrano Fanjakana iray ilay izy. Tsaroako ireo fitsidihana nataon’ny Vavolombelona tany an-tranoko, ary nieritreritra aho hoe, hahafinaritra tokoa raha afaka miaina toy ireo olona ireo izao tontolo izao manontolo.

“Tena naniry ny hiverenan’ny Vavolombelona tany an-tranoko aho, ka niresaka tamin’ny sasany izay niasa teo amin’ilay efitrano. Nivavaka tamin’Andriamanitra aho, ary folo andro tatỳ aoriana, dia teo am-baravarako ilay lehilahy izay nifandray tamiko voalohany. Nanipy hevitra ny hanohizanay ilay fianarana ny Baiboly izy, ary dia nanaiky tamin-kafaliana aho. Avy hatrany dia nanasa ahy ho any amin’ireo fivoriana tany amin’ilay Efitrano Fanjakana izy. Nanaiky aho. Mbola tsy nahita zavatra toy izany mihitsy aho! Efa ela no nitadiavako olona izay nifankatia sy sambatra. Ary indreto ihany izy ireo rehefa ela ny ela!

“Taorian’izay dia nankany amin’ireo fivoriana rehetra aho. Afaka roa tokom-bolana teo ho eo, dia natsahatro ilay fahazaran-dratsy nifoka. Nariako ireo bokiko momba ny fanandroana sy ireo kapila nisy mozika satanika nananako, ary afaka nahatsapa aho fa tsy nahazo vahana teo amiko ireo demonia. Nandamina ny fiainako hifanaraka tamin’ny fari-pitsipik’i Jehovah ao amin’ny Baiboly aho, ary rehefa afaka telo volana dia nanomboka nitory ny vaovao tsara. Rehefa afaka enim-bolana dia natao batisa aho. Roa andro taorian’ny batisako, dia nanomboka ny asan’ny mpisava lalana mpanampy aho.

“Misaotra an’i Jehovah aho noho ny zava-tsoa rehetra nataony tamiko. Manana zava-kendrena ihany ny fiainako rehefa ela ny ela. Eny, ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy izay nahitako fialofana sy fiarovana. (Ohabolana 18:10). Tena mitovy amin’ny an’ny mpanao salamo ny tsapako, rehefa nanoratra ny Salamo 84:10 izy nanao hoe: “Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ny tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ny ratsy fanahy.”

Nahita zava-kendrena teo amin’ny fiainana io vehivavy nanana fo feno fahalemem-panahy io. Afaka manao toy izany koa na iza na iza mitady an’i Jehovah amin’ny fo tsara.