Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fisaorana An’i Jehovah​—Amin’ny Alalan’ny Fanompoana Manontolo Andro!

Fisaorana An’i Jehovah​—Amin’ny Alalan’ny Fanompoana Manontolo Andro!

Tantaram-piainana

Fisaorana An’i Jehovah​—Amin’ny Alalan’ny Fanompoana Manontolo Andro!

NOTANTARAIN’I STANLEY E. REYNOLDS

Teraka tany Londres, eto Angletera, aho tamin’ny 1910. Taorian’ny Ady Lehibe Voalohany, dia nifindra nankany amin’ny tanàna kely antsoina hoe Westbury Leigh, any amin’ny faritr’i Wiltshire, ny ray aman-dreniko. Tamin’ny naha zatovolahy ahy, dia matetika aho no nanontany tena hoe: ‘Iza moa Andriamanitra?’ Tsy nisy mihitsy afaka nanome ahy ny valiny. Ary tsy fantatro mihitsy koa ny antony nilan’ny fiaraha-monina kely, sahala amin’ny anay, chapelles roa sy fiangonana iray hanolorana fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra.

TAMIN’NY 1935, efa-taona talohan’ny nanombohan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nandeha bisikileta nankany Weymouth, any amin’ny morontsiraka atsimon’i Angletera, izaho sy i Dick zandriko lahy, mba hiala sasatra sy hilasy tany. Raha mbola nipetraka tao an-day nihaino ny fikijan’ny orana ary nanontany tena ny amin’izay hatao izahay, dia inty tamy nitsidika anay ny lehilahy manan-kaja iray efa zokiolona, ary nanolotra boky telo fianarana Baiboly ho ahy​—La Harpe de Dieu sy Lumière I ary Lumière II. Noraisiko izy ireo, ary faly aho nahazo zavatra hanalana andro. Sondriana avy hatrany tamin’izay novakiko aho, nefa tsy azoko an-tsaina mihitsy fa izany dia hanova tanteraka ny fiainako​—sy ny an’ilay rahalahiko koa.

Nolazain-dreniko tamiko, nony tafaverina tany an-trano aho, fa nizara zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly karazan’ireny koa i Kate Parsons, vehivavy mpiray tanàna taminay. Be mpahafantatra izy, satria na dia efa be taona aza, dia mbola nitsidika ireo olona niely patrana tao amin’ilay fiaraha-monina nisy anay tamin’ny môtô keliny ihany. Nandeha nankany aminy aho, ary faly izy nanome ahy ny boky Création sy Richesses ary zavatra vita an-tsoratra hafa navoakan’ny Fikambanana Watch Tower. Nilaza tamiko koa izy fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenany.

Taorian’ny namakiako ireo boky ireo niaraka tamin’ny Baiboliko, dia fantatro fa i Jehovah no Andriamanitra marina, ary naniry ny hanolotra fanompoam-pivavahana ho azy aho. Noho izany, dia nandefa taratasy fialana tamin’ny fiangonanay aho, ary nanomboka nanatrika fianarana Baiboly tao an-tranon’i John sy i Alice Moody. Nipetraka tao Westbury, ny tanàna nifanakaiky indrindra tamin’ny anay, izy ireo. Fito monja izahay no nanatrika ireny fivoriana ireny. Taloha sy taorian’ny fivoriana, dia nitendry arimonia i Kate Parsons, ary nihira tamin-kafanam-po ny hiran’ilay Fanjakana izahay!

Tany am-boalohany

Hitako fa fotoan-dehibe no iainantsika, ary naniry mafy ny handray anjara amin’ny asa fitoriana, voalazan’ny faminaniana ao amin’ny Matio 24:14, aho. Noho izany, dia nijanona tsy nifoka sigara intsony aho, nividy kitapo ho ahy, ary nanao ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Lehibe.

Tamin’ny Aogositra 1936, dia nitsidika an’i Glasgow, any Ekosy, i Joseph F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, mba hanao lahateny nahakasika ny loha hevitra hoe “Haramagedona”. Na dia 600 kilaometatra niala avy teo aminay aza no nisy an’i Glasgow, dia nanapa-kevitra ny ho any aho, ka hatao batisa tamin’io fivoriambe io. Nanify dia nanify ny volako, noho izany, dia nentiko tamin’ny fiarandalamby hatrany Carlisle, tanàna eo amin’ny sisin-tanin’i Ekosy, ny bisikiletako, ary hatreo aho dia nandeha lalana 160 kilaometatra am-bisikileta nianavaratra. Nandehanako bisikileta koa ny ankamaroan’ny lalako nody, ka vizana be ara-batana aho nony tafaverina, fa nahazo tanjaka ara-panahy kosa.

Nanomboka hatreo, dia bisikileta foana no notaingenako, tamin’ny fotoana rehetra nandehanako nizara ny finoako tamin’ny olona teny amin’ny tanàna manodidina ny nisy anay. Nanana karatra fitoriana, misy hafatra avy ao amin’ny Soratra Masina natao hovakin’ny tompon-trano, ny Vavolombelona tsirairay, tamin’izany fotoana izany. Nampiasa grafofaonina fitondra mandeha koa izahay mba handefasana ireo kapila nisy ny lahatenin’ny prezidàn’ny Fikambanana. Ary mazava ho azy fa nitondra kitapo fasiana gazety foana koa izahay, * ka izany no nahafantaran’ny olona fa Vavolombelon’i Jehovah izahay.

Nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny ady

Natao batisa tamin’ny 1940 ny zandriko lahy. Nanomboka ny Ady Lehibe Faharoa tamin’ny 1939, ary samy nahatsapa ny ilana maika ny hahatongavana ho mpitory manontolo andro izahay mirahalahy. Noho izany, dia nandefa fangatahana hanao ny asan’ny mpisava lalana izahay. Velom-pankasitrahana izahay rehefa niara-notendrena ho any amin’ny tranon’ny mpisava lalana tany Bristol, ka tany dia nanampy isa an-dry Edith Poole, Bert Farmer, Tom sy Dorothy Bridges, Bernard Houghton, sy mpisava lalana hafa, izay nanam-pinoana nahatalanjona anay hatramin’ny ela.

Tsy ela dia tonga naka anay ny kamiaonety kely, nisy soratra tamin’ny sora-matevina hoe “VAVOLOMBELON’I JEHOVAH” teo amin’ireo sisiny. Ny mpamily ilay fiara dia i Stanley Jones, izay tonga misionera tany Chine tatỳ aoriana, ary nogadraina fito taona tany, natoka-monina tao am-ponja, noho izy nanao ny asa fitoriany.

Tsindraindray tadiavina izahay vao mba natory tsara rehefa alina, noho ny ady nihanahery vaika. Nilatsaka nanodidina ilay tranon’ny mpisava lalana nisy anay ny baomba, ka tsy maintsy nitoetra ho nifoha foana izahay noho ny afo nety ho tonga tampoka. Indray takariva, dia nandao ny tampon-tanànan’i Bristol izahay, taorian’ny fivoriambe nahafinaritra iray natrehin’ny Vavolombelona niisa 200, ary tonga soa aman-tsara tany an-tranonay, izay azo lazaina fa fialofana tsara ihany tamin’ireo daroka baomba sesilany.

Ny ampitso marainan’iny, dia niverina tany an-tanàna izahay sy i Dick mba haka zavatra sasany hadinonay tany. Gina izahay mirahalahy. Potika i Bristol. Rava sy may ny tampon-tanàna manontolo. Antontan-javatra rava, mbola nidona-tsetroka, sisa i Park Street, izay nisy ny Efitrano Fanjakananay. Tsy nisy anefa Vavolombelona maty na naratra mafy. Soa ihany fa efa nafindranay niala tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny zavatra vita an-tsoratra ara-baibolinay, ary notsinjaraina tany an-tranon’ireo mpikambana tao amin’ny kongregasiona izany. Nisaotra an’i Jehovah izahay noho izany zavatra roa loha nataony taminay izany.

Fahafahana tsy nampoizina

Ny kongregasionan’i Bristol, izay nanompoako tamin’ny naha mpiandraikitra mpitantan-draharaha ahy, dia efa nanana mpitory 64 tamin’ny fotoana nahazoako ny taratasy fiantsoana ahy hanao raharaha miaramila. Vavolombelona maro hafa no efa nampidirina am-ponja noho ny fialanalanana notanan’izy ireo, ary nanampo ny hisian’ny fameperana ny fahafahako hitory aho. Nohenoin’ny tribonaly teo an-toerana, tao Bristol, ny raharaha momba ahy, rehefa nilaza zavatra tsara mahakasika ahy tao ny rahalahy Anthony Buck, polisin’ny fonja teo aloha. Izy dia lehilahy feno fahasahiana, tsy nanan-tahotra, be herim-po ho an’ny fahamarinana ara-baiboly, ary vokatry ny filazana tsara dia tsara nataony, dia nafahana tanteraka, tamin’ny fomba tsy nampoizina, tamin’ny fanaovana raharaha miaramila aho, raha mbola nanohy ihany koa ny fanompoako manontolo andro!

Nientam-po noho ny fahafahako aho, ary tapa-kevitra ny hampiasa azy io mba hitoriana hatramin’ny faran’izay azo atao. Rehefa naharay fiantsoana mba hiseho tany amin’ny biraon’ny sampana any Londres aho, ka hiresaka amin’i Albert D. Schroeder, mpiandraikitra ny sampana, dia ara-dalàna raha nanontany tena ny amin’izay niandry ahy tany aho. Alao sary an-tsaina ny fahatairako rehefa nasaina ho any Yorkshire aho mba ho mpiandraikitra mpitety faritany, ary hitsidika kongregasiona samy hafa isan-kerinandro, hanampy sy hampahery an’ireo rahalahy. Nahatsiaro tena ho tsy ampy fahaizana mba hanatontosana fanendrena toy izany aho, kanefa afaka tamin’ny fanaovana raharaha miaramila aho aloha, ary afaka ny handeha malalaka. Noho izany dia nanaiky ny fitarihan’i Jehovah aho, ary vonona ny handeha.

Nampifankahalalain’i Albert Schroeder tamin’ireo rahalahy tany amin’ny fivoriambe iray natao tany Huddersfield aho, ary nandray ny asa nanendrena ahy, tamin’ny Aprily 1941. Hafaliana toy inona moa ny nahafantarana an’ireo rahalahy malala ireo! Ny fitiavana sy ny hatsaram-panahin’izy ireo dia nahatonga ahy hankasitraka bebe kokoa ny fananan’i Jehovah vahoaka be fandavan-tena sy mifankatia.​—Jaona 13:35.

Tombontsoam-panompoana bebe kokoa

Nisy fivoriamben’ny distrika dimy andro tsy hay hadinoina natao tao De Montfort Hall, ao Leicester, tamin’ny 1941. Na dia krizy aza ny sakafo sady voafetra ny fitaterana teto an-toerana, dia mbola nahatratra ny tampon’isa 12 000 ihany ny mpanatrika ny alahady; tamin’izany fotoana izany anefa, dia tsy nisy afa-tsy Vavolombelona 11 000 mahery kely, nanerana an’i Angletera. Nalefa hohenoina ny kapila nisy ny lahatenin’ny prezidàn’ny Fikambanana, ary navoaka ny boky Enfants. Tsy isalasalana fa fotoan-dehibe teo amin’ny tantara teokratikan’ny vahoakan’i Jehovah teto Grande-Bretagne iny fivoriamben’ny distrika notontosaina tao anatin’ny Ady Lehibe Faharoa iny.

Naharay fanasana mba hanompo miaraka amin’ny Fianakavian’ny Betela ao Londres aho, tsy ela taorian’io fivoriamben’ny distrika io. Niasa tao amin’ny sampan-draharahan’ny fandefasana sy ny famonosana entana aho tao, ary tatỳ aoriana dia tao amin’ny birao, nikarakara ireo raharahan’ny kongregasiona.

Tsy maintsy nanampo ny hisian’ny fanafihan’ny fiaramanidina mpiady andro aman’alina ny Fianakavian’ny Betela tao Londres, ary koa ny fisafoana ataon’ireo manam-pahefana amin’ireo rahalahy tompon’andraikitra niasa tao. Naiditra am-ponja noho ny fialanalanana notanany i Pryce Hughes sy i Ewart Chitty ary i Frank Platt, ary tamin’ny farany dia noroahina hody any Etazonia i Albert Schroeder. Na dia teo aza izany fanerena izany, dia voakarakara tsara hatrany ireo kongregasiona sy ny tombontsoan’ilay Fanjakana.

Ho any Gileada!

Rehefa nifarana ny ady tamin’ny 1945, dia nangataka mba hiofana ho misionera any amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower aho, ary nekena ho anisan’ny kilasy fahavalo, tamin’ny 1946. Nanao fandaharana ny Fikambanana mba hiondranan’ny maro taminay an-tsambo avy eo amin’ny seranan-tsambo fanjonoana tao Fowey, any Cornouailles, ka anisan’izany i Tony Attwood, i Stanley Jones, i Harold King, i Don Rendell, ary i Stanley Woodburn. Nisy Vavolombelona iray avy eo an-toerana nanoratra ny anaranay mba ho anisan’ny mpandeha tamin’ny sambokely mpitondra entana nitatitra kaolinina. Tery dia tery ny efitra nisy anay, ary rakotry ny rano foana ny tokotanin-tsambo. Maivamaivana erỳ izahay rehefa nadiva hiditra ny seranan’i Philadelphie ilay sambo nitondra anay tamin’ny farany!

Tsara toerana tao South Lansing, ao avaratr’i New York, ny fonenan’ny mpianatra tao Gileada, ary zava-dehibe tamiko ny fampiofanana azoko tao. Avy tamin’ny firenena 18 ireo mpianatra tao amin’ny kilasinay​—sambany ny Fikambanana vao afaka nandray mpianatra maro be avy tany an-tany hafa​—ary nanjary nanana fifandraisana akaiky izahay. Tena nisy fifankahazoana am-po teo amiko sy ilay mpiray efitra tamiko, i Kalle Salavaara, avy any Failandy.

Nandalo haingana ny fotoana, ary rehefa vita ny dimy volana dia tonga avy tany amin’ny foibe any Brooklyn i Nathan H. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana, mba hizara ny diplaomanay sy hanambara izay toerana hanendrena anay. Tsy fantatry ny mpianatra izay toerana hanendrena azy, tamin’izany fotoana izany, mandra-pilaza izany tamin’ny fotoana fizarana diplaoma. Notendrena hiverina tany amin’ny Betelan’i Londres aho mba hanohy ny asako tao.

Niverina tany Londres

Fotoam-pahasahiranana ireo taona taorian’ny ady, teto Grande-Bretagne. Mbola krizy ihany ny sakafo sy ny zavatra ilaina hafa, anisan’izany ny taratasy. Afaka nivelona ihany anefa izahay, ary niroborobo ny tombontsoan’ny Fanjakan’i Jehovah. Fanampin’ny asako tao amin’ny Betela, dia nanompo tamin’ireo fivoriamben’ny distrika sy fivoriamben’ny fizaran-tany aho, ary nitsidika kongregasiona, ka anisan’izany ireo kongregasiona sasany tany Irlandy. Tombontsoa koa ny nifankahalalana tamin’i Erich Frost ary ny rahalahy sy ny anabavy hafa avy eto Eoropa, ka nandre avy tamin’izy ireny ny vaovao mahakasika ny tsy fivadihan’ireo Vavolombelona mitovy amin’ny tena, izay niatrika ireo zavatra nampihorohoron’ny toby fitanana nazia. Tena tombontsoa nahasambatra tokoa ny fanompoana tao amin’ny Betela.

Folo taona no nahafantarako an’i Joan Webb, mpisava lalana manokana nanompo tao Watford, tanàna iray ao avaratra kelin’i Londres. Nivady izahay tamin’ny 1952. Samy naniry hanohy tao amin’ny fanompoana manontolo andro izahay mivady, hany ka nientam-po tokoa izahay rehefa voatendry ho mpiandraikitra ny fizaran-tany aho, taorian’ny nandaozako ny Betela. Tany amin’ny morontsiraka atsimon’i Angletera no nisy ny fizaran-taninay voalohany, tany Sussex sy Hampshire. Tsy mora ny asan’ny fizaran-tany tamin’izany fotoana izany. Nandeha aotobisy sy nandeha bisikileta ary nandeha an-tongotra izahay, tamin’ny ankamaroan’ny fotoana. Kongregasiona maro no nanana faritany ambanivohitra midadasika, izay nampananosarotra matetika ny fandehanana tany, kanefa dia tsy nitsaha-nitombo isa hatrany ny Vavolombelona.

Tany New York tamin’ny 1958

Tamin’ny 1957 aho dia naharay fanasana hafa avy tany amin’ny Betela, nilaza hoe: “Ho tianao ve ny hankatỳ amin’ny birao, mba hanampy amin’ny fikarakarana ny fandehanana hamonjy ny fivoriambe iraisam-pirenena hatao ao amin’ny Yankee Stadium sy ny Polo Grounds, any New York, amin’ny 1958?” Tsy ela izaho sy i Joan dia sahirana tamin’ny fikarakarana ireo taratasy fangatahana avy tamin’ireo rahalahy handeha amin’ny fiaramanidina sy ny sambo nohofan’ny Fikambanana. Tsy inona akory izy io fa ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena Ny Sitrapon’Andriamanitra nalaza, izay natrehin’ny mpanatrika be dia be niisa 253 922. Tamin’io fivoriambe io, dia 7 136 no nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny fandrobohana tao anaty rano​—maherin’ny avo roa heny noho ny isan’ireo natao batisa tamin’ilay fotoana nanan-tantaran’ny Pentekosta 33 am.f.i., araka ny tatitra ao amin’ny Baiboly.​—Asan’ny Apostoly 2:41.

Tsy hohadinoinay sy i Joan na oviana na oviana ny hatsaram-panahin’ny Rahalahy Knorr, rehefa nanasa anay nivantana hanatrika ilay fivoriambe izy, mba hanampy tamin’ny fikarakarana ireo delegasiona avy any amin’ny tany 123 tonga tao New York. Zavatra niainana nahafinaritra sy nahafa-po izany ho anay mivady.

Fitahiana azo noho ny fanompoana manontolo andro

Nanohy ny asa fitetezam-paritany izahay, nony tafaverina, mandra-pitrangan’ny olana ara-pahasalamana. Nampidirina hopitaly i Joan, ary tapaka lalan-dra aho fa tsy naninona. Nafindra ho mpisava lalana manokana izahay, kanefa tatỳ aoriana dia nanana tombontsoa nanompo vonjimaika tamin’ny asan’ny fizaran-tany indray. Niverina teto Bristol izahay, tamin’ny farany, ary mbola nanao ny fanompoana manontolo andro ihany. Mipetraka tsy lavitra ny tanànanay i Dick, zandriko lahy, ary mifankahita matetika izahay.

Tamin’ny 1971, dia tsy azo nositranina intsony ny masoko, noho ny fahasimban’ny hodi-maso manify ao anatiny. Nanomboka teo, dia nahita fahasahiranana lehibe aho teo amin’ny famakian-teny, noho izany dia tsapako fa fandaharana mahatalanjona nataon’i Jehovah ny fisian’ireo kasety momba ny zavatra vita an-tsoratra. Mbola mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano ihany izaho sy i Joan, ary tao anatin’ireo taona maro lasa, dia nanana tombontsoa nanampy olona 40 eo ho eo ho tonga tamin’ny fahalalana ny fahamarinana izahay, anisan’izany ny fianakaviana iray fito mianaka.

Fony izahay nanolo-tena ho an’i Jehovah, maherin’ny 60 taona lasa izay, ny fanirianay dia ny hiditra tao amin’ ny fanompoana manontolo andro ka hitoetra ao. Velom-pankasitrahana erỳ izahay mbola manana hery hanompoana an’ilay Jehovah Lehibe​—ny hany fomba ahafahanay misaotra azy noho ny hatsaram-pony taminay sy noho ireo taona maro nahafinaritra niarahanay!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Kitapo lamba, misy tadiny lava, izay natao hitondrana ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Consolation (Mifohaza! tatỳ aoriana).

[Sary, pejy 25]

Miaraka amin’i Dick, zandriko lahy (farany ankavia; mitsangana i Dick) sy mpisava lalana hafa, teo anoloan’ny tranon’ny mpisava lalana teto Bristol

[Sary, pejy 25]

Ny tranon’ny mpisava lalana teto Bristol tamin’ny 1940

[Sary, pejy 26]

I Stanley sy i Joan Reynolds tamin’ny andron’ny fampakaram-badin’izy ireo, tamin’ny 12 Janoary 1952, sy amin’izao fotoana izao